Seminera
Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra feno fiahiana sy momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha


“Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra feno fiahiana sy momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha,” Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)

“Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra feno fiahiana sy momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha,” Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha

Tonga soa ato amin’ny Testamenta Taloha: Lesona 1

Fampahafantarana ny Testamenta Taloha

Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra feno fiahiana sy momba an’i Jesoa Kristy ny Testamenta Taloha

Frontal head and shoulders portrait of Jesus Christ. Christ is depicted wearing a pale red robe with a white and blue shawl over one shoulder. Light emanates from His face.

Ny Testamenta Taloha dia ahitana fampianarana sy tandindona maro momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao Azy. Ireo tantara avy ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka manampy ny mpianatra hianatra momba Azy sy hijery ny fomba andraisany anjara amin’ny fiainantsika. Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo ny Testamenta Taloha.

Fiomanan’ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery tantara iray tiany indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ary hisaintsaina ny zavatra mety hampianarin’io tantara io momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny ifantohantsika

Ho fanombohana ny lesona, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hikatsaka lalina kokoa ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Taloha. Fomba iray hanaovana izany ny mametraka ny sary maromaro mampiseho ny Mpamonjy manodidina ny efitrano alohan’ny fotoam-pianarana. Rehefa manomboka ny fampianarana, dia azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe firy ireo sarin’ny Mpamonjy tsikaritr’izy ireo ary anontanio ny antony nahatonga azy ireo nahatsikaritra na tsy nahatsikaritra ireo sary.

Fomba iray hafa hanaovana izany ny fanazavana amin’ny mpianatra fa hijery horonan-tsary mampiseho ekipa roa izy ireo: ny iray miakanjo fotsy ary ny iray miakanjo mainty. Samy hanipy baolina basikety ny ekipa roa. Asao ny mpianatra hiezaka hanisa marina ny fanipazana baolina ataon’ny ekipa miakanjo fotsy.

Asehoy ilay horonan-tsary hoe “Focus Test,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 0:22. Ajanony kely ilay horonan-tsary avy eo.

1:2
  • Firy ny fanipazana baolina voaisanao?

  • Nahatsikaritra zavatra hafa nitranga tao amin’ilay horonan-tsary ve ianao? Raha eny, dia inona?

    Alefaso ilay ambin’ny horonan-tsary (mamerina fanipazana baolina ihany izy ireo) dia asao ny mpianatra hijery izay zavatra tsy hitany tamin’ny voalohany.

  • Inona no zavatra voamarikao nefa tsy hitanao tamin’ny voalohany?

    Raha ilaina, dia azonao marihina fa nisy vavy antitra iray nandalo namakivaky teo, nisy mpiady ninja iray miakanjo mainty nanolo mpilalao iray, ny ankizilahy sasany dia nanao satroka, ary ny sasany hafa nanipy baolina kitra fa tsy baolina basikety.

  • Nahoana no tsy hitanareo izany tamin’ny ianareo nijery azy tamin’ny voalohany?

  • Ahoana no mety hitovian’izany amin’ny zavatra mety hiainan’ny olona iray rehefa mamaky ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha izy?

Na inona fomba nanombohanao ny lesona, dia makà antoka fa mazava amin’ny mpianatra ny hoe raha tsy mitandrina isika dia mety hifantoka amin’ny zavatra hafa ary hanao tsinontsinona ny zavatra mila ampianarin’ny Testamenta Taloha antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Michael T. Ringwood ao amin’ny Fitopololahy ity, mba hijerena ny zavatra azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika.

Loholona Ringwood

Ry rahalahy sy anabavy, isika no ifantohan’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anton’ny asa nanirahana ny Mpamonjy antsika.

Isaky ny toko [ao amin’ny Testamenta Taloha] isika dia mahita ohatra mikasika ny fomba idiran’ny Ray any An-danitra sy [i Jesoa Kristy] an-tsehatra akaiky eo amin’ny fiainantsika. (“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsika,” Liahona, mey 2022, 88–89)

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Ringwood, inona no asehon’ny Testamenta Taloha amintsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mety hahita fahamarinana mitovitovy amin’ireto ny mpianatra:

Isika no ifantohan’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anton’ny asa nanirahana ny Mpamonjy antsika.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia miditra an-tsehatra akaiky amin’ny fiainantsika.

Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra eritreretiny sy tsapany momba ireo fahamarinana ireo sy ny antony mahatonga izany ho zava-dehibe amin’izy ireo. Asao hamita irery ity fanombantombanana ny tena manokana manaraka ity ny mpianatra. Afaka mirakitra ny valiny ao amin’ny diary fandalinany izy ireo.

Eritrereto ny zavatra niainanao rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha.

  • Toy ny ahoana ny zavatra niainanao tao amin’ny Testamenta Taloha?

