Ny ho mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainana no tanjontsika
Ny fiantraikan’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba tsara
Fihaonambe fampaherezam-panahy ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana, 12 jona 2025
Avy any Tennessee aho, ivon’ny Bible Belt, izay faritra be olona mafana-fo amin’ny fivavahana Kristiana, ary fony aho tany amin’ny lisea dia mpikambana tao amin’ny fikambanana iray antsoina hoe The Fellowship of Christian Athletes (Ny firaisankinan’ireo Atleta Kristiana). Tsy ampoizinareo raha ny fijery ahy amin’izao, fa tamin’izany andro izany aho dia atleta nahavita azy ary tena tsara bika. Taona vitsivitsy lasa izay dia nandefasan’ny reniko sariko tany amin’ny lisea ny vadiko raha mbola feno volo ny lohako ary bokona ihany aho. Niaraka tamin’ilay sary ny hafatra fampiononana avy amin’ny reniko ho an’ny vadiko izay milaza hoe: “Toy izao no azonao andraindraina amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.”
Ilay firaisankinan’ireo Atleta Kristiana dia fikambanana nanana ary mbola manana tanjona tena tsara. Fianakaviambe ana atleta avy amina antokom-pinoana samihafa izay nanana finoana an’i Kristy niombonana izany. Tany amin’ny fiafaran’ny taona voalohany dia lany filohan’ny fikambanan’ny mpianatry ny lisea aho ho an’ny taona nanaraka izay, dia ny taona famaranana izany.
Ny anarako, mbamin’ny an’ny fiangonana ivavahako, dia nalefa tany amin’ny foiben’ny faritra mba holaniana ho ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Fotoana elaela kely taorian’izay dia nisy hafatra novaliana tany amin’ny mpanohana ny sampam-pianaranay hoe mila anarana vaovao halefa. Nilaza tamiko ilay mpanohana anay fa nolazaina azy hoe tsy afaka ny ho filoha aho satria tsy mandray ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho Kristianina izy ireo. Tsy mbola nosedraina mafy toy izany ny finoako.
Nisy filoha vaovao nofidiana saingy afaka volana vitsivitsy dia nandre aho fa nisy solontenan’ny Fiangonana niresaka tamin’ny Firaisankinan’ireo Atleta Kristiana, koa dia nivaha ilay olana. Nanohy nandray anjara mavitrika tao amin’ilay vondrona aho noho ireo olona tena tsara izay tao.
Any am-paran’ny taom-pianarana tsirairay avy dia mifidy atleta mendrika indrindra ho an’ny taona ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny lisea tsirairay avy, ary tany am-paran’ny taona famaranako dia nofidian’ireo fikambanana ho “Ny atleta mendrika indrindran’ny Firaisankinan’ireo Atleta Kristiana” aho. Tsoriko fa tsapako ho rariny loatra izany. Ny taona talohan’izay dia tsy nekena ho Kristianina akory aho, kanefa izao dia azoko ny lokan’izy ireo.
Ny anarako, mbamin’ny an’ny fiangonana ivavahako, dia nalefa tany amin’ny foiben’ny faritra ho ny atleta mendrika indrindra nandritra ny taona tao amin’ny liseako. Saingy mbola nisy ihany ny hafatra novaliana tany amin’ny mpanohana ny sampam-pianaranay hoe mila anarana vaovao halefa izy ireo. Toa mbola tsy nivaha indray ilay olana.
Ilay mpanohana anay, izay mpanazatra ahy ho an’ny taranja baolina sy tolona, dia nilaza tamiko ny nangatahany olona avy amin’ny biraon’ny faritra hihaona amiko ao amin’ny liseanay mba hanazava ny fanapahan-kevitra izay tsy notohanany.
Lehilahy tena mahafinaritra sy tsara sitrapo no tonga nihaona tamiko. Nihaona tao amin’ny efitrano fampianaran’ilay mpanazatra ahy nandritra ny fotoana tsy naha tao azy izahay. Nanazava ilay lehilahy fa tiany ho takatro ny antony tsy andraisana ireo mpikamban’ny Fiangonantsika ho Kristianina.
Namoaka taratasy avy tao amin’ny kitapony izy. Tao amin’ilay taratasy dia nisy teboka 10 ao amin’ny fotopampianarantsika izay lazainy fa tsy mifanaraka amin’ny famaritan’izy ireo ny hoe Kristiana. Mety tsy zoviana aminareo ireo teboka ireo: Ny finoantsika fa Olona samy hafa Ny Andriamanitra, ny fisian’ny soratra masina hafa ankoatra ny Baiboly, sy ny sisa sy ny sisa.
