Doctrine and Covenants 2025
7–13 jolay: “Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76


“7–13 jolay: -Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary hosodoko maneho vahindanitra

Refuge [Toeram-pialofana], nataon’i Shaelynn Abel

7–13 jolay: “Ho lehibe ny valisoany ary ho mandrakizay ny voninahiny”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

“Inona no hitranga amiko aorian’ny fahafatesako?” Saika ho ny olona rehetra no mametraka io fanontaniana io amin’ny fomba samihafa. Nandritra ny taonjato maro dia fomba Kristianina maro miantehitra amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly no nampianatra momba ny lanitra sy ny helo, momba ny paradisa ho an’ireo olo-marina ary ny fampijaliana ho an’ireo olon-dratsy. Kanefa moa ve ny fianakaviamben’ny olombelona manontolo tena azo sarahina amin’ny fomba hentitra toy izany? Tamin’ny febroary 1832 dia nanontany tena i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon raha toa ka mbola misy zavatra fanampiny tokony ho fantatra momba an’io resaka io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, sasin-tenin’ny fizarana).

Tena azo antoka fa nisy izany. Raha mbola nisaintsaina ireo zavatra ireo i Joseph sy i Sydney, “dia nikasika ny mason’ny fahatakaran[’izy ireo] ny Tompo ary nosokafana ireo” (andininy 19). Nandray fanambarana mahatalanjona tokoa, sy mivelatra tokoa, ary mitondra fahazavana tokoa izy ireo ka nantsoin’ny Olomasina hoe “ilay Fahitana” tsotr’izao izany. Nanokatra ny varavaran’ny lanitra izany ary nitondra fahatakarana manitatra ny saina momba ny mandrakizay. Nanambara io fahitana io fa ny lanitra dia lehibe kokoa sy miitatra kokoa ary mahahenika zavatra betsaka kokoa mihoatra noho izay noheverin’ny olona maro tany aloha. Be famindrampo sy marina kokoa noho izay azontsika takarina Andriamanitra. Ary ny zanak’ Andriamanitra dia manana anjara mandrakizay feno voninahitra kokoa noho izay azontsika saintsainina.

Jereo ny “La Vision,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 148–54

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

sary famantarana ny seminera
Tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra ny famonjena.

Ny fizarana 76 dia manambara fahamarinana manan-danja momba ny anjarantsika mandrakizay, kanefa tsy feno ny filazana fa momba ireo fanjakam-boninahitra teo na momba ny drafitry ny famonjena fotsiny aza io fanambarana io. Raha ny marimarina kokoa, ny fizarana 76 dia momba an’i Jesoa Kristy, izay manao ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika sy ny voninahitra mandrakizay ho azo tanterahina. Eo am-pamakianao izany, dia azonao atao ny mitady teny na andian-teny izay mamariparitra ny fifandraisana misy eo amin’i Jesoa Kristy sy ireo olona izay mandova ireo fanjakam-boninahitra samy hafa. Afaka manampy anao hirakitra ny zavatra hitanao angamba ny tabilao tahaka ity manaraka ity.

Fanjakam-boninahitra

Fifandraisana amin’i Jesoa Kristy

Fitahiana mandrakizay

Fanjakam-boninahitra

Selestialy (andininy 50–70, 92–96)

Fifandraisana amin’i Jesoa Kristy

  • Naharay fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa

  • Nanao sy nitandrina fanekempihavanana Taminy

Fitahiana mandrakizay

  • Voadio tamin’ny fahotana

  • Nandresy tamin’ny alalan’ny finoana

Fanjakam-boninahitra

Terestrialy (andininy 71–79, 97)

Fifandraisana amin’i Jesoa Kristy

Fitahiana mandrakizay

Fanjakam-boninahitra

Telestialy (andininy 81–90, 98–106, 109–12)

Fifandraisana amin’i Jesoa Kristy

Fitahiana mandrakizay

Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona ianao mba hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?

Rehefa namaky io fahitana io i Wilford Woodruff dia hoy izy: “Tsapako ho tia ny Tompo mihoatra lavitra noho izay tsapako teo amin’ny fiainako hatrizay aho” (jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fijoroana ho vavolombelona momba -ilay Fahitana-”). Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 1–5, 20–24, 39–43, 107–8 izay mahatonga anao ho tia Azy kokoa?

Jereo koa ny 1 Petera 3:18–19; 4:6; Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75–77; “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

Mifantoha amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fotopampianaran’Izy Ireo. Amin’ireo zavatra rehetra azontsika ianarana ao amin’ny soratra masina, ireo fahamarinana manan-danja indrindra dia manampy antsika hanorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Izy Ireo, ary handray ny Fanahy Masina. Na dia mety ho mahaliana aza ny mampitaha na mandinika ireo fihetsika sy fitondrantenan’ireo olona hahazo ireo fanjakam-boninahitra samy hafa, dia manan-danja kokoa ny mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Hampitodika antsika any amin’Izy Ireo ny zavatra rehetra ataon’Izy Ireo hanomanana antsika ho amin’izany voninahitra izany.

Efitrano ao amin’ny tokantranon’i John Johnson, Hiram Ohio

Tao amin’io efitrano io no nahitan’i Joseph Smith ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10, 114–18

Afaka mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra aho “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.”