  • Raha nisy zavatra niainanao tao amin’ny Testamenta Taloha, moa ve nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mangataha fanampiana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba hanatonana akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha ataonao.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra izay efa fantatr’izy ireo momba ny Testamenta Taloha. Raha ilaina dia azonao atao ny mizara fa manomboka amin’ny tantaran’ny Fahariana izao tontolo izao sy ny fahariana an’i Adama sy i Eva ny Testamenta Taloha. Tantarainy ao ny tantaran’ny mpaminany sy olona maro izay nonina tany Isiraely sy ny manodidina ny ankamaroany ary nifarana tany ho any amin’ny taona 400 talohan’i J.K. tany ho any. Hazavao amin’ny teninao manokana aveo ity manaraka ity:

Rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao, dia hiresaka momba ny Tompo na Jehovah izany. Tena manampy ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah. Nankatò ny sitrapon’ny Ray any An-danitra tamin’ny zavatra rehetra i Jehovah. Rehefa mianatra momba an’i Jehovah ianao dia hianatra ihany koa ny momba ny Ray any An-danitra, izay nitari-dalana sy nanome hery Azy.

Mampisehoa sary maromaro ao anaty faribolana izay maneho ireo tantaran’ny Testamenta Taloha. (Mety hanampy ny fiomananao mialoha ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny famerenana fohy ireo tantara izay aseho.) Apetraho eo afovoan’ireo sary ireo ny sarin’i Jesoa Kristy iray. Azonao atao ny mampiasa sary toy izao manaraka izao.

Azonao atao koa ny mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy ary manasa ny mpianatra hieritreritra samirery ireo tantara izay maneho ny fandraisany anjara sy ny fitiavany ao amin’ny Testamenta Taloha. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra lohateny tsotra ho an’ireo tantara manodidina ny hoe Mpamonjy.

Old Testament Lesson 1

Ireo tantara dia tanisaina etsy ambany, manomboka eny ambony ary manaraka ny fihodin’ny famantaranandro.

  • Josefa tany Egypta (Genesisy 37:23–28; 39:1–5). Rehefa avy nizara ny nofiny tamin’ny fianakaviany i Josefa, dia niray tsikombakomba hanao ratsy aminy ny rahalahiny.

  • Nampisaraka ny Ranomasina Mena i Mosesy (Eksodosy 14:10, 13–16, 21–22). Nandositra an’i Egypta ny zanak’ Isiraely rehefa tonga nanafika sy hanandevo azy ireo indray ny tafik’i Farao.

  • Menarana eo amin’ny hazo lava (Nomery 21:4–9). Taorian’ny nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita avy tany Egypta sy nanomezany mofo avy any an-danitra tamin’ny fomba mahagaga azy ireo dia nimenomenona tamin’ Andriamanitra ny Isiraelita.

  • Davida sy Goliata (1 Samoela 17:43–49). Nihaika ny Isiraely mba handefa ny mpiadin’izy ireo mahay indrindra hifanandrina aminy i Goliata, ilay miaramila Filistina. Nanolo-tena ny hiady aminy i Davida.

  • Ny lafaoro mirehitra (Daniela 3:4–6, 12–13, 16–25). Nanao sampy volamena i Nebokadnezara mpanjaka ary niantso ireo mpanapaka tao amin’ny taniny mba hanokana izany.

  • Ny lavaka feno liona (Daniela 6:7, 10, 16–23). Nataon’i Dariosy mpanapaka an’i Babylona i Daniela. Nitetika hamely azy ny mpitondra sasany mba tsy hahazoany sitraka amin’ny mpanjaka.

Zarao roa na ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy tantara iray na maromaro, hamaky ireo andininy mifandray amin’izany, ary hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no anehoan’io tantara io ny fitiavana na ny fandraisana anjaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Afaka manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fanakarana ilay tantara amin’ny fomba toy izany?

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny hevi-baovao azony avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo.

Raha tsy milaza izany ny mpianatra, dia hazavao fa ny fandalinana ny fomba nidiran’ny Tompo an-tsehatra teo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka manampy antsika hisaintsaina ny fomba fidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika. Asao hisaintsaina ny fomba nitahian’ny Tompo sy nanampiany azy ireo ny mpianatra. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny sy ny zavatra niainany manokana, raha tsy mahakasika loatra ny tenany manokana izany.

Fandalinana ny Testamenta Taloha

Mety ho fotoana tsara hampahatsiahavana ny mpianatra ny tanjon’izy ireo amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro ity. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mijery, manitsy, na mamorona tanjona amin’ny fandalinana soratra masina izy ireo. Azonao atao ny manontany ny mpianatra raha toa ka misy amin’izy ireo te hizara ny tanjon’izy ireo amin’ny iray kilasy mba hanampiana ny hafa hahita hevitra.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy na hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny valim-panontanian’izy ireo momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no zavatra nianaranao androany ka heverinao fa afaka manampy anao amin’ny fandalinanao ny Testamenta Taloha?

  • Nahoana no fitahiana ho anao ny miaina sy manaiky ny fitiavana sy ny fidiran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an-tsehatra eo amin’ny fiainanao?

Mba hanampiana ny mpianatra amin’ny fandalinana ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo na hanamarika ao amin’ny diary fandalinany isaky ny mahita porofo izy ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra na ny fandraisany anjara amin’ny fiainan’ireo zanany. Azonao atao ny mamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahazoana finoana ny amin’ny fandraisan’anjaran’ Izy Ireo eo amin’ny fiainantsika ny fandalinana ny Testamenta Taloha.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianaran’izy ireo androany. Afaka manampy ny fianakaviany izany rehefa mandalina ny Testamenta Taloha izy ireo.