Doctrine and Covenants 2025
14–20 jolay: “Hitari-dalana anareo Aho”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80


“14–20 jolay: -Hitari-dalana anareo Aho-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

I Jesoa Kristy amin’ny maha-mpiandry ondry Azy

Going Home [Mandeha mody], nataon’i Yongsung Kim

14–20 jolay: “Hitari-dalana anareo aho”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77–80

Roa taona latsaka taorian’ny namerenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny dia nisy mpikambana 2000 mahery tao aminy ary nitombo haingana izany. Tamin’ny martsa 1832 i Joseph Smith dia nihaona tamin’ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana mba “hiresaka momba ny raharahan’ny Fiangonana”: ny ilana ny hamoahana ireo fanambarana sy ny hividianana tany hiangonana ary ny hikarakarana ny mahantra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78, sasin-tenin’ny fizarana). Mba hanatanterahana ireo zavatra nila natao ireo dia niantso mpitarika tao amin’ny Fiangonana vitsivitsy ny Tompo hanorina ny Orinasa Miray, vondron’olona izay hampitambatra ny herin’izy ireo “hampandroso ny foto-kevitr[y]” ny Tompo (andininy 4) teo amin’ireo sehatra ireo. Saingy na dia teo amin’ny resaka ara-pitantanana tahaka izany aza dia nifantoka tamin’ireo zavatry ny mandrakizay ny Tompo. Raha ny marina, ny tanjona amin’ny milina fanontana printy na ny trano fitehirizana, toy ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, dia ny hanomanana ireo zanany hahazo “toerana ao amin’ny tontolo selestialy” sy “ny haren’ny mandrakizay” (andininy 7, 18). Ary na dia sarotra takarina aza ireo fitahiana ireo amin’izao ankehitriny izao, ao anatin’ny fisafotofotoan’ny fiainana andavanandro, dia manome toky antsika Izy hoe: “matokia fa hitari-dalana anareo Aho” (andininy 18).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Manome fahalalana ireo olona mikatsaka izany Andriamanitra.

Rehefa niasa nanao ilay fandikan-teny nentanim-panahy momba ny Baiboly i Joseph Smith sy i Sydney Rigdon dia nanana fanontaniana momba ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo, tahaka ny olona maro. Ary nahafantatra tsara i Joseph fa rehefa tsy ampy fahendrena izy dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 no ahitana ireo hevi-baovao azony. Rehefa mamaky ity fizarana ity ianao, dia hevero ny hirakitra an-tsoratra ny hevi-baovao voarainao ao amin’ireo toko mifandray amin’izany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Inona no ianaranao avy amin’ny fandalinanao mikasika ny fandraisana fanambarana?

I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mamaky ny Baiboly

Translation of the Bible [Fandikana ny Baiboly], nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78

Inona moa ilay Orinasa Miray?

Ny Orinasa Miray dia natsangana mba hitantanana ny famoaham-bokin’ny Fiangonana sy ny raharam-pitantanana tany Ohio sy Missouri. Izany dia nahitana an’i Joseph Smith sy i Newel K. Whitney ary ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nanambatra ny enti-manan’izy ireo mba hiatrehana ny zavatra ara-nofo ilain’ilay Fiangonana izay teo an-dalam-pitomboana. Ny mampalahelo dia tafidi-trosa ilay Orinasa Miray ary rava tamin’ny 1834 rehefa tsy nety notantanana intsony ny trosa.

Jereo ihany koa ny “Newel K. Whitney et la Firme unie,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 142–47.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:1–7

Afaka manampy “hampandroso ny foto-kevi[tr’i]” Kristy sy ny Fiangonany aho.