Nizara ireo teboka ireo izy ary tena tsara fanahy be mihitsy—ary te hilaza mihitsy ary aho hoe Kristianina. Lehilahy tsara izy, saingy diso hevitra fotsiny. Nosokafany ny kitapony ary nampiriminy ny taratasiny dia nanontaniany tamin-kitsimpo aho raha toa ka nanana fanontaniana.
“Eny, tena manana aho,” hoy aho. “Baiboly ve io hitako ao amin’ny kitaponao io?” hoy aho.
Novaliany hoe: “Eny.”
Nilaza aho: “Afaka mijery soratra masina ao anatiny ve isika?”
Hiteny aminareo aho izao fa nanana mpampianatra seminera tena nahay aho. Ary tena hainay mihitsy ilay kilalao fizahana soratra masina iny. Tamin’izany andro izany dia nisy efapolo ireo soratra masina fifehezana soratra masina isan-taona, ary isaky Zoma tao amin’ny kilasinay dia mihinana dônaty izahay sady manao fizahana soratra masina, ary tena tia fifaninanana nihoatra noho ny tokony ho izy aho. Tsy vitan’ny hoe asiako marika menamena ny andinin-tsoratra masina hofehezina fa haiko koa, ary mahamenatra ahy ny milaza an’ity, fa raha aforiporitro ireo pejy misy andinin-tsoratra masina hofehezina, dia mora kokoa ny mankany amin’izy ireo. Ary nialoha ny fifaninanana fizahana soratra masina teo anivon’ny tsatòka tamin’izany dia andrarahako talc ireo pejy. Raha iny akaikikaikin’ny soratra masiko iny aho dia toa ny hoe manapoaka ny rantsan-tanako fotsiny aho dia misokatra amina andinin-tsoratra masina hofehezina ny soratra masiko.
Tsara fanahy ilay rangaha ka nizara ny Baiboliny tamiko, izay marihako fa tsy nasiana marika ho an’ny fizahana soratra masina. Nankao ao amin’ny Matio 3, Asan’ny Apostoly 7, 1 Tantara 29, ary hafa izahay. Nihaino tamin-katsaram-panahy tokoa aloha izy e. Tsy niova ilay fanapahan-kevitra, saingy izaho no niova.
Tsy hay hoe nahoana fa raha nijery ireo soratra masina ireo aho dia nahatsapa ny fahamarinan’izy ireo lalina kokoa noho ny hatrizay. Indraindray ny fijoroana ho vavolombelona dia aorian’ny fisedrana vao tonga.1 Tsy io traikefa io no niavian’ny fijoroana ho vavolombelona ananako; mahalana ny tranga tokana no miteraka finoana maharitra. Saingy traikefa iray teo anivon’ny maro izay nitondra fijoroana ho vavolombelona nihanitombo elaela iny.
Tena feno fankasitrahana aho noho ireo mpampianatra seminerako vao maraina izay nanampy ahy hanorina fototra iorenana. Na dia eo aza ny fanirian’izy ireo ny handresen’ny paroasinay ilay fifaninanana fizahana soratra masina, dia nirian’izy ireo fatratra kokoa ny hanampy anay ho lasa mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainanay. Nanova ny fiainako izy ireo. Manantena aho fa mandritra ireo fotoana mangina hisaintsainanareo momba ny fampianaranareo dia hohitanareo ny fiantraikany mahery vaika hoentinareo eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianarinareo.
Mahatalanjona ity taranaka vao misondrotra ity. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra, dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny taranaka vao misondrotra dia mamaly ny antso ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy.”2 Nolazainy azy ireo tamin’ny fotoana iray hafa fa “Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary [hitondra fiantraikany] kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo.” 3 Mba hahatrarana izany fahafahana izany dia mila mpampianatra ny filazantsara mahay sy zavatra hafa izy ireo.
Feno finoana izy ireo saingy “ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’ Andriamanitra.”4 “Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?” 5 Mahatakatra lavitra ny filazantsara mihoatra noho ny taranaka teo alohany izy ireo, saingy “moa va fantatr’[izy ireo] izay vakin’[izy ireo] … raha tsy misy [mpampianatra izy] ireo?”6
Nanoratra ho an’ny Korintiana i Paoly hoe: “Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia ny fahagagana.”7 Noho izany ianareo dia eo anelanelan’ny apôstôly sy mpaminany ary ny fahagagana ka manana anjara asa manan-danja eo anatrehan’ny halehiben’izao vanim-potoana izao sy ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.8
Ny ho mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainantsika no tanjona
Tao amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson omaly alina, ny lahateniny dia sady natombony no nofaranany tamin’ny famerenana indray ireo tanjon’ny fampianarana ara-pivavahana ato amin’ny Fiangonana. Nanaitra ahy ny namerenany sy ny fanantitranterany ny fanampiana ny mpianatra ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainan’izy ireo. Toa naniry mafy izy ny hampahatsiahy antsika ny zavatra antenaintsika hotratrarina amin’ny fampianarantsika.
