Fampaherezam-panahy amin’ny Krismasy
Manaiky ny handray ilay fanomezana


10:30

Manaiky ny handray ilay fanomezana

Fampaherezam-panahin’ny Krismasy ataon’ny Fiadidiana Voalohany, taona 2025

Alahady 7 desambra 2025

Amin’ny vanim-potoana Krismasy dia mitodika ho azy any amin’ny tokantranontsika ny saintsika: ny tokantranontsika ety an-tany sy ny tokantranontsika any an-danitra. Saingy, iray tamin’ireo Krismasy tsy ho adinoko mihitsy ny tamin’izaho sambany nankalaza ny Krismasy tamin’ny toerana lavitra ny tokantranoko.

Azo lazaina ho misiônera vaovao nanompo tamin’ny fotoana feno tany Brésil aho, mbola vao nizatra kolontsaina sy fiteny izay tsy mahazatra ahy. Indray andro raha nandalo teo amin’ny toeram-ponenana tsotra dia tsotra izaho sy ny mpiara-manompo tamiko, dia naheno olona niantsoantso anay izahay nanao hoe: “Mampianatra momba an’i Jesoa ve ianareo?”

Nitodika izahay ary nahita vehivavy iray izay nanasa anay ho ao amin’ilay tranony izay tena kely, ny gorodona dia tany. Nihaona tamin’ny reniny efa antitra sy ireo zanany fito izahay, izay niara-nipetraka tao amin’izany toerana kely dia kely izany. Nanomboka nampianatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izahay ary nanam-paniriana hianatra izy ireo.

Rehefa nanakaiky ny Krismasy dia nanasa anay ilay fianakaviana mba hiara-hisakafo hariva amin’izy ireo amin’ny Krismasy. Ekeko fa tsy dia nientanentana ny amin’ilay fanasan’izy ireo aho. Sahirana aho nanao sary an-tsaina ny karazana sakafo Krismasy azon’io fianakaviana mahantra io atolotra. Tsy nanana latabatra hipetrahana mihitsy aza izy ireo! Tao an-tsaiko izay mbola tsy matotra dia nieritreritra ireo fianakaviana manan-katao kokoa ao amin’ny paroasy ary nanontany tena raha toa ka tokony hiandry aloha izahay sao misy fanasana tsara kokoa avy amin’ny iray amin’izy ireny.

Soa ihany fa hendry kokoa noho izaho ilay mpiara-mitory tamiko izay ela nihetezana, ary nanaiky haingana ilay fanasana izy. Tamin’ny andron’ny Krismasy dia nandray anay tao an-tranony ity fianakaviana tsotra dia tsotra ity.

Tsy niomana tamin’ny zavatra hitako aho.

Teo afovoan’ny efitrano dia nahitana latabatra nisy lovia feno vary sy tsaramaso sy hena ary ovy mitafotafo ary tavoahangin-dranom-boankazo lehibe iray. Ary tsy nisy afa-tsy seza roa monja: ny iray ho ahy, ary ny iray ho an’ilay mpiara-mitory tamiko.

Tsy nahateny aho sady heniky ny fihetseham-po. Nanomana ity sakafon’ny Krismasy ity ho anay fotsiny izy ireo. Mety ho fahafoizan-tena lehibe ho azy ireo izany. Kanefa rehefa nipetraka teo amin’ny latabatra aho ka nijery ireo ankizy, nipetraka niankina tamin’ny rindrina, nijery anay nihinana, dia nahita tsiky teo amin’ny tarehin’izy ireo. Nitondra fifaliana marina ho azy ireo ny fanaovana fahafoizan-tena ho anay izay vahiny avy any amin’ny firenena iray hafa. Nomen’izy ireo fanomezana tsara tarehy izahay, ary tamin’ny voalohany dia nisalasala aho ny hanaiky handray izany.

Nanova ny fiainako mandrakizay io Krismasy io. Na dia efa taona maro aza no lasa dia mieritreritra izany matetika aho. Ny fahatsiarovana ny fahafoizan-tena feno fifalian’io fianakaviana io dia mampitodika ny eritreritro amin’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ilay fanomezana masin’ny fanavotana sy ny fanasitranana. Raha ny marina dia ny fanomezany no antony ankalazantsika ny Krismasy.

Mieritreritra ny fanontanian’ny Raintsika any An-danitra aho hoe: “Iza no hirahako?” ary ny valinteny feno herim-po nasetrin’Ilay Zanakalahy hoe: “Inty Aho, iraho Aho.”

Mieritreritra ny fahaterahan’i Jesoa feno fanetrentena sy ny fiainany feno fanetrentena aho: ny fahavononany "hidina avy any an-danitra eo anivon’ny zanak’olombelona, ary … hitoetra ao amin’ ny tabernakely vita amin’ny tanimanga.”

Mieritreritra ny fijaliany tao Getsemane aho, izay nizakany “ny fahoriantsika,” “nitondrany ny fahoriantsika,” ary nitondrany teo Aminy ny fahotantsika.

“Mieritreritra ireo tanany nofantsihana sy nivoa-dra mba hanefana ny trosantsika aho!”

Mieritreritra ny Fitsanganany tamin’ny maty aho, ilay fandreseny be voninahitra nanoloana ny fahafatesana.

Dia manontany tena aho avy eo hoe: “Moa ve aho manaiky ny handray ilay fanomezana atolony amim-pifaliana?” Nisaintsaina izany fanontaniana izany imbetsaka aho hatramin’ilay fiaraha-misakafon’ny Krismasy tany Brésil.

Taona maro taty aoriana dia niverina tany Brésil aho, tamin’ity indray mitoraka ity dia niara-nanompo tamin’ny vadiko nitarika ny misiôna. Nianatra zavatra betsaka avy tamin’ny misiônera tsirairay izay niara-nanompo taminay aho. Tiako ny faniriany mafy sy feno fahazotoana mba hanome fanatitra azo ekena ho an’ny Tompo.

Tsaroako manokana, ny resaka nifanaovako tamin’ny rahavavy ankamamiana iray rehefa namarana ny asa fitoriany izy. Namboraka tamiko izy fa natahotra ny hody. Niahiahy izy sao hanao jery todika ny asa fitoriany amim-panenenana, nieritreritra ireo fomba tokony ho nahafahany nanompo tsaratsara kokoa, sady niahiahy fa afaka ho nanao bebe kokoa. Rehefa niezaka nanome toky an’io misiônera mahafinaritra io aho dia niresaka momba ny fomba hafa hijerena ny asa fitoriany sy ny fiainany izahay. Ny fanolorantenantsika ho an’i Jesoa Kristy dia tsy toy ny tetikasa iray any an-tsekoly izay antenaintsika fa hahazoantsika naoty tonga lafatra eo am-panaterantsika azy. I Jesoa Kristy no hany olona tonga lafatra, ary ny Azy no hany fiainana tonga lafatra. Rehefa mikatsaka ny hivoatra isika dia mitodika any Aminy, ary tsy amin’ny fisainana manao hoe “Nahavita izany aho!” na “Mendrika ny nahazo izany aho!” na “Tody soa aho!” fa amin’ny hoe “manaiky aho.”

Mazava ho azy fa te hiaina amin’ny fomba izay eken’ny Tompo isika. Manantena ho azy isika fa hanaiky ny handray ny fanatitra atolotsika Izy. Saingy manan-danja toy izany, na angamba mihoatra noho izany, ilay fanontaniana hoe “Moa ve manaiky ny handray ny Azy aho?”

Tsy mino aho hoe ny fanekena handray ny fanomezana avy amin’ny Mpamonjy dia azo atao tsy amin’ny nahim-po na tsindraindray. Amiko ny teny hoe manaiky ny handray dia manambara safidy feno fahatsiarovan-tena sy asa atao amin’ny nahim-po. Tahaka ny naha-an-tsitrapo ny sorona nataony ho antsika dia tiany isika hanaiky ny handray izany an-tsitrapo. Tahaka ny mpanome fanomezana tsara rehetra, ny Tompo dia tsy mahatsapa fotsiny ny zavatra ilaintsika fa mahatsapa ny faniriantsika ihany koa. Nampianatra i Almà hoe: “Notoviny tamin’ny olona araka ny faniriany.”

