Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana


34:34

Mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana

Fihaonambe fampaherezam-panahy ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana, 12 jona 2025

Fampidirana: Fanantitranteran’ny Fiangonana ny fiezahana ho lasa mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainana

Tena feno fankasitrahana aho miaraka aminareo anio. Misaotra an’i Gaye (Strathearn) aho noho ilay vavaka fanokafana feno fitiavana nataony; Rahavavy Ellen Amatangelo, izay mikalo zavatra mahafinaritra foana hatrany eo amin’ny pianô; ary Rahalahy Kevin Oviatt amin’ny fikarakarana ny hira sy ity amboarampeo mahafinaritra ity. Misaotra anareo rehetra aho noho ny fandraisanao anjara.

Mahare aho fa misy ireo mpandika teny am-bava ary ity dia adika amin’ny fiteny samihafa, noho izany dia tsy aritro ny tsy hitantara zavatra mahatsikaiky iray izay tsy voatery hotantaraina mandritra ny fampitana mivantana satria tena sarotra adika. Tany Tempe, Arizona aho taona maro lasa izay, ka ny fizotran’io fihaonambe io, fihaonamben’ny tsatòka, dia nadikan’ny mpandika teny iray ho amin’ny fiteny Espaniôla izay any amin’ny efitra hafa, mampiasa fitaovana fifandraisana fatao amin’ny sofina. Saingy namelany hafatra teo amin’ny lampihazo aho. Raha nitsangana aho dia nahita izany, nilaza hoe: “Mba mitenena miadana azafady. Adika teny ianao.” [Mihomehy] Indrisy, tsy nahomby izany. Mila mihaino ahy ianareo izany anio alina.

Mamelà ahy hanomboka amin’ny filazana ny fankasitrahan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ary raha ny marina, ny an’ny Fiangonana iray manontolo—noho ny asa ataonareo amin’ireo mpianatsika manerana izao tontolo izao. Eo amin’ny lohalaharana ianareo amin’ny fametrahana sy ny fiarovana ny fototr’ity Fiangonana ity, ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, ho an’ny hoavy. Misaotra noho ny fanokanan-tenanareo. Mino tanteraka aho fa mitondra fiovana tena miavaka ny ezaka ataonareo.

Nanamafy hatrany ny maha-zava-dehibe ny fiezahana ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ary manamafy izany izahay, ohatra, amin’ny fomba hanofananay ireo mpitarika misiôna sy ireo mpitarika zatovolahy sy zatovovavy any an-toerana manerana ny Fiangonana. Manamafy izany izahay ao anatin’ireo lohahevitra asainay resahan’ireo Manampahefana Ambony rehefa mandeha mitety toerana izy ireo, ary ireo Mpiandraikitra Ambony ihany koa.

Mazava ho azy fa tena zava-dehibe ho antsika ato amin’ny sehatry ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana ihany koa ny fampivoarana ny maha mpianatry ny Mpamonjy mandritra ny androm-piainana. Ampianarina isika ao amin’ilay loharanom-pitaovana “Manamafy orina ny Fampianarana ny Filazantsara” hoe:

“Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara dia ny hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny avy amin’ny soratra masina sy ireo mpaminany maoderina amin’ny fomba izay hanampy ireo mpianatsika:

  1. Hampitombo finoana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy ny -drafiny lehibe,- …

  2. Ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana, manao fanekempihavanana sy izany, … [ary]

  3. Hanamafy ny fahaizan’izy ireo mahita valim-panontaniana, manaisotra ny fisalasalana, mamaly amim-pinoana, ary manome antony ananan’izy ireo ilay fanantenana ao anatiny na inona na inona olana mety hatrehany.”1

Mitovy amin’izany ihany, ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia milaza hoe: “Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady na tsy manambady, hanao izay hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa, ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.”

Ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana dia tena manan-danja ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Maneho ny fomba hanatonantsika an’i Kristy sy handraisantsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fahasoavany manavotra ny fotopampianaran’i Kristy. Mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanam-pinoana Aminy, hibebaka, hatao batisa ary handray ny Fanahy Masina isika. Kanefa mba hahafahan’ny Sorompanavotan’i Kristy mampisy fiantraikany feno sy manova ao amintsika dia mitaky antsika izany hitozo eo amin’ity lalan’ny fanekempihavanana ity, ilay lalan’ny maha mpianatr’i Kristy, mandrapahatapitry ny fiainantsika. Hoy i Nefia: “Ary nandre ny feo avy tamin’ny Ray aho, manao hoe: Eny, marina sy mahatoky ny tenin’ny Malalako. Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, fantatro araka izany, fa raha tsy maharitra hatramin’ny farany ny olona amin’ny fanarahana ny ohatry ny Zanak’ Ilay Andriamanitra velona dia tsy ho azo vonjena izy.”2

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao.” Izy ireo dia tsy hay tohaina sy be fanolorantena ary be herim-po.”3 Ahoana no ahatongavana ho mpianatra tahaka izany? Midika inona amintsika mpampianatra ny filazantsara izany? Ahoana no ahafahantsika mampianatra amin’ny fomba mahomby kokoa ka hahatonga ny zatovo sy ny tanorantsika ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana?