Enim-bolana monja taorian’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia niresaka teto amin’ity anjerimanontolo ity nandritra ny fampaherezam-panahy amin’ny andro alahady i Russell M. Nelson izay Loholona tamin’izany. Nankahery sy nifono fahatakarana tokoa ny hafany, saingy ny lohatenin’izany no tiako hasongadina. Natombony toy izao izany: “Ny lohateny omeko ny lahateniko dia hoe: -Atombohy miaraka amin’ny tanjona farany ao an-tsaina.-” Dia nohazavainy avy eo hoe: “Inoako angamba fa anisan’ny nahatonga izany dia noho izaho niasa tao amin’ny tontolon’ny fandidiana. Ny fandidiana faritra manokana iray dia tsy ho atao velively raha tsy efa misy drafitra momba ny fanakatonana ilay fery. Amin’ny ankapobeny dia mihatra amin’ny sehatra rehetra izany fitsipika izany. Ny mpihazakazaka tena sangany dia tsy manomboka hazakazaka raha tsy mahafantatra ny toerana misy ny tsipika fahatongavana.” 9
Ny fihazonana ny fiafarana ao an-tsaina—mahafantatra hoe aiza no misy ilay tsipika fahatongavana ary mahatakatra ny tanjona faratampony—dia manan-danja foana, saingy manan-danja indrindra indrindra eo amin’ny fampianarana ny filazantsara. Rehefa mijanona ho mifantoka amin’izany tanjona masina izany isika dia azo inoana fa tena hahatratra izany.
Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanantitrantitra fa: “Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara … dia tsy ny -handrotsaka fampahalalana- ao an-tsain’ireo mpianatra. … Ny tanjona dia ny hitaona ilay olona hieritreritra sy hahatsapa ary avy eo hanao zavatra mba hiainana ireo fitsipiky ny filazantsara.” 10
Araka ny voalaza ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany: “Mampianatra ny filazantsara isika mba hanampiana ny olona hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mikatsaka hanampy ny olona isika mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa, sy handray ny heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo ary hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.”11
Efa manao izany amin’ny fomba mahatalanjona ianareo. Hitanay fa tena mitondra fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny taranaka vao misondrotra ianareo. Betsaka kokoa no mandray anjara amin’ny seminera sy institiota, betsaka kokoa no mandeha mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, betsaka kokoa no manompo any amin’ny tempoly, betsaka kokoa no lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana.
Tsotra ny fanasako anio: tohizo ny faniriana tena hampianatra ka ny tanjona dia ny haha-mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainana. Jereo araka izany tanjona izany ny zavatra rehetra. Tombatombano matetika ny zavatra ampianarinao, ny fomba fampianaranao, ary na dia ireo zavatra hanaovanao fitsapam-pahaizana aza. Aza ny zavatra anampianao azy ireo mba ho fantatra ihany no hanaovana tombana fa tombano ihany koa ny zavatra anentananao azy ireo mba hataony sy ny hoe lasa olona toy ny ahoana izy ireo. Mampianara omban’ny fikasana hanampy azy ireo ho lasa “olom-baovao”12 ao amin’i Kristy.
Fanontaniana vitsy hosaintsainina: Inona no fiantraikan’ny zavatra ampianariko sy ny fomba fampianarako amin’ny fahatsapan’ny mpianatro momba ireo fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly? Moa ve ny fampianarako manorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina? Moa ve izany mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminany sy apôstôly velona? Moa ve izany mampatanjaka ny fahavononan’ny mpianatra hitandrina ireo didy sy hibebaka isan’andro?
Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana
Raha ny haha-mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainana no tanjontsika dia tsy maintsy “mandinika ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy” isika, araka ny nanasan’ny Loholona Christofferson mba hataontsika. Manan-danja ny fomba fampianarantsika.
Tsaroanareo angamba ny fampianaran’ny Filoha Boyd K. Packer momba ny “fomba fampianarana” tany amin’ny fihaonambem-paritra ho an’ny misiônera fony izy filohan’ny misiôna. Nanamboatra mofomamy misy ambaratonga telo Rahavavy Packer, izay voaravaka tamin’ny fomba kanto tamina crème maro loko. Nosoratany nanodidina ny tampony ny teny hoe: “Ny filazantsara”.
