“17–23 febroary: -Ianareo ry mpiara-manompo amiko-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Renirano Susquehanna akaikin’i Harmony, Pennsylvanie
17–23 febroary: “Ianareo ry mpiara-manompo amiko”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–17; Joseph Smith—Tantara 1:66–75
Ny ankamaroan’ny olona manerana izao tontolo izao dia mety tsy mbola nandre na oviana na oviana ny toerana iray antsoina hoe Harmony, Pennsylvanie. Fa matetika ny Tompo no mifidy ireo toerana tsy malaza mba hanatanterahana ireo tranga manan-danja indrindra ao amin’ny fanjakany. Tao amin’ny ala iray teo akaikin’i Harmony, tamin’ny 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny endriny nitsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa. Napetrany teo amin’ny lohan’izy ireo ny tanany ka nomeny azy ireo ny Fisoronana Aharôna, sady nantsoiny hoe “ry mpiara-manompo amiko” izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1).
I Jaona Mpanao Batisa no mpanompo mahatokin’ Andriamanitra izay nanao batisa ny Mpamonjy sy nanomana ny lalana ho amin’ny fiaviany (jereo ny Matio 3:1–6, 13–17). Azo antoka fa nanetry tena ireo tovolahy roa teo amin’ny faha-roampolo taona teo ho eo ireo, raha nantsoina hoe mpiara-manompo tamin’i Jaona mihitsy aza. Tamin’izany fotoana izany dia samy tsy be mpahafantatra i Joseph sy i Oliver, tahaka ny tsy nahafantarana firy an’i Harmony. Kanefa ny fanompoana ao amin’ny asan’ Andriamanitra dia mikasika ny fomba hanompoantsika hatrany, fa tsy momba ireo izay mahatsikaritra izany. Na mety ho kely sy tsy tazana toy ny ahoana aza ny anjara biriky entinao, ianao ihany koa dia mpiara-manompo ao anatin’ny “asa lehibe sy mahatalanjona” ataon’ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:1).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12; 14
Afaka mandray anjara amin’ny “asa lehibe sy mahatalanjon’” Andriamanitra aho.
Samy naniry hahafantatra ny fomba nahafahany nanampy tamin’ny asan’ny Tompo i Joseph Knight sy David Whitmer. Rehefa mamaky ny valinteny nomen’ny Tompo azy ireo ianao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12; 14), dia eritrereto ny dikan’ny hoe “hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona” (12:6; jereo ihany koa ny 14:6). Inona avy ireo fitsipika sy toetra tahaka ny an’i Kristy hitanao ao amin’ireo fizarana ireo izay afaka manampy anao hanao izany?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13
Naniraka an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa Kristy mba hamerina amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.
Nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe “mpiara-manompo” i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mpiara-manompo amin’i Jaona Mpanao Batisa? (jereo ny Matio 3:13–17; Lioka 1:13–17; 3:2–20).
Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’i Jaona Mpanao Batisa momba ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny fizarana 13, ianao dia saintsaino ny fomba hanampian’ny fanalahidin’ity fisoronana ity amin’ny fanatanterahana ny asa nanirahana an’i Jaona hanomana ny lalan’ny Tompo. Ohatra:
-
Inona no atao hoe “fanompoan’ny anjely”? (jereo ny 2 Nefia 32:2–3; Môrônia 7:29–32; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Anjely,” Médiathèque de l’évangile).
-
Inona no atao hoe “filazantsaran’ny fibebahana”? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:26–27; Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017, 64–67).
Ahoana no hanampian’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna (toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo) hanomana ny lalana ho anao handraisanao ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao?
Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana?
Ny Loholona Dale G. Renlund sy i Ruth vadiny dia nanolotra ity fanazavana ity momba ny fanalahidin’ny fisoronana.
“Ny andian-teny hoe fanalahidin’ny fisoronana dia ampiasaina amin’ny fomba roa samy hafa. Ny voalohany dia entina ilazana zo na tombontsoa iray manokana nomena ireo rehetra izay mandray ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka. … Ohatra hoe, ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia mandray ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny fanalahidin’ny filazantsara fiomanana an’ny fibebahana sy ny batisa asitrika ho an’ny famelana ny fahotana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27). Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia mandray ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra, ary ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19; 107:18). …
“Ny fomba faharoa ampiasana ny andian-teny hoe fanalahidin’ny fisoronana dia entina ilazana ny fitarihana. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia mahazo fanalahidin’ny fisoronana fanampiny, izay zo hiahiana sokajin-drafitra iray ao amin’ny Fiangonana na ny kôlejy iray. Amin’ity heviny iray ity, ny fanalahidin’ny fisoronana dia fahefana sy hery mba hitantanana, hitarihana, ary hitondrana ao amin’ny Fiangonana” (The Melchizedek Priesthood: Understanding the Doctrine, Living the Principles [2018], 26).
Joseph Smith Baptizes Oliver Cowdery [Manao batisa an’i Oliver Cowdery i Joseph Smith], nataon’i Del Parson
Mahatonga ahy ho afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra ireo ôrdônansy.
Efa nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana ny fiarahana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery nandritra ireo hetsika lehibe tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny? Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75, anisan’izany ny fanamarihana eo amin’ny faran’ny andininy 71, dia mety ho azonao ny zavatra tsapan’izy ireo farafaharatsiny. Inona no manaitra anao amin’ny tenin’izy ireo? Mariho manokana ireo fitahiana azony noho izy ireo nandray ny fisoronana sy natao batisa. Inona no fitahiana nomen’ny Mpamonjy anao tamin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?
