“3–9 febroary: -Io no fanahin’ny fanambarana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
3–9 febroary: “Io no fanahin’ny fanambarana”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9
Tamin’ny fararano tamin’ny taona 1828, dia nisy mpampianatra tanora iray antsoina hoe Oliver Cowdery nandray anjara tamin’ny asa fampianarana tany Manchester, New York, ary nitoetra tao amin’ny fianakavian’i Lucy sy i Joseph Smith Rainy. Oliver dia nandre momba an’i Joseph zanany lahy sy ny zavatra niainany mahatalanjona, ary i Oliver, izay nihevitra ny tenany ho mpitady ny fahamarinana, dia naniry hahafantatra bebe kokoa. Notantarain-dry Smith mianakavy ireo famangian’ny anjely, sy ny rakitsoratra fahiny iray, ary ny fanomezam-pahasoavana handika teny amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Nilotalagaga i Oliver. Marina ve ny zavatra nolazain’izy ireo? Nomen’i Lucy sy i Joseph Rainy torohevitra izay mihatra amin’ireo rehetra mikatsaka fahamarinana izy manao hoe: mivavaha ary mangataha amin’ny Tompo.
Nanao izany i Oliver, ary namaly ny Tompo nanao hoe “fiadanana tamin’ny sai[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23). Ny fanambarana, hitan’i Oliver, dia tsy natao ho an’ny mpaminany toa an’i Joseph Smith ihany. Natao ho an’izay maniry sy mikatsaka izany fatratra. Mbola betsaka ny zavatra tokony hianaran’i Oliver, saingy ampy azy ny fahalalana nananany ahafahany miditra amin’ny dingana manaraka. Fantany fa nanao zavatra manan-danja tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny Tompo ary naniry ny handray anjara tamin’izany i Oliver.
Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:58–64.
Days of Harmony
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6; 8–9
Afaka miresaka amiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra.
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1829 dia nanolo-tena ho mpitantsoratr’i Joseph Smith i Oliver Cowdery rehefa nanohy nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Nampientam-po azy ilay zavatra niainana ka nanontany tena izy raha toa ka mba afaka ny hahazo ihany koa ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikanteny. Ny andrana voalohany nataony anefa dia tsy nandeha tsara.
Raha toa ianao ka sahirana tamin’ny fandraisana na ny fahatakarana ny fanambarana dia mety afaka mampifandray ny tenanao amin’ny zavatra niainan’i Oliver ianao—ary mianatra avy amin’izany. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6, 8, sy 9, ianao dia jereo ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Oliver momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Ohatra:
-
Inona no aroson’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5–7; 8:1; 9:7–8 momba ny zavatra takin’ny Tompo aminao mialoha ny hanambarany ny sitrapony aminao?
-
Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–17, 22–24; 8:2–3; 9:7–9 momba ireo fomba samihafa mety hahatongavan’ny fanambarana? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mamantatra azy?
-
Inona koa no ianaranao momba ny fanambarana avy amin’ireo fizarana ireo?
Ny zavatra niainan’i Oliver dia mety hahatonga anao “[hamerina] ao an-tsainao” ireo fotoana izay nahatsapanao fa niresaka taminao ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22). Efa noraketinao ve ny eritreritrao na ny fahatsapanao momba ireo traikefa ireo? Raha izany no izy, dia hevero ny hamaky ny zavatra izay nosoratanao. Raha tsy izany, dia makà fotoana hanoratana izay zavatra tadidinao. Diniho ny fomba ahafahanao manohy manovo hery avy amin’ireo traikefa ireo. Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia vakio ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana” (Liahona, mey 2020, 18–22).
Mpitarika maromaro ao amin’ny Fiangonana no nizara ny zavatra niainany momba ny fanambarana tao amin’ireo amboarana horonan-tsary “Henoy Izy”. Rehefa avy mijery ny iray na maromaro amin’ireo horonan-tsary ireo ianao dia mety hahatsapa fitaomam-panahy hanoratra ny zavatra niainanao manokana, hizara ny fomba niresahan’ny Tompo taminao.
Jereo ihany koa ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Fanambarana ho an’ny tena manokana,” Médiathèque de l’évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18–21, 29–37
Banjino amin’ny eritreritra rehetra i Kristy.
Fantatry ny Tompo fa hiaina “toe-javatra sarotra” i Joseph Smith amin’ny taona ho avy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18). Fantany koa izay fitsapana mety hitranga amin’ny hoavinao. Inona no hitanao ao amin’ny torohevitra nomeny an’i Joseph sy i Oliver ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:18–21, 29–37 izay manampy anao hatoky Azy?
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[mibanjina an’i Kristy] amin’ny eritreritra rehetra”? (andininy 36). Ahoana no ahafahanao manao izany tsy tapaka—amin’ny fotoan-tsarotra sy amin’ny “toe-javatra sarotra”? Diniho ity torohevitra avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity: “Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, 41).
Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Nifantoka tamin’izany eritreritra mahakasika an’i Jesoa Kristy izany ny saiko,” Liahona, mey 2023, 91–94.