Nilaza tamin’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo fa ny fitantanana trano fitehirizana sy milina fanontana printy dia hanampy “hampandroso ny foto-kevitra izay efa nirotsahanareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4 Inona aminao no atao hoe “fotokevitr[y]” ny Fiangonan’ny Mpamonjy? Eritrereto io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78: 1–7 ianao. Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fomba isan-karazany azonao ampandrosoana izany foto-kevitra izany, isan’izany ny ao amin’ny fianakavianao?

Jereo koa ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 1.2.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18

Hitari-dalana ahy ny Tompo.

Araka ny eritreritrao dia nahoana ny Tompo indraindray no miantso ireo mpanara-dia Azy hoe “ankizy madinika”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17). Oviana ianao no nahatsiaro ho toy ny ankizy madinika, angamba noho ny zavatra izay “tsy mbola takatr[ao]” na “tsy tantin[ao]”? (andininy 17–18). Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo fa afaka manampy anao hatoky (andininy 18) amin’ny fotoana tahaka izany? Hevero ny hitady ny sarinao iray tamin’ny mbola kely ary saintsaino ny halehiben’ny fitomboanao ara-panahy hatramin’izay fotoana izay. Na, mieritrereta zavatra izay sarotra taminao fony ianao mbola kely, kanefa mora kokoa aminao amin’izao. Amin’ny fomba ahoana no mbola itiavan’ny Ray any An-danitra ny hahatonga anao ho toy ny ankizy? (jereo ny Môzià 3:19). Toy ny ahoana no itarihany lalana anao amin’izao fotoana izao?

4:21

Hitari-dalana anareo Aho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19

sary famantarana ny seminera
Afaka mandray ny zavatra rehetra amin’ny fankasitrahana aho.

Mba hiomanana handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19, dia azonao atao lisitra ireo zavatra tsara nitranga taminao androany. Avy eo dia ataovy lisitra ireo zavatra izay ohatra an’ny hoe tsy tena toy ny fitahiana ny fijerinao azy. Eritrereto ireo lisitra ireo eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78: 19. Inona no miova eo amin’ny fiainanao raha mandray “ny zava-drehetra” amin’ny fankasitrahana ianao, na dia ireo zavatra izay mety ho tsy toy ny fitahiana aza?

Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny fomba ahafahan’ny fankasitrahana an’ Andriamanitra mitondra fiantraikany eo amin’ny fiainanao, dia hadihadio ireto soratra masina ireto ary ataovy lisitra ireo fahamarinana hitanao: Salamo 107:8–9; Lioka 17:11–19; Filipiana 4:6–7; Môzià 2:19–24; Almà 34:38; 37:37; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:32; 59:7, 15–21.

Hevero ny handalina ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy” (Liahona, mey 2014, 70–77) mba hahitana torohevitra momba ny fahaizana mankasitraka. Inona no fiantraikan’ny fankasitrahana eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?

11:38

President Russell M. Nelson on the Healing Power of Gratitude

Manaova fandalinana dia zarao izay hitanao. Raha omena andraikitra hampianatra ianao, dia mitadiava fomba hanampiana ny olona handalina, samirery na ao anatina vondrona kely, ny soratra masina na ny tenin’ny mpaminany, ary hizara ny zavatra ianaran’izy ireo. Ohatra, ato amin’ity sahanasa ity ianao dia afaka manome ny olona tsirairay na ny vondrona iray fizarana iray ao amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf ary mangataka azy ireo hizara andian-teny na fehezan-teny izay tsapan’izy ireo fa mamintina ny zavatra nampianariny.

Jereo koa ny “Isao ireo fitahiana,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 16.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Ny antso hanompo an’ Andriamanitra no manan-danja kokoa noho ny toerana izay hanompoako.

Mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80, ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe: “Angamba ny lesona iray ampianarin’ny Mpamonjy antsika ao amin’io fanambarana io dia ny hoe ny fanendrena hiasa amina toerana voafaritra iray dia tena ilaina sy manan-danja kanefa faharoa aorian’ny antso mba hiasa” (“Voantso amin’ny asa,” Liahona, mey 2017, 68). Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hianatra fa marina ireo tenin’ny Loholona Bednar ireo? Inona no lesona fanampiny hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80 izay afaka manampy olona iray vao nahazo antso?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 03

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2

Andriamanitra no nahary ny zava-boary rehetra eto an-tany.

  • Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2 ianao sy ny ankizy, dia afaka mijery sarim-biby ianareo, isan’izany ny bibikely sy ny voro-manidina. Afaka manondro ireo sary ny ankizy rehefa mamaky ny teny hoe “biby,” “zava-mandady,” ary “voro-manidina” ianao. Ifampizarao ny fomba hahatsapanareo ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo zavatra nohariany.

lolo

Andriamanitra no nahary ny zava-boary rehetra eto an-tany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4

Afaka manampy amin’ny fampandrosoana ny foto-kevitr’i Jesoa Kristy aho.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hieritreritra ny anjara asan’izy ireo eo amin’ny asan’ny Tompo, dia hevero ny hiara-hamaky amin’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4 mba hamantarana ny “foto-kevitra nirotsahan[tsika]” (nekentsika, na nosafidiantsika, na notohanantsika) rehefa natao batisa isika. Ampio izy ireo mba hitady ao amin’ireo andinin-tsoratra masina toy ireto mba hahitana ny mety ho valin’izany: Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Mosesy 1:39. Mety ho tian’ireo ankizy ny hilalao an-tsehatra ny fomba azon’izy ireo hanampiana amin’ny asan’ny Tompo. Ohatra, toy ny ahoana izany hoe “[m]ifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” na “mitondra eo [amintsika] ny anaran’i Jesoa Kristy” izany? Ahoana no hampandrosoan’izany ny foto-kevitr’i Kristy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:6

Afaka mizara izay ananako amin’ny hafa aho.

  • Mba hampianarana ny dikan’ny hoe “mitovy … amin’ny zavatra ety an-tany” (andininy 6), dia azonao omena sarin’olona sahirana (noana, na maratra na mangatsiaka) ny ankizy ary zavatra izay hanampy (toy ny sakafo, famehezana ratra, na bodofotsy). Avy eo dia afaka mampifandray ireo sary amin’ireo zavatra ny ankizy. Inona no azontsika zaraina mba hanampiana ny olona sahirana?

  • Mba hahazoana sahan-kevitra ho an’ny fizarana 78, dia vakio miaraka amin’ny ankizy ireo fehezan-teny eo ambanin’ireo sary roa voalohany ao amin’ny “Toko 28: Nandeha tany Missouri indray ny Mpaminany Joseph” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 108). Avy eo ny ankizy dia afaka mody manao hoe manampy olona iray manorina trano, na mizara sakafo, na manompo amin’ny fomba hafa.

    2:39

    Chapter 28: The Prophet Joseph Goes to Missouri Again: March–May 1832

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18

Hitari-dalana ahy i Jesoa Kristy.

  • Mety hahafinaritra an’ireo ankizy ny miresaka momba ny dikan’izany hoe mpitarika izany ary avy eo dia mitarika sahanasa iray. Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18, dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ireo fotoana ilantsika an’i Jesoa mitarika antsika ianareo. Hevero ny hanao hira toy ny “Raha manaraka Azy aho” (Médiathèque de l’Évangile).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19

Afaka mandray “ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana” aho.

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19 mba hahafantarana ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo olona mahay mankasitraka. Ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “avo zato heny,” mety hoe amin’ny alalan’ny fampisehoana azy ireo zavatra kely iray ary avy eo 100 amin’io zavatra kely iray io ihany. Azon’izy ireo atao angamba ny manao sarin-javatra noraisin’izy ireo avy amin’Andriamanitra “[t]amin’ny fankasitrahana.”

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Saha misy biby

God’s Garden [Sahan’ Andriamanitra], nataon’i Sam Lawlor

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy