“9–15 jona: -Izaho momba ny mahatoky mandrakariva-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Campfire on the Missouri [Afon-dasy teo amin’ny Missouri], nataon’i Bryan Mark Taylor
9–15 jona:“Izaho momba ny mahatoky mandrakariva”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–63
Tamin’ny voalohandohan’ny aogositra 1831 dia niomana ny hiverina tany Kirtland i Joseph Smith sy ireo loholona hafa tao amin’ny Fiangonana taorian’ny fitsidihana fohy tao amin’ny “tanin’i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:3). Tian’ny Tompo ny hitorian’izy ireo ny filazantsara nandritra ilay dia (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:10), ary nanao izany tamim-pahazotoana ny sasany tamin’izy ireo. Saingy nisalasala ny sasany. “Afeniny ny talenta izay efa nomeko azy,” hoy ny Tompo “noho ny tahotra ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2). Maro amintsika no mahafantatra ny zavatra tsapan’ireo loholona ireo. Na dia tia ny filazantsara aza isika, dia mety hanakana antsika tsy hizara izany ny tahotra sy ny fisalasalana. Saingy be famindram-po ny Tompo. “Mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena [antsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1) Izy. Miely manerana ireo fanambarana ho an’ireo misiônera tany aloha ireo ny fanomezan-toky izay afaka manampy antsika handresy ny tahotsika sy ny fahalementsika: “Haiko ny hahatonga anareo ho masina.” “Eo an-tanako ny nofo rehetra.” “Izaho momba ny mahatoky mandrakariva.” Ary “Izay mahatoky sy maharitra no handresy izao tontolo izao.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:6; 62:9; 63:47.)
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60; 62
Afaka mizara ny fitiavako an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba Azy aho.
Ahoana no maha-toy ny “talenta” na harena avy amin’ Andriamanitra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara? Ahoana indraindray no “[hanafenantsika] ny talentan[tsika]”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2; jereo koa ny Matio 25:14–30).
Inona no hafatra mankahery avy amin’ny Tompo hitanao ao amin’ny fizarana 60 sy 62? Ahoana no mahatonga ireo hafatra ireo hampiorina ny fahatokian-tenanao rehefa mizara ny filazantsara? Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo ianao, dia hirao na vakio ny tonon’ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90). Inona no ianaranao avy amin’ity hiran’ny ankizy ity momba ny fizarana ny filazantsara?
Afaka mizara ny finoako an’i Kristy eny imasom-bahoaka aho.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–4; 61:1–2, 20, 36–38; 62:1, 6
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.
Rehefa nampianatra ireo misiônerany ny Tompo dia nanambara fahamarinana manan-danja momba ny tenany Izy. Tadiavo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–4; 61:1–2, 20, 36–38; 62:1, 6 ireo fahamarinana ireo. Tantara inona ao amin’ny soratra masina no maneho ireo anjara asa sy toetran’ny Mpamonjy izay hitanao? (jereo ohatra ny Jaona 8:1–11; Etera 2:14–15).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62
Tokony hampifandanja ny “fandanjalanjana sy ny fitarihan’ny Fanahy” aho.
Manome fitarihana momba ireo fahamarinana sy fitsipika mandrakizay ny Tompo, kanefa matetika Izy no mamela antsika hanapaka ny amin’ireo antsipirian-javatra voafaritra tsara momba ny fomba hampiharana ireo fitsipika ireo. Ahoana no fahitanao io fitsipika io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62? (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:5; 61:22). Ahoana no fomba nahitanao io fitsipika io teo amin’ny fiainanao? Nahoana no tsara ho antsika ny mandray fanapahan-kevitra sasantasany tsy hanantenana an’ Andriamanitra hiteny amintsika izay rehetra tokony hatao?
Jereo koa ny Etera 2:18–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–12
Tonga amin’ny alalan’ny finoana sy ny sitrapon’ Andriamanitra ireo famantarana.
Any amin’ny faran’ity lesona ity dia misy sary maneho fahagagana iray izay nanan-danja lalina tamin’i Ezra Booth: sitrana tamin’ny fomba mahagaga ny sandrin’i Elsa Johnson. Rehefa avy nahita izany i Ezra dia natao batisa haingana. Kanefa tao anatin’ny volana vitsy monja dia very ny finoan’i Booth ary nanjary lasa mpitsikera ny Mpaminany izy. Ahoana no nahatonga izany raha eritreretina ny fahagagana izay natrehany maso?
Halalino izany rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63: 7–12 ianao. Inona avy ireo fahamarinana ianaranao momba ireo famantarana sy finoana?
Jereo koa ny Matio 16:1–4; Jaona 12:37; Môrmôna 9:10 –21; Etera12: 12,18.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16
Afaka ny ho madio ao amin’ny eritreritro sy ny asa ataoko aho.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16 ny Tompo dia namerina nilaza ny zavatra nampianariny tao amin’ny Testamenta Vaovao, fa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia tsy tokony hanjaka fotsiny ihany amin’ny asantsika fa amin’ny eritreritsika ihany koa (jereo ny Matio 5:27–28). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16 ianao, dia soraty ny fampitandremana omen’ny Mpamonjy momba ny eritreritra feno fitsiriritana. Azonao saintsainina ihany koa ny mifanohitra amin’ny fampitandremana tsirairay. Ohatra hoe, inona ireo teny na andian-teny sasantsasany mifanohitra amin’ny tahotra? Inona ireo fitahiana hafa azo avy amin’ny fananana eritreritra sy ny fanaovana asa madio?
