“Mosesy 1:27–42: ‘Izao no asako sy voninahitro,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 1:27–42: ‘Izao no asako sy voninahitro,’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mosesy 1: Abrahama 3: Lesona 6
Mosesy 1:27–42
“Izao no asako sy voninahitro”
Nahary tontolo tsy hita isa i Jesoa Kristy teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra. Ny voary lehibe indrindra nataon’ny Ray any An-danitra dia ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ara-panahy. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny asany izay mitondra ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanany rehetra.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny halehiben’ny zavaboarin’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo. Fomba iray ahafahan’izy ireo manao izany ny fijerena ny lanitra amin’ny alina mazava ka hieritreritra ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba azy ireo eo anivon’ireo kintana sy planeta ary vahindanitra marobe noforoniny ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra
Hevero ny hampiseho fitoeran-javatra kely iray misy fasika sy fitoeran-javatra kely iray misy rano. Mangataha mpianatra iray handroso eny anoloana ary ataovy ao anatin’ilay fitoeran-javatra misy rano ny rantsan-tanany, ary arobohy ao anatin’ilay fitoeran-javatra misy fasika avy eo ilay rantsan-tanany mandomando teo. Na, azonao aseho ny mpianatra ity sary manaraka ity. Anontanio ny mpianatra avy eo hoe firy ny isan’ny voam-pasika ao anaty ratsantanan’ilay olona.
Vakio ny Mosesy 1:27–29, hitadiavana izay zavatra nampitahain’i Mosesy tamin’ny fasika teny amoron-dranomasina sy ny antony.
-
Inona no misongadina aminao amin’io fahitana io?
Mba hanampiana ny mpianatra hankasitraka ny halehiben’ny zavaboarin’ Andriamanitra, dia asehoy ny “Izao no asako sy voninahitro,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 0:53 hatramin’ny 1:31.
Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny tenany amin’ny maha zavaboarin’ Andriamanitra azy sy hanomanany ny sainy ho tarihin’ny Fanahy Masina, dia asao izy ireo hameno ity tomban’ezaky ny tena manokana manaraka ity.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no nahary izao rehetra izao Andriamanitra?
-
Nahoana no nahary antsika Andriamanitra ?
-
Inona no tsapako momba an’ Andriamanitra sy izay zavatra ataony ho ahy?
Asao ny mpianatra hanampy ny valintenin’izy ireo mandritra ny lesona. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny fanoratan’izy ireo ny eritreriny ao anatina diary fandalinana dia manampy amin’ny fanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho amin’ny fianarany.
Asa sy voninahitry ny Ray any An-danitra
Vakio ny Mosesy 1:30, hitadiavana sy hanamarihana ny fanontaniana roa napetrak’i Mosesy rehefa nahatazana ny tany sy ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamianitra izy.
Ny Mosesy 1:39 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
Vakio ny Mosesy 1:31–33, 39 hitadiavana ny fomba namalian’ny Tompo ireo fanontanian’i Mosesy.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’ Andriamanitra ao anatin’ireo andian-tsoratra masina ireo?
Amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fa ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny zanany.
Mba hamantarana ny fahatakaran’ny mpianatra momba ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay dia azonao atao ny mangataka azy ireo hizara ny fomba hamaritany izany. Raha ilaina, dia azon’ireo mpianatra atao ny mikaroka ny “Tsy fahafatesana” sy ny “Fiainana mandrakizay” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra MasinaChurchofJesusChrist.org. Azonao atao koa ny mizara ity famaritana manaraka ity:
Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty. “Ny fiainana mandrakizay na ny fisandratana dia ny lasa tahaka an’ Andriamanitra ary ny miaina eo anatrehany mandrakizay amin’ny maha-fianakaviany” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.1, Mediathèque de l’Évangile).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ilay fahamarinana ao amin’ny Mosesy 1:39 manampy anao hahatakatra ny antony namoronan’ Andriamanitra ny tany?
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanazava ny tanjon’ireo zavaboarin’ Andriamanitra.