Androany hariva aho dia hanomboka amin’ny firesahana ny fomba hampitomboan’ny fampiasana ny fahafahana misafidin’ny tena manokana ny fiovampo sy hitondran’izany ho amin’ny maha-mpianatra mandritra ny androm-piainana. Avy eo aho dia hanasa antsika handinika ny fomba tokony hiantefan’ireo hevitra ireo amin’ny fomba ampianarantsika mpampianatra ny filazantsara, ka mifantoka amin’ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy mivantana ny mpianany. Dia hofaranako amin’ny fanamarihana mikasika ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fanomezana fahafahana misimisy kokoa ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany no hanampy azy ireo ihany koa hamaly ilay fiangavian’ny Filoha Nelson mba handray an-tanana ny fananan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona manokana.

Anjara asan’ny fahafahana misafidy amin’ny maha-mpianatry ny Tompo

Voalohany, ny anjara asan’ny fahafahana misafidy eo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Isan’ireo fanomezana manan-danja indrindra nomen’ Andriamanitra ny zanany ny safidim-pitondrantena. Io hery sy tombontsoa, ary andraikitra io, ny hanao zavatra avy amin’ny tenantsika, dia iankinan’ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Mifototra amin’izany ny fandrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Tsy ny hanao ny zavatra rehetra ho antsika no drafitr’ Andriamanitra fa ny hanome rafitra izay hamela antsika hanao ny safidintsika manokana mba hivoaran’ny isam-batana manokana. Nanan-danja lehibe tamin’ny fivoarantsika fony isika fanahy tany amin’ny lasa ny fahafahana misafidy, ary manan-danja lehibe amin’izay azontsika hahatongavana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana izany, amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay.

Fantatr’ilay fahavalo izany ary mikatsaka ny hanimba ny fahafahantsika misafidy izy. Vakintsika ao amin’ny Mosesy ny hoe:

“Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo …, azy, ary nikatsaka ny hanomezako azy koa ny heriko; tamin’ny alalan’ny fahefan’ny Lahitokako, dia nasaiko nazera ety ambany izy;

“Ary tonga Satana izy, eny dia ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feoko.”4

Ilay Ady tany An-danitra dia azo raisina raha ny marina ihany, ho toy ny ady mba hiarovana ny fahafaha-misafidin’ny olombelona. Ary mbola mitohy eto amin’ity tontolon’ny fiainana an-tany ity izany ady izany. Manafika ny fahafahana misafidy amin’ny sehatra roa farafahakeliny i Satana. Etsy andaniny dia manome hevitra amin’ireo fotopampianarana sy fihetsiketsehana ara-politika izay mampihena ny andraikitry ny tena manokana na mampiasa hery famoretana sy faneriterena izy. Nilaza ny Tompo, ohatra, fa ny antony voalohany nanaovany izay hanorenana ny Lalampanorenan’i Etazonia sy hihazonana izany dia “ho an’ny zo sy ny fiarovana ny nofo rehetra araka izay fitsipika marina … Hahazoan’ny olona tsirairay miasa araka ny fotopampianarana sy ny fitsipika … araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko anareo, ka ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany avy amin’ny andro fitsarana.”5 Avy eo Izy dia nilaza ohatra goavana amin’ny fanitsakitsahana ny fahafahana misafidy ka nanambara hoe: “Koa tsy rariny ny fisian’ny olona andevozin’ny olona hafa” 6 Ny drafitr’i Losifera dia efa karazana fanandevozana foana hatramin’izay.

