“Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Fijoroana ho vavolombelona momba -ilay Fahitana-,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fijoroana ho vavolombelona momba -Ilay Fahitana-,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Tenivavolombelona momba “ilay Fahitana”
Wilford Woodruff
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Wilford Woodruff ny volana desambra 1833, saika ho roa taona taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon an’ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Nipetraka tany New York izy tamin’izany fotoana izany ary nahare mikasika “ilay Fahitana” tamin’ireo misiônera nanompo teo amin’ilay toerana. Taona maro taty aoriana dia niresaka mikasika ny fahatsapany momba io fanambarana io izy:
“Nampianarina ahy tamin’ny fahazazako fa nisy Lanitra iray sy Helo iray, ary voalaza fa ny olon-dratsy rehetra dia mahazo famaizana iray ihany ary ny olo-marina dia voninahitra iray ihany. …
“… Rehefa namaky ilay fahitana aho … , dia nanazava ny fanahiko sy nanome hafaliana lehibe izany. Tsikaritro fa ilay Andriamanitra izay nanambara izany fitsipika izany tamin’ny olona dia hendry sy marina, ary sady manana ny toetra tsara indrindra sy fahaiza-miaina tsara ary fahalalana. Tsapako fa tsy niovaova Izy teo amin’ny fitiavana, ny famindrampo, ny fahamarinana sy ny fitsarana, ary tsapako ho tia ny Tompo mihoatra lavitra noho izay tsapako teo amin’ny fiainako hatrizay aho.”
“Ilay -Fahitana- [dia] fanambarana izay manome fahazavana bebe kokoa, fahamarinana bebe kokoa, ary fitsipika bebe kokoa mihoatra ny fanambarana hafa izay voarakitra ao amin’ny boky hafa izay vakintsika. Manome fahatakarana mazava tsara mikasika ny toerana misy antsika amin’izao izany, avy aiza isika, nahoana isika no eto, ary handeha ho aiza isika. Ny olona tsirairay dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny fanambarana ny anjara toerany sy ny mety ho fepetra iainany.”
“Talohan’ny nahitako an’i Joseph dia nilaza aho hoe tsy raharahiako izay taonany, na izay hatanorany; tsy raharahiako izay mety ho endriny, na lava ny volony na fohy; ilay lehilahy izay nandroso io fanambarana io [ilay fahitana voarakitra ao amin’ny fizarana 76] dia mpaminanin’ Andriamanitra. Ny tenako ihany no namantatra izany.”
Phebe Crosby Peck
Tamin’ny fotoana nandrenesan’i Phebe Peck an’i Joseph sy i Sidney nampianatra momba “ilay Fahitana” dia nonina tany Missouri izy ary nitaiza zaza dimy sady reny mananontena. Nanaitra sy nanohina ny fanahiny tokoa ilay fahitana ka nahatonga azy nanoratra izao zavatra manaraka izao mba hizarana ny zavatra nianarany tamin’ireo fianakaviany lavitra:
“Manambara ireo misiteriny mikasika ny Fanjakan’ny lanitra amin’ireo zanany ny Tompo. … Nitsidika anay i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny lohataona lasa, ary nanatrika fivoriana maro nitondra fifaliana izahay niaraka tamin’izy ireo, ary misitery maro no novelabelarina teo imasonay izay nanome fankaherezana lehibe ho ahy. Afaka nahita ny fiambanian’ Andriamanitra izahay tamin’ny fanomanana ireo fitoeran’ny fiadanana ho an’ireo zanany. Ary ireo izay tsy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ka tsy miezaka ny ho miaramila be herim-po ho amin’ny tanjon’i Kristy dia tsy afaka ny hitoetra eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. Kanefa misy toerana voaomana ho an’ireo rehetra izay tsy mandray izany, saingy toerana ambany voninahitra lavitra noho ny mitoetra ao amin’ny fanjakana Selesialy izany. Tsy hiezaka hilaza ankoatra izay mikasika ireo zavatra ireo aho fa efa an-dalana ny fanontana azy ireo ary hiparitaka manerana an’izao tontolo izao. Ary angamba ianareo hanana fahafahana hamaky azy ireo, ary raha mamaky izany ianareo, dia manantena aho fa hamaky izany amim-pitandremana sy amin’ny vavaky ny fo ianareo satria ireo zavatra ireo dia mendrika ny hifantohana. Ary maniry aho ny hamakianareo sy handalinanareo azy ireo fa izany no hiankinan’ny fahasambarantsika eto amin’ity tontolo ity sy any amin’ny tontolo ho avy.”