Hira
Rehefa atao batisa aho


53

Rehefa atao batisa aho

1. Endrey ny hakanton’ny tany, misy avana io, jereo.

Voasasan’ny orana avokoa, madio sy soa avy eo.

[Chorus]

Mba tiako raha izaho ity no hadio tahaka izany.

Hiezaka aho hihatsara hatrany mba ho any an‑danitra any.

2. Rehefa atao batisa aho dia manaiky hankatò,

ary ho voavela aho raha miara‑dia amin’i Jesoa.

[Chorus]

Mba tiako raha izaho ity no hadio tahaka izany.

Hiezaka aho hihatsara hatrany mba ho any an‑danitra any.

Tonony: Nita Dale Milner, 1987; dikanteny amin’ny teny Malagasy 2019, 2025

Feony: Nita Dale Milner, 1987

Dikanteny amin’ny teny Malagasy © 2019, 2025 IRI; feony © 1989 IRI

ho an’ny feo sy gitara

Genesisy 9:8–17

2 Nefia 31:17