Seminera
Mosesy 6:47–68: “Indro ny drafitry ny famonjena”


“Mosesy 6:47–68: -Indro no drafitry ny famonjena,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mosesy 6:47–68: -Indro ny drafitry ny famonjena, -” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 5; Mosesy 6: Lesona 14

Mosesy 6:47–68

“Indro drafitry ny famonjena”

Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra. Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy amin’ny alalan’ny fiainana ny fotopampianarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy handray ireo fitahiana izay Izy sy ny Rainy irery ihany no afaka manome azy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray hoe nahoana i Jesoa Kristy no manan-danja amin’izy ireo sy ny dikan’ny fanatonana Azy amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Manatòna an’i Kristy

Hevero ny hampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy, toy ilay hita tany am-piandohan’ny lesona. Avy eo dia zarao ity rafi-tantara manaraka ity.

Alaovy sary an-tsaina hoe misy namanao iray tsy mahalala tsara momba an’i Jesoa Kristy. Manontany anao ilay namanao hoe iza i Jesoa Kristy ary nahoana Izy no zava-dehibe aminao.

Omeo fotoana ireo mpianatra hieritreritra ny fomba mety hamalian’izy ireo izany. Asao izy ireo avy eo hizara ny heviny amina vondrona kely na amin’ny iray kilasy.

  • Raha nanana fotoana kely fotsiny ianao hamaliana dia inona no tianao ho fantatr’ilay namanao momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny momba ny niantsoan’i Enoka hitory ny fibebahana amina vondron’olona ratsy fanahy (jereo ny Mosesy 6:27–29). Hazavao fa ny lesona anio dia hifantoka amin’ny fampianarany an’ireo olona ireo. Nifantoka tamin’ny filantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahantsika manatona Azy ny hafatra nataon’i Enoka.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny filan’izy ireo ny Mpamonjy dia hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto sy hanome fotoana azy ireo hanao tombana ny tenany amim-pahanginana momba ny fanambarana tsirairay.

isa fanombatombanana

Amin’ny mari-drefy 1 (tsy marina amiko) hatramin’ny 5 (marina amiko), dia tombano ny tenanao amin’ny fampiasana ireto fanambarana manaraka ireto:

  1. Fantatro ny antony ilako ny Mpamonjy.

  2. Takatro ny fomba ahafahako manatona an’i Jesoa Kristy.

  3. Amin’izao fotoana izao dia te hanatona sy hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Na toy inona fomba nanombananao ny tenanao, dia maniry anao hanatona Azy ny Mpamonjy ary handray ireo fitahiana izay Izy irery ihany no manome anao izany. Rehefa mandalina ny tenin’i Enoka mpaminany ianao androany, dia mifantoha amin’ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy mba hahatakarana bebe kokoa ny antony ilànao ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahanao manatona Azy.

Nampianatra ny vahoakany i Enoka

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny fampianaran’i Enoka ao amin’ny Mosesy 6, dia hevero ny handika ity tabilao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe. Afaka mandika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany ihany koa ny mpianatra. Asaivo mandalina ireo andininy ireo ny mpianatra. Tendreo ny antsasaky ny kilasy mba hitady ny antony ilantsika Mpamonjy. Afaka mitady ny fomba hanatonantsika an’i Kristy ny antsasany iray hafa. Rehefa eo am-pandalinana ny mpianatra dia azonao atao ny mandehandeha ka manontany ny mpianatra raha misy teny na andian-teny ilan’izy ireo fanampim-panazavana. Mety hanampy ny mpianatra hahatakatra ny andininy 59 ireto manaraka ireto:

  • Lasa ateraky ny Fanahy isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina (jereo ny Lohahevitra sy ny fanontaniana, “Fanampiana amin’ny fandalinana ny filazantsara: “Fanomezana ny Fanahy Masina,” Médiathèque de l’Évangile).

  • Ny hoe hamasinina dia midika ho “fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,”Médiathèque de l’Évangile).

Ny fampianaran’i Enoka momba ny fanatonana an’i Kristy: Mosesy 6:48–52, 57–59

Mila Mpamonjy aho satria …

Afaka manatona an’i Kristy aho amin’ny alalan’ny …

Rehefa nahafeno ny antsasaky ny tabilaony ny mpianatra dia omeo fahafahana mifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany izy ireo. Azon’izy ireo atao izany amin’ny alalan’ny famenoana ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy na amin’ny fizarana ny zavatra nianarany amin’ny namana iray.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo mikasika ny antony ilàntsika Mpamonjy?

    Ireo mpianatra izay nifantoka tamin’ny antony ilantsika Mpamonjy dia mety hizara fahamarinana tahaka ny hoe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika mandray ireo fitahian’ny famonjena (andininy 52); mila mibebaka ny olon-drehetra (andininy 49–50, 57); tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (andininy 57). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ireo fahamarinana hitan’izy ireo ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no nampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny zavatra azonao atao manokana ka hanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy?

    Ireo mpianatra izay nifantoka tamin’ny fomba ahafahantsika manatona an’i Kristy dia afaka manoratra ny zavatra hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Ny valintenin’izy ireo dia azo fintinina amin’ny fahamarinana iray toy ny hoe manatona an’i Kristy isika rehefa mihaino ny feon’ny Mpamonjy, mino Azy, mibebaka amin’ny fahotantsika, atao batisa ary mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

    Mety hanampy ny fanazavana fa indraindray ny soratra masina dia manondro io dingana io ho “fotopampianaran’i Kristy” (2 Nefia 31:2–21), na fotopampianaran’ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 11:31–40), na ny filazantsaran’ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 27:13–22). Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Mosesy 6:62 ka hijery teny iray hafa nampiasain’ny Ray any An-danitra hamaritana io dingana io. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra izay tsikaritr’izy ireo momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay manontany tena raha toa ka mendrika ny ezaka takiana ny manatona an’i Kristy?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ilay fanontaniana teo aloha dia mety hanampy ny mpianatra ny mandalina ny sasany na izy rehetra amin’ireto andininy manaraka ireto, ka hitady ireo fitahiana mety ho azontsika rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika: Matio 11:28–30; 2 Nefia 31:21; 3 Nefia 19:13–14; Etera 12:27; Môrônia 10:32–33. Mety ho azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara fitahiana izay niainan’izy ireo rehefa nanao ezaka mba hanatona an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Mampiseho ny fahatakaran-javatra

Asao ny mpianatra hijery ilay rafi-tantara miaraka amin’ny namany tany am-piandohan’ny lesona. Mba hanaovana fampiharana amin’ny fanazavana ny zavatra nianaran’izy ireo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely.

Araka ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany, hazavao amin’ny namanao amin’ny fomba mora ahatakaran’izy ireo azy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana isika no mila an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika atao mba hanatonana Azy?

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ireo eritreritra na fahatsapana ara-panahy nananany ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao ny mizara ny zavatra nianaranao momba ny filana an’i Jesoa Kristy sy mijoro ho vavolombelona fa nitahy ny fiainanao ny fanatonana Azy.