Rehefa nankany amin’ny farihin’i Betesda i Jesoa ka nahita lehilahy iray tsy afaka nandeha nandritra ny 38 taona, dia nanontaniany ilay lehilahy raha te ho sitrana. Toy ny mibaribary ny valin’izany fanontaniana izany, saingy tsy manasitrana antsika raha tsy amin’ny sitrapontsika ny Mpanasitrana. Tsy tonga ilay fahagagana raha tsy taorian’ny nanehoan’ilay lehilahy ny faniriany.

Inona avy ireo fanirianao? Inona no tena tianao hiainana sy hotontosaina eto amin’ity fiainana ity: anio, rahampitso, ary mandrakizay? Mila fampiononana ve ianao? Fanamaivanana? Manantena ny hahita fiadanana indray ve ianao? Mitady hery ao amin’ny Tompo? Te ho sitrana ve ianao? Te ho voavela? Te ho voavotra? Tena te ho lasa bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy ve ianao: hiara-hiaina Aminy sy amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra mandrakizay?

Raha izany no izy dia ekeo ny handray ilay fanomezana izay atolotr’i Jesoa Kristy anao.

“Fa inona no soa avy amin’izany ho an’ny olona raha omena azy ny fanomezam-pahasoavana iray, ary tsy ekeny ilay fanomezam-pahasoavana? … Tsy mifaly amin’izay omena azy Izy sady tsy mifaly amin’ilay mpanome ny fanomezam-pahasoavana.”

Tsy hiditra an-keriny eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra na hanery antsika handray ny fanomezany. Fa aleony kosa mamela antsika hisafidy ny hanaiky handray izany. “Mitodiha amiko,” hoy Izy, ary avy eo dia hahita ianao fa tsy hoe efa nitodika taminao fotsiny Izy, fa ny sandrin’ny famindram-pony dia mitolotra foana.

Mba hanampiana amin’ny fanazavana ny dikan’ny hoe mitodika amin’ny Tompo dia te hizara zavatra nianarako avy tamin’i Blakely zafikeliko vavy aho fony izy roa taona monja.

Isan-taona mandritra ny fotoan’ny Krismasy dia tonga ao an-tranonay i Blakely sy ireo zafikely ambiny mba hiara-hanao fombafomba iray izay anisan’ny ankafizinay indrindra: mankafy ny tranon’ombin’ny Krismasy tsara tarehy. Izaho sy ny vadiko dia manana amboaran-tranon’ombin’ny Krismasy avy amin’ny toerana maro manerana izao tontolo izao, ary isaky ny Krismasy dia mametraka azy ireo manodidina ny trano izahay mba ho tadiavin’ireo zafikelinay.

Filoha sy Rahavavy Farnes miaraka amin’ny zafikeliny

Ity misy sarin’ny iray amin’ireo tranon’ombin’ny Krismasy ireo. Araka ny hitanareo dia eo afovoany i Jesoa zazakely, ary ireo fanehoana hafa: i Maria, i Josefa, ireo mpiandry ondry, ireo Magy, sy ny sisa, dia atao mitandahatra mba hahafahan’izy rehetra ho hita. Toa fomba tena tsara izany mba hananganana tranon’ombin’ny Krismasy.

tao sokitra hazo fanehoana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy

Indray taona aho dia nahatsikaritra zavatra nahatsikaiky momba ny tranon’ombin’ny Krismasinay. Nisy olona nandalo tao an-trano nandahahatra an’izany. Nalahatra ho ao anaty faribolana mitodika any amin’i Jesoa zazakely ny fanehoana tsirairay avy amin’ny tranon’ombin’ny Krismasy tsirairay. Taty aoriana dia hitako fa i Blakely no nanao io fanovana feno fahendrena io ho an’ny fandravahana amin’ny Krismasy.

