Seminera
Ny drafitry ny famonjena: Ny Mpamonjy no ivon’ny drafitry ny Ray


“Ny drafitry ny famonjena: Ny Mpamonjy no ivon’ny drafitry ny Ray,” Torolalana ho an’ny Mpampianatra Semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Ny drafitry ny famonjena: Ny Mpamonjy no ivon’ny drafitry ny Ray,” Torolalana ho an’ny Mpampianatra Semineran’ny Testamenta Taloha

Tonga soa eto amin’ny Testamenta Taloha: Lesona 2

Ny drafitry ny famonjena

Ny Mpamonjy no ivon’ny drafitry ny Ray

Hand of Christus statue, against creation mural at the Mesa Arizona Temple Visitors' Center. (horiz)

Tany amin’ny tontolo nisy antsika talohan’ny fiainana an-tany, dia “nihobim-pifaliana isika” (Joba 38:7) rehefa nianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Voafidy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jehovah, ka nanokatra lalana ho antsika mba hiverenana amin’ny Ray sy ho tonga tahaka Azy. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny anjara asa fototr’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny anjara asa fototra sahanin’ny Mpamonjy eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra singa vitsivitsy amin’ny drafitry ny famonjena izay fantatr’izy ireo ary manao fanazaran-tena manazava izany amin’ny olona iray anisan’ny fianakaviany na namany.

Sahanasa fianarana azo atao

Famaliana ireo fanontaniana mikasika ny fiainana

Ho fanombohana ny fotoam-pianarana, dia asehoy sy zarao ity manaraka ity.

Manatona anao dia manontany anao i Jonathan namanao hoe:

  • Avy aiza isika?

  • Inona no tanjon’ny fiainana?

  • Inona no mitranga aorian’ny fahafatesantsika?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra. Fomba iray ahafahanao manao izany ity sahanasa atao ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina manaraka ity. Ataovy izay hahahatakaran’ny mpianatra fa hanana fotoana izy ireo hanao fanazaran-tena hamaly ireo fanontanian’i Jonathan any aoriana any ao amin’ny lesona.

Valio ao amin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hisaintsaina ny zavatra efa takatrao momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

  • Hatraiza ny fahatokianao ny fahaizanao mamaly ny fanontanian’i Jonathan?

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny drafitry ny Ray An-danitra?

Rehefa mandalina ny lesona ianao anio dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anjara asa fototra sahanin’ny Mpamonjy.

I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray

sary famantarana ny semineraNy fanampiana ny mpianatra hamantatra ireo anaram-boninahitra, anjara asa, ary toetra samihafa ananan’i Jesoa Kristy dia afaka mampitombo ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Ho fanampiana ny mpianatra hahatakatra ny anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny singa tsirairain’ny drafitry ny famonjena an’ny Ray any An-danitra, dia azonao atao ny mampiseho ity sary manaraka ity. Asao ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo momba ny zavatra ampianarin’ity sary ity momba ny Mpamonjy.

(Raha mila fampiofanana fanampiny ho an’ny mpampianatra momba ny famantarana ireo anaram-boninahitra, anjara asa, ary toetran’i Jesoa Kristy ianao, dia jereo ny: “Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)

Rehefa avy nomena fotoana sahaza ny mpianatra hifanakalozan-kevitra momba izay ampianarin’ilay sary, dia azonao atao ny mampiseho ilay teny nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra:

Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho antsika tsirairay avy? Nanao ny zavatra rehetra izay ilaina amin’ny diantsika amin’ny mandritra ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana hahatongavana voalaza ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra Izy. … Ny Zanany Lahitokana, Jesoa Kristy, no mitana ny anjara asa fototra. (“Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75)

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’ny Filoha Oaks mba ho lasa fehezan-teny hoenti-manambara fahamarinana?

Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny fivoarantsika mandrakizay. Mety hanampy ny fanoratana ity fahamarinana ity eny amin’ny solaitrabe.

Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anjara asa fototra sahanin’ny Mpamonjy

Natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’izany ity sahanasa manaraka ity. Ireo mpianatra izay efa mahafantatra tsara ny drafitry ny famonjena dia azo asaina hampiasa ny fitaovana fandalinan’izy ireo ny soratra masiny mba hitadiavana andalan-tsoratra masina sy teny nambaran’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana hamaliana ireo fanontaniana telo napetrak’i Jonathan eny amin’ny solaitrabe.

sary famantarana ny semineraRaha mila fitarihana fanampiny ny mpianatra, dia azonao homena tahadik’ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra” izy ireo. Azo asaina izy ireo handalina samirery ilay taratasy zaraina na ao anaty vondrona kely. Fomba iray hanaovana izany ny manapaka ilay taratasy zaraina ho fizarana telo ary mametraka ireo fizarana tsirairay eraky ny efitrano. Azon’ny mpianatra atao ny mihodidina mankeo amin’ny fizarana tsirairay ao amin’ny efitrano samirery na miaraka amin’ny vondrona misy azy ireo eo am-pandalinany ny drafitry ny famonjena.

Asehoy ireto torolalana manaraka ireto hanampiana amin’ny fitarihana ny mpianatra eo am-pandalinan’izy ireo.

Rehefa mandalina momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ianao dia tadiavo ireto manaraka ireto:

  1. Ahoana no fomba andraisan’i Jesoa Kristy anjara fototra amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

  2. Fahamarinana azonao zaraina amin’i Jonathan mba hamaliana ny fanontaniany.

Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo hevitra hitanao.

Rehefa avy nandalina ny mpianatra, dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny hevi-baovao sy fahatakarana izay azon’izy ireo. Afaka manao fanazaran-tena mizara ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontaniana telo tsirairay napetrak’i Jonathan ny mpianatra. Azonao asaina koa izy ireohifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amina namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.

  • Inona no nianaranao momba ny anjara asa fototra tanan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

  • Inona avy no fahamarinana na fampianarana azonao zaraina amin’i Jonathan ka afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontaniany?

Eritrereto ny zavatra nianaranao

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina mangina ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena. Asao izy ireo handinika izay zavatra tsapan’izy ireo avy amin’ny fitaomam-panahy fa mila ataony. Azony atao ny mirakitra an-tsoratra ny heviny sy ny fahatsapana ara-panahy ao amin’ny diary fandalinany.