Aza miroanàhana, aza matahotra
Ampahan-tsary avy amin’ny Behold My Hand [Indro ny tanako], nataon’i Jeff Ward
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:29–37
“Aza matahotra ny hanao soa.”
Nahoana isika indraindray no “matahotra … ny hanao soa”? (andininy 33). Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:29–37 izay manome herim-po anao hanao ny tsara? Hevero ny mihira na mihaino hira iray izay manentana anao hanana herim-po ao amin’i Kristy, toy ny “Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 20).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7; 9:3, 7–14
“Hatao aminareo araka izay irianareo Amiko.”
Jereo hoe impiry ny teny toy hoe “maniry” na “faniriana” no miseho ao amin’ny fizarana 6 sy 7. Inona no ianaranao avy amin’ireo fizarana ireo momba ny lanjan’ny fanirianao amin’ Andriamanitra? Apetraho amin’ny tenanao ilay fanontanian’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1: “Inona no irinao?”
Tsy tanteraka ny iray tamin’ireo faniriana tsara nananan’i Oliver Cowdery, dia ny handika teny mitovy tamin’ny nataon’i Joseph Smith. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:3, 7–14 ianao dia inona avy ireo fahatsapana raisinao izay mety hanampy anao rehefa manana faniriana tsara lasa tsy tanteraka ianao?
Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:8; Dallin H. Oaks, “Ny faniriana,” Liahona, mey 2011, 42–45.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:5, 15–16, 22–23; 8:2; 9:7–9
Afaka miresaka amiko amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra.
-
Ireo fahamarinana nianaran’i Oliver Cowdery momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia afaka manampy ny ankizy rehefa mampitombo ny fahaizany mahafantatra ny Fanahy Masina. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 5: Joseph Smith sy Oliver Cowdery” (ao amin’ny Histoires des Doctrine et Alliances, 22–25) mba hampianarana azy ireo momba an’i Oliver sy ny zavatra nianarany. Zarao ny ampahany tianao indrindra amin’ny tantara. Rehefa manao izany ianao, dia antitrantero ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Oliver momba ny fomba handrenesana ny feon’Andriamanitra, sy ny famakiana andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany, toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23 na 9:7–9.
3:11The Lord Sends Oliver Cowdery: Learning about how God speaks to us
Nianatra momba ny fanambarana i Oliver Cowdery rehefa nanampy an’i Joseph Smith nandika ny Bokin’i Môrmôna.
-
Asao ny ankizy hikasika ny lohany sy ny tratrany rehefa mamaky ny teny hoe “ao an-tsainao” sy “ao am-ponao” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2 ianao. Avy amin’ny traikefanao manokana dia lazalazao amin’ny ankizy hoe toy ny ahoana izany hoe ny Fanahy Masina miresaka amin’ny sainao sy ny fonao izany. Ampio izy ireo hahita ny valin’ilay fanontaniana hoe “Ahoana no fomba hiresahan’ ny Fanahy Masina amintsika?” amin’ireto andininy ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15–16, 22–23; 8:2; 9:7–9.
Mampiasà tantara. Manampy ny ankizy hahatakatra ny fitsipiky ny filazantsara ny tantara satria mampiseho ny fomba fiainan’ny olona hafa ireo fitsipika ireo. Rehefa mampianatra ianao dia mitadiava fomba hampiasana tantara—avy amin’ny soratra masina, avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, na avy amin’ny fiainanao manokana—izay mandravaka ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34
Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny “tsy hatahotra” aho.
-
Nilaza tamin’i Joseph sy i Oliver ny Tompo hoe, “Aza matahotra ry ondry vitsy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34). Asao ny ankizy hamerina ilay andian-teny im-betsaka miaraka aminao. Mety ho tian’izy ireo koa ny mody manao hoe andian’ondry matahotra izy ireo. Inona no zavatra mety hampatahotra ny ondry? Avy eo ianao sy ny ankizy dia afaka mijery ny sarin’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpiandry ondry (misy iray any amin’ny faran’ity lesona ity) ary miresaka momba ny fomba fiahiany antsika toy ny mpiandry ondry miahy ny ondriny.
-
Hevero ny hilalao na hihira hira iray momba ny fitadiavana risi-po ao amin’i Kristy, toy ny “Sahia manao izay tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, lah 80) na ny “Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, laha. 20). Inona no ampianarin’ilay hira mikasika ny fomba nanampian’ny Mpamonjy antsika tsy hatahotra?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36
Afaka mijery an’i Jesoa Kristy amin’ny eritreritra rehetra aho.
-
Aorian’ny fiarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36, ianao sy ny zanakao dia afaka manao sary mba hanampiana anao hahatsiaro ny hoe “mibanjina an’ [i Jesoa Kristy] amin’ny eritreritra rehetra.” Ifampizarao ny sary nataonareo ary ampio ny zanakao hieritreritra ireo toerana azony ametrahana ireo sary mba ho hitan’izy ireo matetika izany.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.