Ny fanehoana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, misy an’ireo sariolona samy mitodika any amin’i Jesoa Kristy
Ny fanehoana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, misy an’ireo sariolona samy mitodika any amin’i Jesoa Kristy
Ny fanehoana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, misy an’ireo sariolona samy mitodika any amin’i Jesoa Kristy

Tamin’ny alalan’io fihetsika tsotra io dia nampianatra lesona lalina ho ahy i Blakely: Tsy ampy ny hoe ao anatin’ny faritra ankapobeny izay misy ny Mpamonjy. Tsy ampy ny hoe mihorirana kely mitodika any Aminy, na eo akaikin’ny olona iray izay akaiky Azy. Mba hanekena tanteraka ny handray ny fanomezana omen’i Kristy dia mila mitodika tanteraka any Aminy isika tsirairay avy.

Ka ahoana ary no fomba hanaovantsika izany? Toy ny ahoana izany mitodika tanteraka amin’ny Mpamonjy izany? Ahoana no hanehoantsika fa manaiky ny handray ny fanomezana ny fanavotany sy ny fanasitranany isika?

Mino aho fa hita ato amin’ity torohevitra avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ny valiny: “Fantaro ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro.”

Tsotra toy izany ilay izy. Manaiky ny handray ny fanomezana avy amin’ny Mpamonjy isika amin’ny alala’ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fitodihana any Aminy. Nanolotra ny ainy Izy mba hahafahantsika miova, mivoatra,sy ho sitrana, ary havotana. Noho izany dia manaiky handray izany fanomezana izany isika amin’ny alalan’ny fanovana sy ny fivoarana ary ny fanekena ny heriny manasitrana eo amin’ny fiainantsika.

Ary tsy manao izany indray mandeha fotsiny isika. Ataontsika isan’andro izany, satria mila izany isan’andro isika. Fanoloran-tena mandritra ny androm-piainana ny fanekena ny handray ny fanomezana avy amin’ny Mpamonjy. Ny Azy no tena fanomezana izay manohy manome, raha mbola manohy manaiky isika amin’ny alalan’ny fitodihana any Aminy.

Indraindray isika dia miresaka momba ny fihazonana ny fanahin’ny Krismasy miaraka amintsika mandritra ny taona. Mahafantatra ankizy aho izay matetika maniry ny hisian’ny Krismasy isan’andro. Raha ny marina dia afaka, ary tokony hankalaza ny Krismasy isan’andro isika amin’ny alalan’ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy sy ny fanekentsika amim-pankasitrahana ny fanomezany. Rehefa mandray ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro isika dia hahita fa ireo fitahian’ny Krismasy sy ny fahagagana avy amin’ny fanomezana avy Aminy dia afaka ny ho azontsika lalandava.

Ry rahalahy sy anabavy malala, mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, izay nanolotra tamin-tsitrapo sy tamim-pitiavana ary tamim-pifaliana ny ainy ho toa ny fanomezana sarobidy mba ho afaka ny ho sitrana sy ho voavonjy ary hisandratra izaho sy ianao. Mivavaka aho ny mba hitodihantsika tanteraka amin’i Jesoa Kristy sy hanekentsika ny fanomezany: amin’ity Krismasy ity, sy isan’andro eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Abrahama 3:27.

  2. Môzià 3:5

  3. Isaia 53:4.

  4. “Mahagaga Ahy,” Fihirana sy hiran’ny Ankizy, lah. 44.

  5. “Mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay dia mila isika -manatona an’i Kristy- (Môrônia 10:32” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.1, Médiathèque de l’Évangile).

  6. Almà 29:4.

  7. Jereo ny Jaona 5:6.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33.

  9. Nehemia 1:9; Helamàna 13:11; jereo koa ny Joela 2:13; Môzià 7:33; Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75–77; Patrick Kearon, “Ny fikasan’ Andriamanitra dia ny hitondra anao hody,” Liahona, mey 2024, 87–89.

  10. Jereo ny 2 Nefia 28:32; 3 Nefia 9:14.

  11. Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 98; fanamafisana efa hatrany ifotony.

  12. “Ireo olona izay manana io famelana ny fahotana io, ary avy eo manavao tsy tapaka ny fanadiovana azy ireo isan’andro amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fiainana mifanaraka amin’ny fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia mendrika ny hahazo ilay fampanantenana fa ny Fanahy Masina, ny Fanahin’ny Tompo, dia -[hiaraka aminy] … mandrakariva- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77)” (Dallin H. Oaks, “Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany,” Liahona, mey 2025, 105).