Raisina an-tanan-droa avokoa ny rehetra. Hitsidika fiangonana akaiky anao.
Fanontaniana fametraky ny olona matetika
Kristianina ve ny mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Eny! Amin’ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ Ny Andro Farany anay dia mino izahay fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao. Tia antsika rehetra mihoatra noho izay azontsika eritreretina Izy. Mihevitra ny tenanay ho mpanara-dia mahafoy tena an’i Jesoa izahay. Na dia miavaka aza ny sasany amin’ireo zavatra inoanay dia mino izahay fa amin’ny alalan’ny fiainany, ny asa fanompoany, ny sorona nataony ary ny fitsanganany amin’ny maty, dia manavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana i Jesoa Kristy.
Hamantatra misimisy kokoa momba ireo zavatra inoanay.
Toy ny ahoana no endriky ny fivoriam-bavaka ao amin’ny Fiangonana?
Samihafa arakaraky ny toeram-piangonana ny oran’ny fotoam-bavaka ao amin’ny Fiangonana. Na izany aza anefa dia afaka manantena foana ianao fanompoam-pivavahana iray ho an’ny rehetra arahana kilasy ho an’ny ankizy sy tanora ary olon-dehibe.
Io fanompoam-pivavahana ho an’ny rehetra io no antsoina hoe “fivoriana fanasan’ny Tompo.” Io fivoriana io dia ahitana hira sy vavaka ary toriteny (na “lahateny”) ataona mpikambana samihafa avy eo anivon’ireo mpivavaka isan-kerinandro. Fa ny ampahany manan-danja indrindra amin’ilay fivoriana dia ny fotoana handraisanay ny fanasan’ny Tompo (izay mitovy amin’ny kômonio) mba hahatsiarovana ny Mpamonjy.
Hianatra misimisy kokoa momba ireo fotoam-pivavahana isaky ny alahady na hitady fiangonana akaiky anao.
Nahoana no manana tempoly Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany, ny tempoly dia tsy mitovy amin’ireo trano hafa an’ny Fiangonana. Ny tempoly dia toerana iray izay handraisan’ireo Olomasin’ny Andro Farany fampianarana manokana momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Ao amin’ny tempoly no manao fanekempihavanana mandrakizay (na fampanantenana) amin’ Andriamanitra ireo mpikambana. Anisan’zany ireo fampanantenana ny hitandrina ny didy, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ho mahatoky ao amin’ny fanambadiana, ary hifampikarakara amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra anananay.
Ankaotra izany, satria mino izahay fa mandrakizay ny fianakaviana, ny ankamaroan’ny asa atao ao anatin’ny tempoly dia ny hahatonga ny fifandraisain’ny fianakaviana ho matanjaka kokoa. Tanterahina mba haharitra mandrakizay ireo fanambadiana any amin’ny tempoly fa tsy hoe “lamban’akoho ka faty no isarahana”. Ireo ray aman-dreny sy zanaka dia lasa fianakaviana mandrakizay any amin’ny tempoly. Afaka mandray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny tempoly ihany koa ireo razambe raha misy olona misolotena anatanteraka ireo ôrdônansy masina ho azy ireo ka manaiky izany asa fanompoana izany izy ireo. Maro ny asa atao ao amin’ny tempoly!
Inona no atao hoe Bokin’i Môrmôna?
Ny Bokin’i Môrmôna dia boky mirakitra soratra masina nentanim-panahy izay mampianatra antsika momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Manampy antsika hahazo fitarihana ho an’ny fiainantsika manokana izany ary afaka manampy antsika hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Avy aiza izany anarana izany? Taon-jato taona maro lasa izay dia nisy mpaminany fahiny iray antsoina hoe Môrmôna izay nanambatra ny rakitsoratry ny vahoakany. Niatrika olana maro mitovy amin’ireo atrehantsika ankehitriny izy ireo. Ary tahaka antsika dia nahazo hery izy ireo rehefa nitodika tamin’i Jesoa Kristy. Fantaro amin’ny alalan’ny misiônera ny momba ny Bokin’i Môrmôna.
Ny Bokin’i Môrmôna dia miara-mijoro amin’ny Baiboly mba ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa masina nanirahana Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao. Manome antsika fahatakarana momba ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra ho antsika rehetra sy afaka manampy antsika hanatona kokoa Azy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miaraka.
Te hahalala misimisy kokoa momba ny hoe ahoana no iarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa.
Mino ny Baiboly ve izahay?
Eny. Ny Baiboly dia tenin’ Andriamanitra, bokin-tsoratra masina iray, ary ny fanarahana ny fampianarany dia mitondra fifaliana eo amin’ny fiainantsika. Miaraka amin’ny Baiboly dia mahita fitaomam-panahy ihany koa izahay ao amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa izay mampiavaka an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Miara-miasa avokoa izy rehetra ireo mba hampianatra antsika fahamarinana manan-danja momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.
Te hahalala misimisy kokoa momba ny finoanay ny Baiboly.
Manakaikeza kokoa an’ Andriamanitra. Hihaona amin’ireo misiônera.
Hihaona an-jotra na mivantana. Hamaly ireo fanontanianao izahay ary hampahafantatra anao ny mpiangona ao amin’ny faritra misy anao.
Vondrom-piarahamonina iray manana finoana mifantoka amin’i Jesoa Kristy
Mahazoa vaovao farany avy amin’ny Fiangonana.
Misy zavatra tsara maro mitranga manerana izao tontolo izao. Mahazoa vaovao farany mikasika ireo tetikasan’ny Fiangonana, hetsika, ezaka fanampiana vonjy taitra, sy ny maro hafa.