Ilay zavatra iray hafa hifantohan’ny fanafihan’ilay fahavalo ny fahafahana misafidy dia manana heviny manokana ho antsika mpampianatra. Araka ny hita tao amin’ny soratra masina vao nolazaina teo, i Satana, “rain’ny lainga rehetra,” dia miasa mba “hamitaka sy hanajamba ny olona.”7 Lasa tsy misy dikany ny fahafahana misafidy raha tsy fantatsika ny marina sy ny tsy marina, ka noho izany dia tsy afaka manao safidy amim-pahalalana sy amim-paharanitan-tsaina isika. Ny fahamarinana no fanafan’ny fitaka. Nanambara ny Mpamonjy fa, “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.”8 Raha ny fahitako azy dia ho afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahadisoana no tiany holazaina, kanefa koa ho afaka hampihatra an-kalalahana ny fahafahantsika misafidy amim-pahatakarana, malalaka sy afaka manao safidy hendry. Eo isika mpampianatra ny tenin’ Andriamanitra no miditra an-tsehatra. Tsy afaka manana hery afa-tsy amin’izay olona tsy “mihaino ny [feon’ny Tompo]” i Satana. Nandefa ny Zanany Andriamanitra mba ho “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”9 Manome antsika mpaminany Izy mba hampianatra sy hitarika antsika ho amin’ny fahamarinana. Nomeny ny fanomezana ny Fanahy Masina hanamafy izany fahamarinana izany, ary ny anjara asantsika dia ny manampy ny mpianatra haheno sy hisafidy ny hanaiky fahamarinana.

Kanefa ny fahafahana misafidy ao anatin’ny sahan-kevitry ny fampianarana ny filazantsara dia mitaky dingana misimisy kokoa mihoatra ny fizarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Zava-dehibe ny hampianarantsika amin’ny fomba izay manasa ny mpianatra hampiasa ny fahafahany misafidy ao anatin’ny fizotry ny fianarana. Te hanampy azy ireo isika mba ho lasa mpandray anjara mavitrika ao anatin’ilay dingana ary handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana. Ny fampandehanana ny fahafahana misafidin’ny mpianatra mba hahatakarany fa andraikiny ny manao ny fianarany dia misy fiantraikany amin’ny fampitomboana finoana sy fijoroana ho vavolombelona maharitra. Rehefa manao izany izy ireo dia afaka ny ho tonga mpianatra mavitrik’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany. Hiresaka misimisy kokoa momba izany aho afaka kelikely eo, fa mamelà ahy hanampy fanamarihana eto izay mifandray amin’ireo fanekempihavanana.

Ny fanaovantsika safidy ho an’ny tenantsika manokana no isan’ireo antony nampifantoka fatratra ny Filoha Nelson tamin’ireo fanekempihavanana. Rehefa misafidy ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana isika dia manao safidy miavaka ataon’ny tena manokana mba hanara-dia ny Mpamonjy antsika. Manazava ny Filoha Nelson hoe:

“Mandritra ity fiainana ity dia afaka misafidy izay lalàna tiantsika hankatoavina isika—ireo ao amin’ny fanjakana selestialy, na ny terestrialy, na ny telestialy—ary noho izany, ao amin’ny fanjakam-boninahitra inona no hisy antsika mandrakizay. Ny safidy marina rehetra ataonareo eto dia hitondra tombontsoa lehibe amin’izao fotoana izao. Saingy ny safidy tsara eto amin’ny fiainana an-tany dia hitondra tombontsoa mandrakizay tsy hay takarina. Raha misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianareo ary mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ireo, dia manana ny fampanantenana ny amin’ny -voninahitra anampy eo ambony loha[nareo] mandrakizay mandrakizay.-”10

Noho izany dia mampitombo ny faharesen-dahatry ny tena manokana ny fanekena ho tompon’andraikitry ny vokatry ny safidy atao. Rehefa manao zavatra avy amin’ny tenantsika isika dia mety ho hitantsika tsy nahy fa tsy ampy ny halalin’ny finoantsika izay takina mba handresena ireo fanontaniana sy olan’ny fiainana sy hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana. Hoy ny Tompo:

“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.”11

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Io anjara asa fototra tanan’ny fahafahana misafidy io eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana dia misy fiantraikany amin’ny fomba ampianarantsika mpampianatra ny filazantsara. Mangataka ireo mpitarika misiôna izahay mba hahatsiaro izany rehefa manome fahafahana ireo misiônera hitarika ny asa fitoriana izy ireo. Mangataka ireo mpitarika ny zatovo izahay mba hanome fahafahana ny zatovo “[hitondra ny ziogan’ny]” fitarihana miaraka amin’ireo olon-dehibe mpanoro hevitra azy ireo. Ary mangataka anareo izahay ry mpampianatra ny filazantsara mba hampianatra amin’ny fomba izay manasa ny fanoloran-tena sy ny fandraisana andraikitra amin’ny fianaran’ny tena. Amin’ny tsirairay amin’ireo sehatra ireo dia rehefa omena fahafahana hihetsika fa tsy hetsehina ny tanora no mahomby indrindra ny fivoarana marina.

