Fampaherezam-panahy amin’ny Krismasy
Ny fanomezam-pahasoavan’ny hatsaram-panahy


12:31

Ny fanomezam-pahasoavan’ny hatsaram-panahy

Fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany, taona 2025

Alahady 7 desambra 2025

Ry rahalahy sy anabavy malalako, voninahitra ho ahy ny miresaka aminareo, na aiza na aiza ivorianareo, amin’ity fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany ity. Rehefa misaintsaina ny fahaterahana mahagagan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany teto an-tany ary ny Sorompanavotany feno voninahitra sy ny Fitsanganany tamin’ny maty isika, dia mahatsapa ho akaiky kokoa Azy. Mahatsapa ny hatsaram-panahiny sy ny halehibeny ary ny fitiavany isika. Mivavaka mafy aho ny mba hanampian’ny hafatro ho anareo amin’ity hariva ity amin’ny fomba tsotra, hahatsapan’ny tsirairay aminareo feno kokoa ny fitiavany mitoetra mandritra ity vanim-potoana masin’ny Krismasy ity.

Feno fombafomba ny vanim-potoanan’ny Krismasy. Na dia samihafa amin’ny halaliny sy ny hamarony aza ireny fombafomba ireny araka ny fianakaviana, ny kolontsaina, na ny toerana, dia mampitambatra antsika ny fombafomba rehefa mankalaza am-piraisankina ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika.

Tsaroako ny fombafombanay iray fony aho mbola raim-pianakaviana vao herotrerony nanamboatra mofo niaraka tamin’ireo zanakavaviko anankiroa. Rehefa tafaverina avy nianatra izy ireo, dia efa vonona ao an-dakozia aho miaraka amin’ireo fangaro ilaina hanamboarana mofo vita amin’ny varimbazaha. Nanampy tamin’ny fampifangaroana sy ny fametafetana ny koba ireo ankizivavy. Eo am-piandrasan’izy ireo ny fitomboan’ny koba sy ny fahamasahany avy eo, dia manoritra litera eo amin’ny hazo fisaka fampiasa ho an’ny mofo izay efa voarafitra mialoha aho, mba hanamboarana fanomezana. Soritako eo amin’ny hazo fisaka tsirairay ny hoe J’aime et j’espère, izay teny Frantsay midika hoe “Izaho dia mitia sy manantena“. Rehefa nesorina avy ao amin’ny fatana ny mofo vao mafana, dia aterinay any amin’ny namana na mpifanolobodirindrina iray izay miatrika fisedrana tsy fahasalamana na alahelo ilay mofo sy ilay hazo fisaka.

Rehefa nisaintsaina an’io fombafomba io aho dia nitodika tany amin’ilay hazo fisaka fampiasa ho an’ny mofo misy ny soratra hoe “Izaho dia mitia ary izaho dia manantena“ ny saiko. Amin’ny maha-vavolombelona velona an’i Jesoa Kristy ahy, dia mampanantena anareo aho fa noho Izy dia afaka mahatsapa mandrakariva ny fitiavany sy mahita fanantenana ao Aminy isika na inona na inona toe-javatra misy eo amin’ny fiainana, na ny tsara na ny ratsy.

Tamin’ny alalan’ny fahavononan’ny Mpamonjy “[hidina] ho ambanin’ny zava-drehetra,“ noho ny fitakian’ny Sorompanavotana tsy manam-petra nataony, dia nanolotra ny fanomezana sy fanehoana fitiavana sy fanantenana tonga lafatra indrindra i Jesoa Kristy. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany”. Ary ny Raintsika any An-danitra be fitiavana, tamin’ny alalan’ny famelana ny Zanany Lahitokana hanao sorona toy izany, dia nanome antsika fanehoana faratampony ny fitiavany ho fanomezana ho an’ireo zanany rehetra hafa.

Rehefa mandinika ireo fanomezana mandrakizay izay omen’ny Ray sy ny Zanaka antsika ireo isika, dia mety hanontany tena hoe ahoana no ahafahan’ireo fanomezana zaraintsika manokana amin’ity vanim-potoanan’ny Krismasy ity haneho tsara ny fanolorantenantsika sy ny fankasitrahantsika Azy Ireo. Ambarako amim-panetrentena fa angamba ny fomba manan-danja indrindra hanatontosana io ezaka mendrika hotanterahina io dia amin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana maneho hatsaram-panahy ho an’ireo olona lalaintsika. Rehefa mifaneho hatsaram-panahy sy mifanompo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy isika, na dia amin’ny fomba faran’izay bitika aza, dia afaka ny ho lasa fitaovana isika hahatongavan’ny fahasoavan’ Andriamanitra mba hanampy ireo izay manodidina antsika hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanantenany—Izaho dia mitia sy manantena!

Rehefa nandalina tsy tapaka ny fiainan’i Jesoa Kristy Tompo aho dia talanjona amin’ny ohatra tsy manam-petra asehony momba ny hatsaram-panahy. Saintsaino vetivety miaraka amiko mandritra ny fotoana fohy ireto tantara mahafaly ny fo sy teny faheno vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina ireto:

  • “Ary rehefa tonga teo Jeso[a], dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”.