Raha te hianatra bebe kokoa dia eritrereto ny hamorona tabilao misy ny lohateny hoe ôrdônansy sy Fitahiana. Avy eo ianao dia afaka manao fikarohana ao amin’ny soratra masina tahaka ireto mba hitanisana ireo ôrdônansy sy ireo fitahiana azo avy amin’izany: Jaona 14:26; Asan’ny Apostoly 2:38; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; 131:1–4; Joseph Smith—Tantara 1:73–74. Inona no fitahiana hafa azonao ampiana ao amin’ilay lisitra? Ahoana no nitondran’ireo ôrdônansy noraisinao ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao?
Jereo koa ny David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe,” Liahona, nôv. 2021, 28–30; Olomasina, 1:65–68; Dieu de force et vérité,” Cantiques, no. 11; Lohahevitra sy fanontaniana, “Fanekempihavanana sy ôrdônansy,” Médiathèque de l’évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16
Tena sarobidy ny mitondra fanahy ho an’i Kristy.
Efa nanontany tena ve ianao, toa an’i John sy Peter Whitmer, hoe inona no “ho manan-danja indrindra” eo amin’ny fiainanao? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:4; 16:4). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15–16 ianao dia diniho ny antony mahatonga ny fitondrana fanahy ho any amin’i Kristy ho tena manan-danja toy izany. Inona no ataonao mba “hitondrana fanahy” ho an’i Kristy?
Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:68–71.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17
Mampiasa vavolombelona ny Tompo hampiorenana ny teniny.
Inona no atao hoe vavolombelona? Nahoana ny Tompo no mampiasa vavolombelona eo amin’ny asany? (jereo ny 2 Korintiana 13:1). Saintsaino ireto fanontaniana ireto rehefa mamaky ny tenin’ Andriamanitra amin’ireo Vavolombelona Telo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 ianao. (Jereo koa ny “Ny Tenivavolombelon’ny VavolombelonaTelo” ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.) Manampy amin’ny fanatontosana ireo “fikasa[na] marina” amin’ny fomba ahoana ireo vavolombelona? (andininy 4).
Inona no azonao ijoroana ho vavolombelona?
Jereo koa ny Olomasina, 1:73–75.
A Day for the Eternities
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; Joseph Smith—Tantara 1:68–74
Namerina ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny i Jaona Mpanao Batisa.
-
Afaka manampy ny ankizy haka sary an-tsaina ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ny asakanto ao amin’ity rindran-damina ity (jereo koa ny “Toko 6: Nomena ny fisoronana i Joseph sy i Oliver,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 26–27). Tian’izy ireo ve ny hanao sary izany tranga izany, araka ny izay novakiny tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:68–74?
2:12Angels Restore the Priesthood: Power to do God's work
-
Azonao atao koa ny mampiseho ny sarin’i Jaona Mpanao Batisa eo am-pamakiana miaraka ny Matio 3:13–17; Joseph Smith—Tantara 1:68–70. Nahoana no zava-dehibe ny nanirahan’ny Tompo an’i Jaona Mpanao Batisa mba hanome an’i Joseph Smith ny fahefan’ny fisoronana hanaovana batisa?
Manomana ny ankizy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana Mba hahazoana hevitra misimisy kokoa hanampiana ny ankizy hianatra momba ny herin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny fisoronana ary ny fanalahidy, jereo ny Tovana A na Tovana B.
Sary maneho an’i Jesoa natao batisa, nataon’i Dan Burr
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13
Ny Ray any an-danitra dia mitahy ahy amin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna.
-
Mba hamporisihana fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fanalahidy voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13, dia azonao sy ny ankizy atao ny mijery andiana fanalahidy ary miresaka momba ny zavatra lasa azontsika atao noho ireo fanalahidy ireo. Angamba azonao atao ny manampy azy ireo hahita ny teny fanalahidy ao amin’ny fizarana 13. Inona avy ireo teny na andian-teny hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 izay mamaritra ny fitahian’ny Fisoronana Aharôna?
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_BlessingsOfThePriesthood_SUB_02Sep2025_HDF-2997_MLG.mov
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:4–6; 16:4–6
Ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy dia “ho manan-danja indrindra.”
-
I John sy Peter Whitmer dia naniry ny hahafantatra hoe inona no “ho manan-danja indrindra” ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:4; 16:4). Angamba ianao sy ny ankizy dia afaka miresaka momba ny zavatra tena sarobidy aminao. Rehefa mamaky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:6 na ny 16:6, dia asaivo mananga-tanana ireo ankizy rehefa maheno hoe inona ilay lazain’ny Tompo fa “manan-danja indrindra.”
-
Inona no dikan’ny hoe “mitondra fanahy ho an’i [Jesoa Kristy]”? Ampio ny ankizy hanao lisitra ireo hevitra, toy ny hoe minamana amin’ny hafa, mizara ny soratra masina amin’ny namana iray, na mivavaka ho an’ny olona sahirana. Ny ankizy dia afaka mitady ny sarin’ireo zavatra ireo ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Na azon’ireo ankizy atao ny manao sary foronin’izy ireo manokana. Asao izy ireo mba haka zavatra avy amin’ny lisitra izay ho ataony. Afaka miaraka mihira ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17
Afaka ny ho vavolombelona manambara momba ny Bokin’i Môrmôna aho.
-
Ny “Toko 7: Nahita ireo takela-bolamena ireo vavolombelona” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 31–33) dia afaka manampy ny ankizy hianatra momba ireo Vavolombelona Telo. Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:5–6, dia lazao amin’ny ankizy ny fomba ahafantaranao fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana ho ahafahantsika ho tonga vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna?
4:58Witnessess See the Book of Mormon Plates: Bearing testimony to the world
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.