Mahatsiaro am-pifaliana ny fotoana naha-mpampianatra seminera vao maraina ahy aho. Nianarako avy tamin’ny zavatra niainako fa tena antso tokony ho tsiriritin’ny olona izany. Ny anankiroa tamin’ny taona naha-mpampianatra seminera ahy dia tao anatin’ny fotoana naha-mpianatra lalàna ahy. Raha naniry ny mpianatro hahazo traikefa aho mba hahatakatra hoe manao ahoana izany manana herim-po hiaina amim-pinoana izany, dia nanasa ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko aho, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana fa lehilahy tena mpino, mba handray fitenenana tao amin’ny kilasiko indray maraina izay. Nanana olana lehibe tamin’ny fahitana izay nitaky fitsaboana tsy tapaka sy naharary i Richard namako, ka alaivo sary an-tsaina fa tafiditra tao anatin’izany ny fisintonana ny voamasony hiala tao amin’ny taola-masony raha ny fizotry ny fitsaboana. Nitaky famakiana boky maro ny fianarana lalàna, kanefa tsy nahita tsara araka ny tokony ho izy mba hamakiany teny izy. Noho izany dia nanakarama mpianatra tao amin’ny ambaratonga voalohany izy mba hamaky teny ho azy ivelan’ny fotoam-pianarana isan’andro. Na dia teo aza ireo olana goavana ireo dia nahafinaritra sy tian’ireo mpianatra namany izy. Nitondra fitaomana tsara ho anay ny ohatra nasehony.

Koa dia notantarain’i Richard tao amin’ny kilasin’ny seminerako ny tantarany, isan’izany ny finoany an’ Andriamanitra sy ny nahatsapany fa mamaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Nanana fahafahana hahita sy handre azy mivantana ny mpianatra ary nametraka fanontaniana taminy. Nanokatra ny mason’izy ireo hahita ny herin’ny finoana eo amin’ny fiainana isan’andro sy ny mety ho dikan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo izany. Nanokatra, amin’ny ara-tsarinteny, ny mason’i Richard tamin’ny hatsaran’ireo mpianatro seminera sarobidy ihany koa izany. (Ny zavatra iray nanaitra azy dia ny nahita zatovo mamonjy kilasy amin’ny 6 ora maraina.)

Diniho izao ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy. Tsy vitan’ny hoe nilaza tamin’ny mpianany ny zavatra tokony hataon’izy ireo fotsiny i Jesoa, na nanao ny zavatra rehetra ho azy ireo. Nampianatra tamin’ny fomba izay nitaky azy ireo hieritreritra, handray anjara, hifanakalo hevitra ary hampihatra ny fampianarany Izy. Noho izany, rehefa tsy niaraka tamin’ireo mpianany mivantana intsony ny Mpamonjy dia vonona kokoa izy ireo ny handray sy hotarihin’ny Fanahy Masina mba hanao zavatra samirery.12 Mamaky isika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy hoe: “Mety ho tena nahatalanjona ny nijery ny Mpamonjy nandeha teo ambonin’ny rano. Tsy ampy anefa izany ho an’i Petera. Te hanao [sy nila nanao] izay nataon’ny Mpamonjy izy, ny ho eny amin’izay nisy Azy, ary hiaina izany zavatra izany mihitsy.”13 Mazava ho azy fa nidika ihany koa izany hoe hanao fahadisoana i Petera, kanefa ny Mpamonjy dia nanome fahafahana ho an’i Petera, ary ho antsika ihany koa, hanao asa sy hohatanjahina tamin’ny alalan’ny ezaka nataony, ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahombiazany.14

Mba hamoronana ireo karazana fahafahana hianatra ireo ho an’ny mpianany, dia nahita fomba hanampiana azy ireo handray andraikitra tamin’ny fianarany manokana ny Mpamonjy. Mandiniha fomba telo monja izay nampandraisan’ny Mpamonjy anjara ny mpianany: (1) hisintona lesona avy amin’ny fanoharana, (2) hametraka fanontaniana nentanim-panahy, ary (3) hanolotra fanasana manokana ho an’ny isam-batan’olona.

