“Inona no dikan’ny hoe manangona an’i Israely?” Namana, Septambra 2024, 22.
Karatry ny tempoly
Inona no dikan’ny hoe “manangona an’i Israely?”
Ny fanangonana an’i Israely dia midika hoe fanampiana ny olona hanao sy hitandrina fanekempihavanana na fampanantenana natao tamin’ny Ray any An-danitra. Azontsika atao ao amin’ny tempoly izany amin’ny alalan’ny fanaovana batisa ho an’ireo izay efa nodimandry. Nampanantena ny mpaminany fa rehefa manampy amin’ny fanangonana an’i Israely isika dia hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika.
Harare Zimbabwe
-
Io no ho tempoly voalohany any Zimbabwe.
-
Ny Loholona Edward Dube, izay avy any Zimbabwe no nanonona vavaka tamin’ny fangadiana fototra. Nivavaka izy mba hanampy amin’ny fampitodihana ny fon’ny olona ho any amin’i Jesoa io tempoly io.
Freiberg Alemana
-
Io tempoly io dia vita amin’ny biriky izay 60 santimetatra ny hateviny.
-
Rehefa vita tamin’ny taona 1985 izy io, dia io no tempoly kely indrindra.
-
Saika ho efa 90.000 ny isan’ny olona nanatrika ilay varavarana misokatra naharitra roa herinandro.
Sary nataon’i Rachel Erickson