Maro ny olona mieritreritra fa efa lany andro ary maneritery mihitsy aza ireo fenitry ny Tompo momba ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny asa atao. Inona no fiovana mety hiseho raha miezaka ny hiaina io lalàna io ny zanak’ Andriamanitra rehetra? Afaka mitady valiny ho an’io fanontaniana io ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Elder David A. Bednar hoe “Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena” (Liahona, mey 2013, 41–44) na ny “Masina ny vatanao” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 23–26). Inona no hafatra mifono fanantenana hitanao?
Na dia rehefa fantatsika aza ireo fitahiana entin’ny fahadiovana ao an-tsaintsika sy amin’ny asantsika dia tsy midika izany hoe mora ny manao izany. Mety haka fotoana kely hisaintsainana ny zavatra mahatonga ny fitandremana ireo fenitry ny fahadiovam-pitondrantena ho sarotra aminao, sy ny zavatra mahatonga izany ho mora kokoa ianao. Inona no torohevitra azonao zaraina amin’ny hafa mikasika ny zavatra hatao rehefa alaim-panahy hanana eritreritra tsy mendrika ianao?
Mifanohàna. Isan’ireo fitahiana lehibe avy amin’ny fiaraha-mivory mandritra ireo fivoriam-piangonana sy ireo kilasy ny fahafahana mahazo fanohanana avy amin’ireo namana Olomasina amin’ny ezaka ataontsika mba hanara-dia ny Mpamonjy. Maro amintsika no miatrika olana mitovy amin’izany, ary afaka ny ho tanjaka lehibe ny zavatra iainana iraisantsika. Aza matahotra ny hiaiky fa manana olana ianao. Ifampizarao ny zavatra manampy anareo hiaina ny lalàn’ Andriamanitra sy handresy ny fakam-panahy.
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45 AddressingPornography.ChurchofJesusChrist.org.
Standards: Sexual Purity and Modesty - True Confidence
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64
Tokony horaisina amim-panajana fatratra ireo zavatra masina.
Ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:58–64 dia mihoatra lavitra ny fanononam-poana ny anaran’ny Tompo. Inona koa ireo zava-masina hafa “avy any ambony” na avy amin’ Andriamanitra? Midika inona aminao ny hoe miteny ireo zavatra ireo “amim-piheverana”?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:4; 61:1–2, 36; 62:1
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina
-
Azonao atao angamba ny manoratra amin’ny taratasy kely maromaro ny sasany amin’ireo teny nambara momba ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62. Avy eo dia afaka mampifandray ireo teny nambara ireo amin’ireo sarin’i Jesoa tamin’ny fanompoany teto an-tany ireo ankizy sahaninareo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.34–61) izay mampiseho ireo toetra ireo. Ahoana no hampahafantarany ny Tenany amintsika amin’izao fotoana izao?
Ampahan-tsary avy amin’ny For This Purpose [Noho izany antony izany], nataon’i Yongsung Kim
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:1–2; 62:1
Hamela ahy ny Tompo raha mibebaka aho.
-
Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:2 miaraka amin’ireo ankizy ianao, dia ampio izy ireo hitady ireo teny iraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ampahatsiahivo azy ireo fa ireo fanambarana ireo dia nomena an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Inona no tian’ny Tompo ho fantatr’izy ireo? Azonareo atao koa ny miresaka momba ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy mikasika antsika rehefa manao fahadisoana isika sy ny dikan’ny hoe mibebaka. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1, dia ahoana no ahafahan’i Jesoa manampy rehefa alaim-panahy isika?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:3, 9
Tian’i Jesoa Kristy hizara ny filazantsarany aho.
-
Azonao anontaniana amin’ireo ankizy ny zavatra holazain’izy ireo raha misy olona manontany azy ireo ny zavatra tian’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Ny fiarahana manao hira mikasika ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90), dia afaka manome hevitra azy ireo. Avy eo ianao dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:3 ary mangataka ny ankizy mba hihaino ny zavatra mitranga rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika. Ahoana no ahafahan’ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 9 manampy rehefa mitebiteby isika?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64
Afaka maneho fanajana fatratra aho.
-
Mba hampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64, dia afaka mihira hira momba ny fanajana fatratra miaraka amin’ny ankizy ianao, toy ny “Ny fanehoam-panajana dia fitiavana” (Bokin-kiran’ny ankizy,, lah. 12). Avy eo dia afaka miresaka ireo fomba isan-karazany hanehoana fanajana fatratra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianareo.
-
Afaka manampy ny ankizy ianao hahatakatra ny atao hoe fanajana fatratra amin’ny alalan’ny firesahana amin’izy ireo momba ny zavatra iray izay manan-danja amin’izy ireo, toy ny kilalao na boky na bodofotsy tena tiana iray. Anontanio azy ireo ny fomba hikarakarany sy hiarovany ireo zavatra manan-danja amin’izy ireo. Avy eo ianareo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64. Inona avy ireo zavatra manan-danja, na masina, amin’ny Ray any An-danitra? (Jereo ohatra ny andininy 61 sy ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Ahoana no tokony hitondrantsika ireo zavatra ireo, amin’ny teny ampiasaintsika sy ny fihetsika ataontsika?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.