Misintona lesona avy amin’ny fanoharana. Fanamarihana iray avy momba ireo zavatra tsirairay avy ireo. Voalohany, ny fanoharana. Eritrereto ny fampiasan’i Kristy fanoharana. Ho solon’ny firosoana avy hatrany amin’ny fanazavana na ny filazana avy hatrany foana ny lesona, dia matetika ny Mpamonjy no nanasa ireo mpanara-dia Azy handinika ny hevitra lalina kokoa nofonosin’ny zavatra nampianariny. Nitaky ezaka avy tamin’izy ireo izany. Afaka mieritreritra ireo fomba nampatanjahana ny fahatakarako ny fankatoavana aho tamin’ny alalan’ny fandalinana ny fanoharana momba ilay Mpamafy.15 Nahatakatra tsara kokoa ny famelan-keloka aho tamin’ny alalan’ny fandalinana momba ilay zanaka adala.16 Ny faniriako hahatsapa sy haneho fiantrana amin’ny rehetra dia nitombo tamin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy.17

Mitovy amin’izany ihany, lasa mpianatra sy mpitarika tsara kokoa aho rehefa nisaintsaina ny fitantanan-draharaha araka izay resahina ao amin’ilay fanoharana momba ny talenta.18 Isan’ireo zavatra tonga tao an-tsaiko rehefa nisaintsaina io fanoharana io ny hoe ireo mpanompo roa voalohany, ilay iray izay nahazo talenta dimy sy ilay iray hafa izay nahazo roa, samy nampitombo ny talentany avy, dia nandray dera sy valisoa mitovy na dia samy hafa aza ny isan’ny talenta azon’izy ireo. Ilay voalohany nanana talenta dimy dia nampitombo ho lasa avy roa heny ka lasa folo, ary ilay faharoa, izay nanomboka tamin’ny anankiroa dia nampitombo ho lasa efatra. Kanefa samy nahazo valin-teny mitovy avy tamin’ny tompony izy ireo hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.”19 Ho ahy dia midika izany fa tsy voatery ho eo amin’ny toeram-pahombiazana mitovy sy hivoatra araka ny fandaharam-potoana mitovy daholo isika rehefa hijinja ny fitahian’ny Tompo ary ny fanomezana ny fiainana mandrakizay amin’ny farany. Mila manana fahazotoana fotsiny amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaizana ary fahafahana ananantsika isika. Mino aho fa na ilay mpanompo nanana talenta iray aza, raha niasa sy nanompo mba hahazoany talenta iray faharoa fa tsy nanafina ny talentany, dia ho nahazo ihany koa valisoa mitovy amin’izay nomena ireo rahalahiny roa. Mampianatra ireo mpitarika sy ireo olona hafa aho fa raha manao izay azony atao fotsiny izy ireo dia hampitombo sy hamaly soa ny ezaka ataon’izy ireo ny Tompo ary handray ny fahafenoan’ny fitahiany izy ireo rehefa tonga ny fotoana.

Mametraka fanontaniana nentanim-panahy. Raha ny mahakasika ny fametrahana fanontaniana nentanim-panahy, dia nampianatra toy izany ihany koa ny Mpamonjy. Ohatra hoe rehefa nanontany ireo mpianany Izy: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Tena mazava fa nahafantatra tamin’ny fomba mazava sy lalina kokoa ny valin’izany noho ireo mpianany Izy, kanefa namela an’i Petera hanana fahafahana hisaintsaina ary avy eo hamaly samirery ilay fanontaniana Izy. Nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona nananany ny zavatra nolazain’i Petera rehefa nanambara izy hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.”20 Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nametraka fanontaniana hafa tamin’i Petera tao anatin’ny fotoana telo samy hafa ny Mpamonjy hoe: “Simona zanak’i Jaona, moa tia Ahy va hianao?” Namaly foana i Petera hoe: “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho.” Fa tamin’io indray mitoraka io ilay fanontaniana dia namela ny Mpamonjy hampianatra an’i Petera tamin’ny famaliana isaky ny mandeha hoe: “Fahano ary ny ondriko.”21

Manolotra fanasana. Farany, ny fanolorana fanasana. Nisy fotoana, fotoana hafa namalian’ny Mpamonjy ny fanontaniana izay napetrany, fa tamin’ny fomba izay toy ny fanasana. Raha niresaka tamin’ireo mpianany tao amin’ny ilabolantany andrefana ny Mpamonjy dia nanontany hoe: “Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Avy hatrany Izy avy eo dia namaly hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”22 Afaka mieritreritra fanasana manan-danja hafa avy amin’ny Mpamonjy isika. Diniho ohatra ilay fanasany manao hoe “Avia, manaraha Ahy.” Indraindray ny fanasany dia voalaza miaraka amin’ny fampanantenana—ary miaraka amin’ny fampanantenana hatrany izy ireny. Ohatra, ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manasa antsika ny Tompo hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.”23 Ao amin’ireo fanasana rehetra ataon’ny Mpamonjy dia manome fahafahana ireo mpianany hanao asa sy hieritreritra ary handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo sy ny fivoaran’izy ireo Izy.

