Ny Loholona Clark G. Gilbert, mpitantana ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, ary Rahalahy Chad H Webb, Mpitantana ny Seminera sy Institiota, dia mampahafantatra ireo lesona momba ny fanomanana ny fiainana ary mifanakalo hevitra momba ny fomba anentanan’izy ireny ireo mpampianatra sy mpianatra izay efa nandray anjara tamin’ilay andrana tamin’ny 2024.
Tsindrio eto raha hijery ny horonan-tsary ho an’ny mpampianatra. Hisintona: 360p, 720p
Ity horonan-tsary ity dia manolotra hevi-baovao manan-danja mikasika ny fomba ahafahan’ireo lesonafanomanana ny fiainana mitaona fanahy sy manome mankahery ireo mpianatra seminera hiatrehan’izy ireo amim-pahatokiana ireo fanamby eo amin’ny fiainana. Rehefa mijery izany ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo lesona ireo manampy ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.
Tsindrio eto raha hijery ilay horonan-tsary ho an’ny mpianatra. Hisintona: 360p, 720p
Amin’ny andro voalohany hampianarana amin’ny taona 2025, dia makà 10 minitra hizarana ity horonan-tsary ity amin’ny mpianatra, ary ampahafantaro azy ireo ireo lesona vaovao fanomanana ny fiainana sy fametrahana fiteny tsara ho an'ny traikefan'izy ireo amin'ny seminera.
Misaotra anao nanampy ireo mpianatra hanorina finoana sy hitady ny valin’ireo fanontaniana sarotra indrindra ananan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanamorana ireo lesona vaovao ireo.
Misy amin’ireto fiteny manaraka ireto ilay lahatsoratra:
Bahasa Indonesia, Cebuano, Česky, Dansk, Deutsch,
Eesti, English, Español, Faka-tonga, Français, Gagana Samoa,
Hrvatski, Italiano, Latviešu, Lietuvių, Magyar, Malagasy,
Nederlands, Norsk, Polski, Português, Română, Shqip, Suomi,
Svenska, Tagalog, Tiếng Việt, Български, Монгол, Русский,
Українська, Հայերեն, ภาษาไทย, ភាសាខ្មែរ, 한국어, 中文, 日本語
Ireo horonan-tsary roa ireo dia hita avokoa ao amin’ny Médiathèque de l'Évangile ao amin’ny votoatin-javatra mifandray amin’izany ho an’nyToko momba ny fampiofanana mahakasika ny lesona fiomanana hiatrika fiainana an’ny boky torolalana 2025 ho an’ny fampiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera.


