2024
Voninkazo ho an’ilay mpiray vodirindrina amiko
Septambra 2024


“Voninkazo ho an’ilay mpiray vodirindrina amiko,” Namana, Septambra 2024, 38.

Nosoratanareo

Voninkazo ho an’ilay mpiray vodirindrina amiko

Ankizilahy iray manome voninkazo ho an’ny vehivavy iray

Taona vitsivitsy lasa izay, dia maty ny vadin’ilay vehivavy mpiray vodirindrina amiko. Nalahelo tokoa izy.

Fantatro tsara izany hoe namoy olona tiana izany. Fony aho telo taona dia maty ny reniko. Taorian’ny nahafatesany dia nanoratra fampaherezana ho an’ny rahalahiko sy ho ahy ary nanaingo ny tokotaninay tamin’ny kilalao ny ankizy kely teo an-tanàna. Te hanao zavatra feno hatsaram-panahy tahaka izany amin’ilay mpiray vodirindrina amiko aho.

Nivavaka aho mba hahafantatra izay azoko atao mba hanampiana. Tonga tao an-tsaiko ny hanome voninkazo ho azy amin’ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia. Kanefa mbola nila nitady vola aho hividianako ilay voninkazo. Napetrako ho tanjona tao amin’ny Boky torolalana ho an’ny ankizy ny hahazo io vola io.

Tamin’ny alalan’ny fanaovana asa samihafa ho an’ny olona hafa no nahazoako ilay vola. Nokaramain’i renibeko aho mba hanadio ny zaridainany sy hanala ny ravinkazo teo amin’ny tokotaniny. Tany an-trano aho dia nahazo vola tamin’ny alalan’ny fanadiovana ny kirihitra tao ambadiky ny trano hevanay. Niasa mafy amam-bolana maro aho mba hahazoana vola ampy.

Farany dia ampy ihany ny volako mba handehanana any amin’ny mpivarotra ka hividiy ilay voninkazo. Tonga ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia ary nomeko an’ilay mpiray vodirindrina tamiko ilay voninkazo niaraka tamin’ny hafatra fohy iray. Tena faly tokoa izy. Izaho koa dia nahatsapa zavatra tsara tany anatiko ary faly. Misaotra ny Ray any An-danitra aho nanampy ahy hanao izay tiany hataoko.

PDF

Sary nataon’i Dave Klüg