Midika inona izany ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara

Tany amin’ny fiandohan’ity taona ity dia nanolotra fanasana tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiotantsika ny Loholona Clark Gilbert mba hinia hitady fomba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanao asa sy handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Nisintona lesona mivantana avy tao amin’ilay fizarana ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izay mitondra ny lohateny hoe “Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana” izy.24 Hitako ho manan-danja fa ny lohatenin’io fizarana io dia mifantoka amin’ny fianarana fa tsy amin’ny fampianarana. Ho ahy izany dia fampahatsiahivana fa ny mpampianatra mahomby dia manasa ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana. Ary rehefa mampianatra amin’ny fomba izay manasa fotsiny ihany ny fihainoana isika ary tsy miraharaha ny fampandraisana anjara mavitrika ny mpianatra, dia hatahorana ny hanehoantsika amin’ny mpianatra fa ny fampianarantsika no omentsika lanja ambonin’ny fianaran’izy ireo.

Ampahatsiahivina isika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy fa ny fanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana dia mitaky ny hanampiantsika ny mpianatra ho lasa tompon’andraikitra ao anatin’ny fizotry ny fianaran’izy ireo manokana. Misy fomba maro mety hisehoan’izany, kanefa mamelà ahy hanamafy ny telo amin’izany farafahakeliny avy ao amin’izany fitaovana fampianarana izany.

  • Voalohany, afaka mamorona fahafahana hianatra isika izay “hanasantsika ny mpianatra hiomana hianatra.” Afaka ny hitranga izany amin’ny alalan’ireo fanomezana zavatra vakina mialoha, ireo fanontaniana fandalinana, ary ny fanasana ho an’olona manokana.

  • Faharoa, tokony “hamporisika ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany”. Maro tokoa ny fomba azo hanaovana izany, ary hahita fomba namboarinareo manokana izay hahomby ho anareo sy ny mpianatrareo ianareo tsirairay avy. Fony aho tao amin’ny sekoly fianarana lalàna dia matetika aho no nianatra tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe fomban’i Socrate, izay nanampian’ny mpampianatra ny mpianatra hanadihady raharaha ara-pitsarana iray tamin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hirotsaka ao amin’ilay lesona amin’ny alalan’ny andiam-panontaniana noforonina tamim-pisainana tsara. Tsy maintsy tonga tao an-dakilasy efa vonona ny hilaza ny hevitray manokana sy hihaino ny hafa izahay. Efa nahita mpampianatra institiota nanome fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra voarafitra tsara tao an-dakilasy aho, ary izany dia mitaky mpampianatra efa nanomana tsara mampandray anjara mpianatra efa nanomana tsara ao anatin’ny fanahin’ny fikatsahana sy ny fifampiresahana. Fantatro fa toy izany foana ny ao amin’ny kilasinareo. Miomana tsara foana ny mpianatra. Miomana tsara foana ny mpampianatra. Saingy izay no fanasana.

  • Fahatelo dia tokony “hanasa ny mpianatra hiaina ny zavatra ianaran’izy ireo” (nampiana sora-mandry).25 Tokony hitady foana fomba hanasana ny mpianatra hampihatra ny zavatra ianarany eo amin’ny fiainany isika. Izany dia afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny fanasana omena ny olona manokana, ny fanaovana fanazaran-tena hisaintsaina, ary ny ezaka maro hafa amin’ny fanampiana ny mpianatra hiova sy ho lasa mitovy kokoa amin’i Kristy, ao amin’i Kristy.

Ireo ezaka amin’ny fiomanana sy fizarana ary fampiharana ireo dia mila fandinihana ary indraindray mety hitaky asa misimisy kokoa avy amin’ny mpampianatra. Mety ho marina izany indrindra fa amin’ireo ezaka ataontsika hanampy ny mpianatra hifampizara sy hifampianatra. Tsy midika izany hoe tsy asiana ireo toe-javatra kendrena izay hitenenantsika mivantana sy irery, indrindra fa rehefa manamafy hafatra manan-danja na mampita fitsipika fototra isika. Ny fivoriana anio hariva dia ohatra iray amin’izany hafatra fototra hampitana izany. Fa mila jerena avy eo hoe hatraiza ny fahatakarana io hafatra io amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana tsy tapaka misimisy kokoa ho antsika rehetra handray anjara mavitrika ao amin’ny fizotry ny fianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra ianarantsika sy amin’ny alalan’ny fampiharana izany fianarana izany amin’ny fampianarantsika manokana.

Manantena aho fa nekenareo ny fiomanana nasainay nataonareo mialoha ity takariva ity tamin’ireo fanontaniana fandalinana sy ny fitaovana nasaina novakina izay nozaraina mialoha. Rahampitso sy mandritra ireo herinandro manaraka dia hanasa anareo izahay hifanakalo hevitra amin’ireo mpiara-miasa aminareo sy ireo namanareo momba ny zavatra ianaranareo mikasika ny fampianarana amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Hangataka anareo ihany koa izahay mba hamantatra ireo sehatra izay ahafahanareo mampatanjaka ny fomba fampianaranareo manokana miainga avy amin’ny hafatra nozaraina androany hariva sy ireo loharanom-pitaovana fampianarana hafa izay hozaraina rahampitso.

Mamelà ahy hamarana hatreo ny amin’iny ary hampahafantatra loharanom-pitaovana fampianarana iray hafa izay mendrika ny hohalalinina, na dia nosoratana ho an’ny sokajin’olona hafa aza izany. Ny toko faha 10 ao amin’ny boky torolalan’ny misiônera, ny Torio ny Filazantsarako no tiako holazaina. Io toko io dia mitondra ny lohateny hoe: “Mampianatra mba hanorina finoana an’i Jesoa Kristy.” Ny fampianaran’ny misiônera, mazava ho azy, no fitaovana tsara indrindra hanampiana ny olona hampavitrika sy hanova ny fiainany amin’ny alalan’ny fampiasana ny safidim-pitondrantenany. Ny tanjona dia ny fiovampo amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fahasoavan’i Kristy izay mitondra mankamin’ny maha-mpianatr’i Kristy mandritra ny androm-piainana. Tanjontsika ihany koa ato amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ihany koa izany, mazava ho azy. Izany no mahatonga ahy hilaza fa afaka mahazo hevi-baovao avy amin’io loharanom-pitaovana io ihany koa sy ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ianareo. Mazava ho azy fa misy zavatra mitovy betsaka ao amin’ireo boky torolalana roa ireo, kanefa ny famakiana zavatra izay mety haneho fitsipika na hevitra iray amin’ny fomba samy hafa kely dia mety hitondra fomba fijery vaovao na fahatakarana lalina kokoa indraindray. Ny fanontaniana sasany resahina ao amin’ny toko faha 10 amin’ny Torio ny Filazantsarako dia ny hoe “Ahoana no ahafahako mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?” “Ahoana no ahafahako mampianatra avy amin’ny soratra masina?” “Ahoana no tokony hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako rehefa mampianatra?” “Ahoana no ahafahako manomana sy manitsy ny fampianarako mba hanomezana izay ilain’ny olona?” ary “Ahoana no ahafahako mametraka fanontaniana tsara kokoa sy ho tonga mpihaino tsara kokoa?” Tiako ho fantatrareo fa tsy nokaramaina aho akory hilaza ny fankatoavana izany.

Manampy ny mpianatra handray an-tanana ny hananany fijoroana ho vavolombelona manokana

Farany, momba ny fanampiana ny mpianatra handray an-tanana ny hananany fijoroana ho vavolombelona manokana. Ny fanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana dia fototry ny fiezahana ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana satria manampy ny mpianatra handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo izany, araka ny efa voalazantsika. Isan’ireo fomba namporisihan’ny Filoha Nelson handraisantsika andraikitra amin’ny fivoarantsika manokana ny fanasana natolony an’ireo tanora mba handray an-tanana ny hananany fijoroana ho vavolombelona manokana. Nandritra ny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora izay nataony tamin’ny 2022, dia hoy ny Filoha Nelson:

“Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo. Manaova vavaka isan’andro, amin-kafanam-po, ary amim-panetrentena. Fahano amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny fanahinareo. Angataho ny Tompo mba hampianatra anareo ny fomba hihainoana Azy tsara kokoa. Mandania fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly sy amin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana. Rehefa manao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”26

Naverin’ny Filoha Nelson tamin’ny Fiangonana iray manontolo io fiangaviana io tamin’ny lahateny nataony tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022 izay mitondra ny lohateny hoe “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana.”27

Rehefa niresaka tamin’ireo tanora ny Filoha Nelson dia nametraka andiam-panontaniana hoe: “Te hahatsapa fiadanana mahakasika ireo olana mampahory anao ankehitriny ve ianao? Te hahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa Kristy ve ianao? Te hianatra ny fomba ahafahan’ny heriny masina manasitrana ny ratranao sy ny fahalemenao ve ianao? Te hiaina ilay hery mamy sy mampitony avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy miasa eo amin’ny fiainanao ve ianao? Mitaky ezaka—ezaka mafy ny fikatsahana ny hamaly an’ireo fanontaniana ireo.”28 Nomeny rariny ireo zavatra mampiahiahy ny mpianatra tamin’ny fitenenany hoe: “Raha manana fanontaniana ianareo, ary manantena aho fa manana ianareo, dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino. Ianaro izay rehetra azonareo hianarana momba ny filazantsara ary makà antoka fa ianareo dia hitodika any amin’ireo loharano feno fahamarinana mba hahazoana fitarihana.”