Rehefa tafavory ny misiônera dia naroso tamin’ny fomba manetriketrika ilay mofomamy. Nohamarinin’ny Filoha Packer fa maneho ny filazantsara ilay mofomamy. Dia nanontany izy avy eo hoe: “Te hahazo amin’izany ve ianareo?”
Tsy sarotra angamba ny mahita misiônera te hihinana mofomamy izany. Nantsoina nandroso teny anoloana ny misiônera terem-panahy iray izay tsy nanam-po na inona na inona. Avy eo dia nalain’ny Filoha Packer ny tanany dia narobony tao an-tampon’ilay mofomamy ary nakany ampahany lehibe. Naforiny ny totohondriny mba hivoaka anelanelan’ny rantsan-tanany ny crème. Ary avy eo dia natsipiny tany amin’ilay elder izay gaga tanteraka ilay ampahana mofomamy, ka dia niporitika nidina ny kômpleny ny crème.
Taorian’ny fihatoana kely mba handinihana ny zava-nitranga dia nitodika tany amin’ny misiônera hafa ambiny izy ary nanontany raha toa ka mbola misy te hahazo mofomamy amin’izy ireo. Dia nilaza izy hoe: “Nahagaga fa tsisy te hahazo.”
Avy eo dia namoaka lovia bakoly, sotro volafotsy, lamban-databatra vita amin’ny hariry, ary antsy volafotsy tsara tarehy fandidiana sakafo izy. Nankeo amin’ilay mofomamy izy. Ary tamin’ny fomba feno fanajana be no nandidiany tamim-pitandremana ampahany avy amin’ilay ilany hafa, izay napetrany teo amin’ilay lovia bakoly, dia nanontany izy hoe: “Misy te hihinana mofomamy ve aminareo?”
Nanazava ny Filoha Packer hoe: “Mazava be angamba ilay lesona. Mofomamy iray foana ilay izy tamin’ireo tranga roa ireo, tsiro mitovy, hotrikaina mitovy. Ny fomba nandrosoana ilay izy no nahatonga izany ho mahaliana, mahasarika mihitsy aza, na tsy mahaliana, mahatsiravina mihitsy aza.” Nampahatsiahiviny ny misiônera fa maneho ny filazantsara ilay mofomamy ary nanontaniany azy ireo ny fomba androsoan’izy ireo izany.13
Ny fomba fandrosoantsika ny filazantsara no tsy hampitovy ny hoe fandrotsahana fampahalalana ao anatin’ny sain’ny mpianatsika sy ny fandrisihana azy ireo ho mpianatra manana zotom-po izay manova ny fony, ny fomba fijeriny, ny zavatra ataony, ary ny toetrany mihitsy mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany.14
Mba hampianarana araka ny nampianaran’ny Mpamonjy dia mitia ireo izay ampianarintsika isika, mampianatra araka ny Fanahy isika, ary mampianatra ny fotopampianarana isika.15 Ireo no zavatra ataontsika amin’ny maha mampianatra antsika.
Ary ahoana kosa ny amin’ireo mpianatra? Inona no anjara asan’izy ireo? Ny anjara asan’izy ireo dia ny mianatra amin’ny zotom-po, mandray andraikitra amin’ny fianarany, manao asa, ary mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany andavanandro.
Nangataka antsika omaly ny Loholona Christofferson mba hanasa ny hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Nampianariny antsika ny fomba nanasan’ny Mpamonjy ny fisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Hoy izy: “Nampianatra Izy tamin’ny fomba izay mitaky ny fandinihan’[ireo mpianany], ny fandraisan’izy ireo anjara, ny hifanakalozan’izy ireo hevitra, ary ny hampiharan’izy ireo ny fampianarany.” Aoka isika hanao toy izany koa.
Teny famaranana
Ho famaranana dia misaotra anareo aho noho ny zavatra ataonareo ho an’ireo izay ampianarinareo ary ny zavatra ataonareo ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny tanjon’ny fampianarantsika dia ny hikolokolo mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana. Enga anie ianareo hahazo fitarihana rehefa “mandroso ny filazantsara” ary hanao izany amin’ny fomba izay manasa ny fianarana amim-pahavitrihana.
Zaraiko aminareo ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ilay Tompo Mpampianatra, dia i Jesoa Kristy, ilay Mpisolovava antsika, “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”, 16 ilay Fiaviana sy Famaranan’ny finoantsika, ary ilay “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”. 17
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.