Ary raha mety hitazana ny velaran’izao tontolo izao izay tena midadasika isika ka hiteny hoe: “Inona tokoa moa ny olona raha oharina amin’ny hakanton’ny fahariana?” Dia Andriamanitra mihitsy no nilaza fa isika no antony nahariany an’izao tontolo izao! Ny asany sy ny voninahiny — izay tanjon’ity tontolo kanto indrindra ity — dia ny hamonjy sy hanandratra ny zanak’olombelona. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia naorina ho tombontsoan’ny olona tsotra sy mety maty toa ahy sy ianao ilay velaran’ny mandrakizay izay midadasika, ny voninahitra sy mistery fonosin’ny tontolo sy ny fotoana tsy misy fetra. Nahary izao tontolo izao ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mahatratra ireo zavatra mety ho vitantsika amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavaviny antsika. (“Manan-danja Aminy Ianao,” Liahona nôv. 2011, 20)
-
Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra io teny nambara io?
-
Manampy anao hahatakatra inona momba anao manokana io teny nambara io?
Ny Ray any An-danitra dia manampy antsika handray ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay
Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ho amin’ity sahanasa manaraka ity. Azonao atao ny manome taratasy kely ny vondrona tsirairay ary manasa ny mpianatra hanoratra ireto fanontaniana manaraka ireto eo an-tampon’ny taratasin’izy ireo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny valintenin’izy ireo eo ambanin’ireo fanontaniana ireo. Raha mety dia asao ny mpianatra hitady soratra masina iray izay mijoro ho vavolombelona momba ny sasany na ny rehetra amin’ny valintenin’izy ireo.
-
Inona no nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanatanterahana ny tsy fahafatesantsika?
-
Inona ny zavatra nataon’izy ireo sy ny mbola ho ataony mba hanampiana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay?
Mba hanampiana ny mpianatra hianatra samirery dia omeo fotoana ampy izy ireo hamaliana ireo fanontaniana teo aloha. Avy eo dia asaivo ampiany ny lisitr’izy ireo amin’ny alalan’ny famakiana ny Jaona 3:16 sy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf manaraka ity.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nizara fomba hafa entin’ny Ray any An-danitra hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizaintsika.
Nomen’ny [Ray any An-danitra] antsika ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nomeny antsika ny drafitry ny fanavotana, ny drafitry ny famonjena, eny ilay drafitry ny fahasambarana. …
Nomeny antsika ilay fanomezana sarobidy, dia ny Fanahy Masina. …
Nomeny efatra amby roapolo ora isan’andro mandritra ny fito andro isika mba hifaneraserana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka amim-pinoana sy fitalahoana omban’ny tena finiavana.
Nanome antsika ny apôstôly sy ny mpaminany maoderina Izy, mba hanambara ny tenin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao. …
Naveriny tamin’ny laoniny ny Fiangonany. …
Nomeny antsika ny soratra masina—ilay Teniny izay nosoratana ho antsika.
Nomeny antsika ireo fitaovana tsy tambo isain’ny teknôlôjia maoderina mba hanampy antsika eo amin’ilay dia ataontsika amin’ny maha mpianatra. …
Nahoana no nomen’ny Raintsika fanampiana maro be toa izany isika? Satria tia antsika Izy. Ary satria koa nilaza toy izao momba ny Tenany izy: “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). (“Our Father, Our Mentor,” Ensign, Jona 2016, 5)
Asao ny mpianatra hisafidy fomba vitsivitsy izay manan-danja indrindra amin’izy ireo rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana no anampian’ireo antsika handroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny sasany amin’ireo fomba ireo antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa?
Manasà mpianatra samihafa hizara fomba iray nosafidin’izy ireo sy ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana etsy ambony. Mitadiava fomba hisaorana sy hanekena azy ireo noho ny valinteniny. Raha tsy mifantoka hoazy amin’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia jereo ny Jaona 3:16 sy ny Môzià 4:2, ary angataho ny mpianatra mba hizara ny fomba anampian’ny Mpamonjy azy ireo handroso sy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra kokoa.
Fankasitrahana ny Ray any An-danitra
Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ny asany mba hanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, dia asao izy ireo hitady ny fanampian’ny Tompo rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny manoratra ao anaty diary fandalinany, maneho ny fankasitrahany ny Ray any An-danitra noho ny zavatra ataony ho azy ireo.
-
Inona no nianaranao na tsapanao androany ka tianao hotadidina?
-
Inona no tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny zavatra ataon’izy ireo mba hanampiana anao hiverina any Aminy?
Manao tsianjery
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerin mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andinin-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina dia ny hoe “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.” Ireo hevitra ho an’ny asa fitadidiana dia ao amin’ireo fitaovana ao amin’ny tovana etsy ambany “Asa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”