Izany no dikan’ny hoe manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana, ary izany no takina amintsika mba hanasana ny mpianatsika handray an-tanana ny hananan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona manokana. Izany fandraisana andraikitra amin’ny fianaran’ny tena manokana izany dia mila tohanana amin’ny fomba handrafetantsika ny fampianarantsika, mba hananan’ny mpianatra fahafahana hirotsaka amin’ny fianarana lalina sy matotra ilaina mba hahafahana ho lasa mpianatry ny Tompo marina. Saintsaino indray ny fanasan’ny mpaminany hoe “Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany.” Moa ve ny efitrano fianarantsika manasa io karazana fanoloran-tena ataon’ny tena manokana io mba hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona sy ny toetran’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy? Moa ve misy fomba azontsika tsirairay avy hanatrarana, na hanatsarana ireo ezaka ataontsika mba hanatrarana sy hanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana?

Teny famaranana

Androany hariva aho dia nanomboka tamin’ny famerenana nilaza ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara ato amin’ny Fiangonana, isan’izany ny filàna manampy ny mpianatsika:

  1. “Hampitombo finoana ny Ray any An-danitra sy ny -drafiny lehibe- sy fijoroana ho vavolombelona momba izany …

  2. Ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana, izay manao fanekempihavanana sy mitandrina izany, … [ary]

  3. Hampitombo ny fahaizan’izy ireo mahita valim-panontaniana, manaisotra ny fisalasalana, mamaly amim-pinoana, ary manome ny antony ananan’izy ireo ilay fanantenana ao anatiny na inona na inona olana mety hatrehany.”29

Rehefa manampy ny mpianatra hampiasa ny fahafahana misafidiny manokana isika dia hihalalina ny fiovam-pon’izy ireo ka hitondra azy ireo mankany amin’ny maha-mpianaty ny Tompo mandritra ny androm-piainana. Tamin’ny ôktôbra farany teo dia nilaza ny Filoha Nelson hoe, “Izao no fotoana tokony hanaovantsika ho laharampahamehana ambony indrindra ny maha-mpianatry ny Tompo antsika.”30 Dia nampiany hoe, “Tsy misy izany hoe aloha loatra na tara loatra izany ho anao mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena.”31 Andao isika hanao asa amim-pahavitrihana dieny izao mba tsy ho tara loatra. Izao no fotoana hoy izy. Mampihetsi-po kokoa ahy hatrany ilay fampitandremana nataon’i Paoly rahalahiko, ny fiangaviany omban’ny fampitandremana tamin’ireo loholona tao Efesaosy hoe:

“Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ràny.

“Fantaro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.

“Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.”32

Ireo mpianatra izay mahatonga antsika ho “mpitandrina” araka ny tenin’i Paoly dia sarobidy fatratra, novodina tamin’ny ràn’ny Mpamonjy. Nomena andraikitra isika hanome ohatry ny fahatokiana sy hamahana ary hampatanjaka azy ireo hiady amin’ny “amboadia masiaka” izay mety ho sendra azy ireo any ivelan’ny Fiangonana ary na ao anatin’ny Fiangonana mihitsy aza—araka ny voalazan’i Paoly hoe “avy amintsika”—izay milaza zavatra diso ary mikatsaka ny hanao izay hahatonga azy ireo ho mpianatr’izy ireo fa tsy ho mpianatr’ilay Mpampianatra. Tsy maintsy manampy azy ireo isika hianatra fahamarinana, hampiasa amim-pahendrena ny fahafahana misafidy, ary ambonin’izany rehetra izany, ny fitiavana lalina sy mitoetra an’ny Ray sy ny Zanaka.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy malalantsika ary ny drafitry ny fanavotany aho. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona tokoa ny Zanany Lahitokana, dia i Jesoa, ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty, izay mipetraka eo ankavanan’ny Ray, izay nangatahany ny zony mba hamindra fo amin’ny zanak’olombelona.33 Sahy milaza miaraka amin’i Môrmôna aho fa izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy34 ary mikatsaka ny ho mpianatr’i Kristy mandra-pahafatiko. Enga anie isika tsirairay avy mba hatanjahina ao amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika manokana sy amin’ny ezaka ataontsika mba hanampy olona maro araka izay azontsika atao mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena sy mandritra ny androm-piainana.

Hitahy anareo anie Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.