Tsy ny mpikambana rehetra tao amin’ny Fiangonana no nanaiky mora foana ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 76, satria izy io dia mampianatra fa saika ho ny olon-drehetra no ho voavonjy ary handray ambaratongam-boninahitra. Ohatra, i Brigham Young dia nilaza hoe: “Toy izany ny fomban-drazako, ka rehefa tonga voalohany tamiko ilay fahitana, dia nifanohitra avy hatrany tamin’ny zavatra nianarako teo aloha izany. Andraso kely hoe, hoy aho. Tsy nolaviko izany, saingy tsy azoko ilay izy.” Nohazavainy fa nilainy ny “nandinika sy nivavaka, namaky izany sy nieritreritra, mandra-pahafantarako sy nahatakarako tanteraka izany (ao amin’ny “La Vision,” ao amin’ny Révélations dans leur Contexte, 150). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainany izay afaka manampy anao rehefa manambara zavatra tsy mitovy amin’ny zavatra takatrao amin’izao fotoana izao Andriamanitra? Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10, 114–18? Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mahatakatra ny “safidin’ny sitrapo[n’Andriamanitra]”? (andininy 7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–44, 50–70

Ny fisandratana no endriky ny famonjena faratampony indrindra.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39–44dia mamariparitra ny famonjena amin’ny ankapobeny. Ny andininy 50–70 dia mamariparitra ny fisandratana, izay karazana famonjena miavaka. Ahoana no hanazavanao ny maha-samy hafa ny famonjena sy ny fisandratana? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’ireo roa ireo? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mitaona anao hikatsaka ny fisandratana?

Jereo koa ny Jaona 3:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 20–25.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, 92–95

Tian’ny Raiko any An-danitra hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy aho.

Efa nanontany tena ve ianao, na natahotra, ny amin’ny hoe afaka ny ho lasa ilay karazan’olona handray ny voninahitra selestialy araka izay voafariparitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, 92–95 ianao sa tsia? Na dia zava-dehibe aza ny mahafantatra ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amintsika, dia hevero ihany koa ny hitady ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho antsika, sy ataony amintsika ao amin’ireo andininy ireo, mba hanampiana antsika ho lasa tahaka Azy. Nahoana ianao no mahatsapa fa manan-danja Aminy ny ezaka ataonao?

Inona no fiantraikan’io fahitana ny voninahitra selestialy io eo amin’ny fomba tianao iainana ny fiainanao isan’andro?

Jereo koa ny Mosesy 1:39; J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?,” Liahona, nôv. 2016, 32–34.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24

Zanak’ Andriamanitra daholo isika.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra dia azonao atao ny mampiseho azy ireo sarina ankizy miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Avy eo dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24 ianareo ary mifampizara ny antony maha faly anareo amin’ny fahafantarana fa “zanakalahy sy … zanakavavy ho an’ Andriamanitra” avokoa isika rehetra.

  • Afaka miara-mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 2–3) koa ianareo ary manasa ny ankizy hanondro ny tenany rehefa mihira hoe “aho” izy ireo. Dia hirao indray ilay hira avy eo, ary soloy amin’ny hoe “ianao” ny hoe “aho” sady manondro olona hafa ihany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5, 41–42, 69

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

  • Hevero ny hilalao an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy trangan-javatra iray izay hanontanian’ny olona iray hoe: “Inona no efa nataon’i Jesoa Kristy ho ahy?” Afaka mitady izay valiny azo omena amin’izany ao amin’ny andininy 5, 41–42, na 69 ao amin’ny fizarana 76 ianao sy ny ankizy. Azonareo hiraina koa ny “Nalefany ny Zanany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 34–35. Ahoana no anehoantsika ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

I Jesoa sy ny ankizy

Ampahan-tsary avy amin’ny Suffer the Children [Avelao ny zaza], nataon’i J Kirk Richards

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62

Tian’ny Ray any An-danitra hiverina hiara-hiaina Aminy mandrakizay aho.

  • Afaka mamaky ny ampahany na izy rehetra amin’ny “Toko 26: Ireo fanjakam-boninahitra telo” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 97–103) ianao sy ny ankizy ary mifampizara ny zavatra tianareo momba ilay fahitana hitan’i Joseph Smith. Avelao ny ankizy hizara ny eritreritr’izy ireo sy ny fahatsapany momba ny hoe hanao ahoana izany miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny fanjakana selestialy izany.

    4:7

    Chapter 26: The Three Kingdoms of Heaven: 16•February 1832

  • Azonao vakina koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62 dia asao ny ankizy hanao sary ny tenan’izy ireo miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny pejin’ny sahanasa) ho an’ity herinandro ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:12, 15–19, 114–16

Ny fandalinana soratra masina dia afaka manampy ahy hahatakatra “ny zavatra momba an’ Andriamanitra.”

  • Azonao asaina ny ankizy mba hamaky ny andininy 15–19 mba hamantarana ny zavatra nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’izy ireo nahita ilay fahitana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Tantarao amin’ny ankizy ny fotoana iray nahazoanao fitaomam-panahy teo am-pamakiana soratra masina, ary anontanio ireo ankizy raha efa niaina zavatra toy izany izy ireo.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

sary fanehoana ireo ambaratongam-boninahitra telo

Glory in Degrees [Voninahitra araka ny Ambaratonga], nataon’i Annie Henrie Nader

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy