Fampaherezam-panahy amin’ny Krismasy
Ho tonga any an-trano aho amin’ny Krismasy


8:49

Ho tonga any an-trano aho amin’ny Krismasy

Fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany, taona 2025

Alahady 7 desambra 2025

Taona maro lasa, izay tena taona maro lasa tokoa, dia raim-pianakaviana vao herotrerony aho izay naniry hanampy ilay vadiko mahafinaritra hiomana amin’ny fahatongavan’ilay zanakay voalohany, izay lahikely. Sahiran-tsaina aho ka toy ny nihotakotaka kely mihitsy. Nilaza i Pat indray mandeha fa rehefa nanomboka niseho ireo famantarana fa ho teraka dia nalaiko haingana ilay ondana natoriako ary nankeny amin’ny varavarana aho, ka navelako teo izy ary tsy nosoloiko lobaka sy pataloha akory ny akanjomandriko.

Mety ho ilay toetrany mifono herim-panahy miavaka no nanakana ahy tsy hivoaka ny varavarana. Iza no mahalala? Angamba ilay fiarovana feno fitiavana natolony no mbola nihazona ilay zazakely ho mafana sy nahazo aina tao an-trano keliny nandritra ny ora maromaro.

Na izany na tsy izany, ny Krismasy no andro iray ao anatin’ ny taona izay tena tiantsika indrindra hijanonana ao an-trano. Ny iray amin’ireo hiran’ny Krismasy malaza indrindra mandritra izany vanim-potoana izany dia ny “I’ll Be Home for Christmas [Ho tonga any an-trano aho amin’ny Krismasy]”. Ary raha tsy afaka ny ho eo isika dia mangaina kely, na dia efa lehibe sy tsy amin’ny taonan’ny kilalao sy haingon-trano mamirapiratra tamin’ny fahazazantsika intsony aza isika.

Amin’izao fotoana izao dia hitantsika fa misy misiônera miisa 85.000 eo ho eo izay manompo any ho any eto amin’izao tontolo izao, izay amin’ny ankapobeny lavitry ny trano fonenana.

Ny ankamaroan’ireo mpianatra mianatra lavitry ny trano fonenana dia hanao fandaminana mba hodiana saingy tsy ny rehetra no hanao izany, angamba noho ny tsy fananana vola hanaovana ilay dia.

Maro ireo ady mahatsiravina manerana izao tontolo izao ka sarotra ny manombantombana ny isan’ny mpiasa any amin’ny sampan-draharaha misahana ny asa fanompoana tsy ho ao an-trano amin’ity Krismasy ity. Saingy ho amana hetsiny any ho any izany.

Fantatr’i Jesoa sy i Maria ary i Josefa hoe nanao ahoana izany irery tamin’izany alina niavaka izany. Roa arivo taona taty aoriana dia mbola mihira ihany isika hoe: “[Tranon’omby no fialofany ary fahitra no fandrianany. Teo anivon’ny mahantra sy ny sahirana ary ny mietry, no niaina teto an-tany ilay Mpamonjintsika masina]”.

Taona vitsy monja taty aoriana dia irery indray ilay zazakely, izay nanambara fa Izy dia “nanofahofa irery ny famiazam-bazaha, … ary tsy nisy niaraka [Taminy]”, ka natahotra tao anatin’ny fijaliany lalina fa efa nilaozan’ny Rainy any An-danitra tanteraka Izy. Saingy tonga ny fahatakarana izany zavatra izany taty aoriana, ka nanova ny alin’ny Krismasy ho alim-pifaliana sy alim-panantenana, alin’ny anjely sy ny kintana ary ny famonjena, alina iarahana amin’ireo olona akaikin’ny fo raha afaka manao izany isika.

Amin’ity Krismasy ity dia mamelà ahy hanasa anareo, na dia mandritra ny fotoana fohy aza, mba ho fianakaviana ho an’ireo izay manirery. Fahatsapana maharary ny fanirery. Fantatro fa maro no manirery kokoa noho ny tenako, saingy izay Krismasy niisa telo lasa izay dia narary tamiko noho ny tsy fiarahako tamin’ilay reny vaovao tonga lafatra izay noresahiko teo aloha.

Saingy nisy zavatra manavotra nitranga tamiko nandritra izany fotoana izany. Fotoana nisaintsainana kokoa izany sy nanehoana fanetrentena kokoa ary nanehoana fankasitrahana kokoa. Angamba amin’ity Krismasy ity dia afaka mitahy ny fiainan’ny olona iray izay mandalo fanirery tsy haharitra isika amin’ny fomba izay hahatsapany mandritra ny fotoana iray na ny sakafo iray na mandritra ny tolakandro iray fa tafody tany an-trano izy ireo ho an’ny Krismasy.

Tao anatin’ireo fotoana maro tsy naha-tao an-trano ahy nandritra ny Krismasy, dia inoako, tahaka ny Filoha Farnes, fa ny voalohany tamin’izany dia ilay asa fanompoana ahatsapana ho manirery indraindray kanefa faran’izay mitondra soa, dia tamin’ny naha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno ahy izany.

Ity misy taratasy iray tena mampisaintsaina sy feno fitiavana avy amin’ny misiônera iray hafa izay nampiseho ny faniriana tamin’ny fomba tena feno fahamatorana. Izany dia ilay taratasy nirintsika rehetra ho nosoratana mihoatra ny indray mandeha.

“Ry Dada malala. Izao no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako manontolo izay tsy naha-tany an-trano ahy ho an’ny Krismasy. Mipetraka eto anoloan’ny afo iray ato amin’ny trano fandraisam-bahiny iray [aho] izao … mijery ny lelafo miakatra mankao amin’ilay cheminée, [mitondra] ireo fahatsiarovana nandritra ireo andro Krismasy hafa. Nisy an’ilay maraina iray izay nidinanay haingana nankany ambany rihana, mbola nanao akanjomandry. [Avy eo] dia nihazakazaka niverina tany ambony rihana [tamim-pientanentanana] izahay … mba hampiseho [anareo ireo fanomezana] rehetra izay azonay izay ahitana [paoma, voasary ary mofomamy natao tao an-trano]. Ianao sy i Neny dia [toa reraka be noho ny antony maro samihafa], saingy niara-nilalao taminay ianareo sy nanoroka anay talohan’ny nandefasanareo anay hiverina hatory alohan’ny hahamaraina ny andro. Nandritra ny tontolo andro dia nisintona anay niakatra sy nidina ny arabe tamin’[ilay] kalesy vaovao [izay tsy hitanay teo aloha] ianao, ary fantatray fa ianao no lehilahy lehibe indrindra sy matanjaka indrindra teto amin’izao tontolo izao. … Alina aho dia nalahelo an’ilay fientanentanana noho ny [fahitana] ny [fahatongavan’i Dadabe Noely. Tsy tonga koa izy] androany maraina. Malahelo anao aho [ry Dada. Saingy eo anatrehan’ity elanelan-tany vaovao] eo amintsika sy ianao ity dia manomboka mahita eo amin’ny fiainanao ilay [tena] fanahin’ny Krismasy aho. … Andriamanitra anie hitahy anao ry Dada, ary hitahiry anao mba ho mahafinaritra foana ho ahy. Amim-pitiavana, Gordon”. Tsy iza izany fa i Gordon Bitner Hinckley antsika.

Manolotra ny fiarahabana antsika nahatratra ny Krismasy ny Raintsika any An-danitra izay tsy mba trotraka sy milofika na oviana na oviana, sy ny Zanany Lahitokana, ilay zazakeliny, ilay zazakely sy Zokintsika, izay nihalehibe mba "[hitondra] ny aretintsika, [hivesatra] ny fahoriantsika; [ary hotorotoroina] noho ny helotsika”. Misaotra ny Raintsika any An-danitra isika noho ilay Mesia nampanantenaina, izay fanomezana faran’izay lehibe indrindra mandritra ny Krismasy. Amin’ny anarany, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Once in Royal David’s City”, Hymns, no. 205.

  2. Fotopampianarana sy fanekempihavanana 133:50.

  3. Avy amin’i Gordon B. Hinckley ho an’i Bryant S. Hinckley, 25 Desambra 1933, voatanisa tao amin’ny Sheri L. Dew, Go Forward with Faith: The Biography of Gordon B. Hinckley (Salt Lake City: Deseret Book, 1966), 76.

  4. Isaia 53:4–5.