Ny Fahazavana maharitra mandrakizay
Fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany, taona 2025
Alahady 7 desambra 2025
Feno fankasitrahana lalina aho tafavory miaraka aminareo amin’izao vanim-potoanan’ny Krismasy masina izao mba hahatsiaro sy hifaly amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpamonjy ny olombelona rehetra!
Ny sasakalin’ny Krismasy no alina tiako indrindra ao anatin’ny taona. Vao mody ny masoandro dia manomboka misaintsaina mangina ny fahaterahan’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao ny saiko. Nandritra ny sasakalin’ny Krismasy rehetra izay tsaroako, dia niaraka nivondrona tamin’ny fianakaviana aho, nanokatra ny Testamenta Vaovao, ary namaky tao amin’ny Lioka 2 ireo teny mahazatra hoe:
“Ary Josefa … niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, … ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema; … mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka”.
Andao hiaraka amiko hieritreritra an’i Maria ilay vady vao herotrerony, niaraka tamin’i Josefa vadiny izay nikarakara azy, nandeha teny amin’ny lalana mamovoka nankany Betlehema, tsy nahafantatra izay toerana hivantanan’izy ireo na ny fotoana hahaterahan’ny Zanany.
Izao dia ampio an’ireo zavatra nitranga tany amin’ny lafy ilan’ny tany ireo zavatra nitranga ireo. Tany amin’io toerana io, tany an-tanin’i Zarahemlà tany amin’ny kaontinanta Amerikana, dia nisy andiana mpino izay nalahelo raha “niandry tamim-piaretana tokoa” ireo famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy, izay naminanian’i Samoela ilay Lamanita fa ho andro sy alina tsy misy haizina, satria raha tsy niseho ilay famantarana, dia hovonoina ho faty ireo mpino rehetra.
I Nefia mpaminanin’izy ireo dia “niankohoka tamin’ny tany ary nahery nitalaho tokoa tamin’ Andriamaniny ho an’ny olony. … Ary ny zava-nitranga dia … tonga taminy ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanao ary mahereza; fa indro, antomotra ny fotoana ary anio alina dia homena ny famantarana, ary rahampitso Aho dia ho tonga eo amin’izao tontolo izao”.
Isaky ny mamaky ireo andininy ireo aho dia miato ary talanjona.
Talanjona aho fa i Jesoa Kristy, izay nahary ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray, izay niresaka tamin’ireo mpaminany sy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra marin-toetra ary nanentana ny fanahin’izy ireo nandritra ny tantaran’izao tontolo izao, dia hiambany tsy ho ela ho tonga eto an-tany toy ny zazakely.
Talanjona ihany koa aho fa Izy, ilay Mpamonjy ny olombelona rehetra, dia teraka tao Betlehema tamin’ny fotoana izay hanehoana ny famantarana izay nanavotra ireo mpino Nefita tao Zarahemlà. Mirakitra izao ny soratra masina: “Fa indro, tamin’ny filentehan’ny masoandro dia tsy nisy haizina”.
Azonareo an-tsaina ve ny lanjan’izany ho an’ireo mpino, ho an’ireo izay naniry fatratra ny fahatanterahan’io faminaniana io sy niaina ho an’izany ary nivavaka ho an’izany? Azo antoka fa nifaly izy ireo! Tena vavolombelona mahery vaika izany fa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba hamonjy ireo rehetra izay hino ny Anarany. Nilentika ny masoandro, kanefa feno hazavana ny lanitra.
Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany Abinadia hoe: “Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarana izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”. Nanambara i Jesoa Kristy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina”.
Mandritra ny fiainantsika dia hisy fotoana izay mety hilentehan’ny masoandron’ny fanantenantsika sy ny nofinofintsika. Mety hilentika ny masoandro rehefa niaina famoizana na olana ara-batana sy ara-pihetseham-po isika. Saingy noho i Jesoa Kristy tonga teto an-tany sy nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, dia tsy haharitra mandrakizay intsony ny hakiviana sy ny fanaintainana. Afaka mikatsaka sy mahita ny fahazavany manome aina isika.
Feno hazavana ny lanitry ny alina teo ambonin’ireo mpiandry ondry nanetry tena rehefa nisy “anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany” nanambara teny soa mahafaly manao hoe: “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo”. Indraindray isika dia afaka manaraka ny fahazavan’ny Mpamonjy ary vetivety dia mahita Azy rehefa manaraka “faingana” ny fitarihan’ny lanitra tahaka ny nataon’ireo mpiandry ondry, mba hianatra avy amin’ny ezaka ataontsika manokana momba ny maha-Andriamanitra Azy. Isika koa dia afaka mandeha eo amin’ny lalantsika, “[m]ankalaza sy [m]idera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay ren[tsika] sy hitan[tsika]”.
Indraindray isika dia mety hahatsapa ho mitovy kokoa amin’ireo Magy, ary mety haharitra herinandro maro, amam-bolana ary aman-taona mihitsy aza ny dia ataontsika mba hitadiavana Azy. Fa rehefa manohy manaraka ny fahazavan’ilay kintany mitarika isika, na dia zara fa hita mamiratra aza izany, dia hanakaiky Azy kokoa isaky ny dingana tsirairay ataontsika. Ary avy eo, tahaka ireo Magy, dia afaka mifaly amin’ny fifaliana lehibe isika, miankohoka mba hidera rehefa manolotra ireo fanomezam-pahasoavan’ny fankasitrahantsika sy ny fitiavana ananantsika.
Andao hiaraka amiko hiverina haingana any amin’ny sasakalin’ny Krismasy tamin’ny 2010 ka hozaraiko aminareo ny fomba nampisindan’ Andriamanitra ny haizina ho ahy sy ny fianakaviako nandritra ny roa tamin’ireo alina masina ireo.
Tany amin’ny hôpitaly iray tany amin’ny 3200 kilaometatra mahery niala ny tranonay aho niambina an’i Bruce vadiko, izay niady mafy mba ho velon’aina taorian’ny fandidiana nahomby iray. Niharatsy haingana be ny fahasalamany, ary tsy nahavita namantatra ny anton’izany ilay ekipan’ny mpitsabo. Rehefa avy niombona tamin’ny vavaka sy fifadian-kanina niaraka tamin’ny fianakaviana manerana ny firenena aho dia nandeha tany amin’ny efitrano iray mba hatory kely. Tao anatin’ny alimbe dia nahare an’i Bruce nikohoka indray mandeha ny mpitsabo mpanampy iray izay nandalo teo amin’ny varavarany. Tonga tao aminy ny hevitra mba hampanao fitiliana aretina iray tsy mahazatra mpahazo ny taovam-pisefoana. Nanamafy ny eritreriny ilay fitiliana natao, ary nanomboka nihatsara ny fahasalaman’i Bruce tao anatin’ireo ora maromaro nanombohana ny fitsaboana. Fantatray fa ny Fahazavan’i Kristy no nitarika io mpitsabo mpanampy io, ary naneho azy ny fomba hampiverina ny fahasalaman’i Bruce. Nosoloina fahazavana sy fanantenana ny haizina niainanay.
Enin-taona taty aoriana tamin’ny sasakalin’ny Krismasy iray hafa tamin’ny taona 2016, dia niverina niditra hôpitaly indray i Bruce, izay nahatonga ny fahasitranany tamin’ny aretina goavana roa hitsahatra rehefa niharatsy haingana be indray ny fahasalamany. Afaka namantatra ny anton’izany tao anatin’ny 48 ora ireo mpitsabo. Nizara drafitra iray taminay izy ireo izay mety hanampy azy handresy io aretiny fahatelo io. Rehefa avy nizara izany izy ireo dia nangataka azy ireo tamim-pahalalam-pomba i Bruce hivoaka ny efitrano mba hahafahanay miresaka. Nilaza tamiko izy fa nibitsika taminy mazava tsara ny Fanahy fa tsy misy zavatra azon’ireo mpitsabo atao intsony mba hamonjena ny ainy. Niteny tamim-pahatoniana izy, heniky ny Fanahy. Roa andro taty aoriana dia nodimandy tamim-pilaminana tao an-trano izy nohodidinin’ny fianakavianay.
Na dia samy hafa aza ny zavatra azo avy tamin’ny sasakalin’ny Krismasy tsirairay avy, dia masina aminay ny tsirairay amin’izany. Moa ve nisy ranomaso nalatsaka, alahelo lalina tsapa, niaraka tamin’ny famoizana havana sy fanirery? Eny. Ary moa ve nahatsapa ny fahazavan’ny fitiavan’ Andriamanitra izahay? Eny. Tamin’ireo fotoana izay tsapa fa toa nilentehan’ny masoandronay teo amin’ny fiainanay, dia nanome anay fahazavana sy fahatakarana Izy.
Rehefa mifantoka hatrany amin’ny Mpamonjy isika dia hanazava ny lalantsika Izy mba hahazoantsika fanantenana sy fanasitranana. Tahaka ny zavatra niainan’ireo mpino tao Zarahemlà, noho ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahotana sy ny fahafatesana, dia tsy hisy haizina maharitra mandrakizay rehefa tonga ireo olana sedraintsika.
Tiako ny hevitra lalina fonosin’ireto teny ao amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “ Petite ville, Bethléhem [Ry tanàna kelin’i Betlehema]” ireto: “Namiratra teo amin’ireo lalana maizinao ny Fahazavana mandrakizay. Voavaha eto aminao izao alina izao ireo fanantenana sy tahotra hatrizay”.
Ry anadahy sy rahavavy, ny Tompo no fahazavana maharitra mandrakizay ho antsika! Mijoro ho vavolombelona aho fa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba hitondra fifaliana sy fanantenana eo am-panazavany ny lalantsika mody. Tiako Izy. Deraiko Izy. “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany”. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.