  • “Dia hoy Jeso[a]: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”.

  • “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”.

  • “Moa va ianareo manana izay marary eo anivonareo? … Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po”.

  • “Ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo”.

Rehefa manaraka ny ohatry ny hatsaram-panahy nasehon’ny Mpamonjy isika tsirairay mandritra ity vanim-potoana miavaka ity, dia azo atao amin’ny fomba maro izany—asa fanompoana, fiantrana, fitiavana, fangorahana ary famelan-keloka. Namaritra izany tamin’izao fomba izao ny Filoha Howard W. Hunter: “Amin’ity Krismasy ity dia vahao ny fifandirana amin’ny olona anankiray. Tolory tanana ny namana adino iray. Aza maminavina ny ratsy fa matokisa kosa. Manorata taratasy. Mamalia amin’ny fomba malefaka. Ankaherezo ny zatovo. Asehoy ny fahatokianao amin’ny alalan’ny teny sy ny zavatra atao. Hajao ny fampanantenana natao. Hadinoy ny lolompo. Mamelà ny fahavalonao. Manolora fialan-tsiny. Miezaha mahatakatra izay manjo ny hafa. Diniho ny zavatra andrandrainao amin’ny hafa. Ny olona anankiray hafa aloha eritreretina vao ny tenanao. … Aoka halemy paika. Mihomeheza kokoa. Manehoa fankasitrahana. Raiso tsara ny vahiny iray. Ampifalifalio ny ankizy iray. Makà fahafinaretana amin’ny hatsarana sy hakanton’ny tany. Lazao ny fitiavanao ny hafa dia avereno hatrany hatrany izany“.

Fantatro fa ny Fanahy dia afaka mitarika antsika tsirairay amin’ny fomba tsotra maro mba hanomezantsika fitiavana sy finoana ary fifaliana ho an’ny hafa amin’izao vanim-potoanan’ny firavoravoana izao.

Amin’ny fotoanan’ny Krismasy, fony aho zazalahy, dia mivory miaraka amin’ny fianakaviako manodidina ny pianô Winkler izahay, izay efa ho zato taona mahery amin’izao. Nahantra ny ray aman-dreniko ary tena niafy izy ireo. Tena tsotra ireo fanomezana amin’ny Krismasy noraisinay. Saingy nanana feo soprano tena tsara ny reniko. Mitendry pianô izy sady mitarika anay amin’ny fihirana hiran’ny Krismasy sy hira masina.

Tsy fantatro raha toa izy ka nieritreritra hoe nanasa anay hizara fanomezana maharitra anie izy. Na dia mbola zazalahy aza aho dia nahatsapa fifaliana tsy hay faritana tamin’ny fihirana ireo hira ireo. Nanenika ilay tokantranonkelinay ny fanahin’ny fiadanana. Tsy vitan’ny hoe nahatsapa ny fitiavan’ny reniko sy ny raiko ary ny rahalahiko roa fotsiny aho, fa nahatsapa ny an’ny Raiko any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy ihany koa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, misy ireo fahafahana misokatra miandry antsika tsirairay avy amin’ity vanim-potoanan’ny Krismasy ity mba hanolo-tanana sy haneho hatsaram-panahy amin’ny fitiavana sy fangorahana tahaka ny an’i Kristy ka hitondra fanovana. Mampanantena aho fa raha feno vavaka ny fiainantsika ary manokatra ny fontsika sy ny saintsika amin’ireo bitsiky ny Fanahy Masina isika, dia hitarika antsika ny Tompo hahita olona iray izay tiany tanteraka, mila ny hatsaram-panahintsika mandritra ity vanim-potoana fety ity. Ny hatsaram-panahy atolotsika dia mety ho tsotra sy toa tsy mahatalanjona firy, saingy afaka—ary matetika mihitsy—hisy fiantraikany maharitra.

Hofaranako amin’ny teny avy amin’ny hiran’ny Kilonga anisany tiako indrindra:

Aoka ianareo mba hifankatia.

Ho tsara fanahy sy ho feno fitia.

Ho feno fiantrana ao an-tsaina ao am-po.

F(a) izay no nampianarin’i Jesoa.10

Eto am-pidirantsika amin’izao vanim-potoana mahafinaritry ny Krismasy izao, dia avelako aminareo ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa i Jesoa Kristy dia fitiavana sy fanantenana—Izaho dia mitia sy manantena. Isika ihany koa dia afaka miara-miasa Aminy ary mizara ny fitiavany sy ny fanantenany amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fihetsika feno hatsaram-panahy.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6; jereo ihany koa ny 122:8.

  2. Jaona 15:13.

  3. Lioka 19:5.

  4. Jaona 8:11.

  5. Lioka 23:34.

  6. 3 Nefia 17:7.

  7. 3 Nefia 17:21

  8. Howard W. Hunter, “The Gifts of Christmas” (Fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany, Dec. 4, 1994), ao amin’ny Ensign, Dec. 2002, Gospel Library.

  9. Jereo ny Joda 1:22.

  10. “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa”, Bokin-kiran’ny ankizy an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 78.