“Tovana D: Ho an’ny Kilonga—Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
“Tovana D,” Avia, hanaraka Ahy: Testamenta Taloha 2026
Tovana D
Ho an’ny Kilonga—Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo
Ny hira masina dia fitaovana mahery vaika hanampiana ny ankizy hianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana sy ireo fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hijanona ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo ankizy ny tonony sy ny feony mandritra ny fiainany.
Katsaho ny fanampian’ny Fanahy rehefa miomana hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika ianao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hirainareo. Ampio ireo ankizy hahita ny fomba ifandraisan’ny mozika amin’ny zavatra izay ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo any an-tokantrano sy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga.
Torolalana ho an’ny fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo
Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay tarihin’ny eveka dia tanterahina mandritra ny telo volana farany amin’ny taona raha ny tokony ho izy. Amin’ny maha-fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira anareo dia miaraha miasa amin’ny mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà izay miahy ny Kilonga mba hanomana ny fampisehoana.
Tokony hanome fahafahana ny ankizy hampiseho ny zavatra nianaran’izy ireo sy ny fianakaviany tao amin’ny Testamenta Taloha tany an-tokantrano sy tao amin’ny Kilonga ilay fampisehoana, tafiditra amin’izany ireo hira ao amin’ny Kilonga izay nohirain’izy ireo nandritra ny taona. Rehefa manomana ilay fampisehoana ianao dia eritrereto ireo fomba azon’izany hanampiana ireo mpiangona hifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany.
Ireo rantsana izay vitsy ankizy dia afaka mieritreritra fomba handraisan’ny fianakaviana anjara miaraka amin’ny zanany. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:
-
Tsy tokony handany fotoana ao amin’ny kilasin’ny Kilonga na any amin’ny fianakaviana ny famerenana.
-
Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fampiasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.2.1.2, Médiathèque de l’Évangile.
Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana
5 minitra (fiadidian’ny Kilonga): Vavaka fanokafana, soratra masina na fanekem-pinoana, ary lahateny iray
20 minitra (mpampianatra hira): Fotoam-pihirana
Ny fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy hira ho an’ny volana tsirairay mba hanamafisana ireo fitsipika izay ianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasiny sy any an-tranony. Misy lisitr’ireo hira izay manamafy ireo fitsipika ireo tafiditra ao anatin’ity torolalana ity.
Rehefa mampianatra hira ireo ankizy ianao dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay efa nianarany momba ireo tantara sy fitsipika ara-potopampianarana izay ampianarin’ireo hira ireo. Asao ireo ankizy hizara ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana hita ao anatin’ireo hira.
Ny Bokin-kiran’ny ankizy no loharano fototra ho an’ny hira ao amin’ny Kilonga. Ireo hira avy ao amin’ny boky fihirana sy ireo hira nalaina tao amin’ny Namana dia mety amin’izany koa. Afaka mampiasa ireo hira avy ao amin’ny Cantiques – Pour le foyer et l’église [Fihirana—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana] ihany koa ianao. Tsy maintsy ahazoana lalana avy amin’ny episkôpà ny fampiasana ny hira hafa rehetra ao amin’ny Kilonga (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 12.3.4).
Hira mandritra ny fotoam-pihirana
Janoary
-
“Tia ahy ny Ray any An-danitra,” Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17
-
“Hanaraka ny drafitry ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 86
Febroary
-
“Araho hatrany ny mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59
-
“Vavaky ny ankizy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7
Martsa
-
“Tsara fanahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 83
-
“Mila Anao aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 23
Aprily
-
“Gethsémané,” Médiathèque de l’Évangile
-
“Hajao ireo didy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 68
Mey
-
“Holy Places,” Médiathèque de l’Évangile
-
“Pour sonder tes Écritures,” Cantiques, no. 163
Jona
-
“Ho mpanompo mazoto aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 85
-
“Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy, 74
Jolay
-
Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka,” Bokin-kiran’ny ankizy, 66
-
“Mivavaka am-pinoana,” Bokin-kiran’ny ankizy,141
Aogositra
-
“Sahia manao izay tsara,” Bokin-kiran’ny ankizy, 80
-
“Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43
Septambra
-
“Ampianaro aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 70
-
“Fitia no ao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 102–103
Ôktôbra
-
“Hitady ny Tompo aho dieny izao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 67
-
“Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 140
Nôvambra
-
“Fianakaviana mandrakizay,” Bokin-kiran’ny ankizy, 98
-
Bien choisir,” Cantiques, no. 154
Desambra
-
“Hitory maneran-tany (Tafik’i Helamàna),” Bokin-kiran’ny ankizy, 92–93
-
“The Hearts of the Children,” Children’s Songbook, 172–73
Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana
Ny fotoam-pihirana dia natao hanampy ny ankizy hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara. Ireto hevitra manaraka ireto dia mety hanome aingam-panahy anao rehefa manao drafitra ny amin’ny fomba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ireo fihirana sy ireo hiran’ny Kilonga ianao.
Mamakia soratra masina mifandray amin’ny hira. Ho an’ny ankamaroan’ireo hira ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy sy ny boky fihirana dia omena ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izy ireo. Ampio ireo ankizy hamaky ireo andinin-tsoratra masina sasany ireo ary hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ireo soratra masina ireo amin’ilay hira. Afaka manao lisitrana andinin-tsoratra masina vitsy eny amin’ny solaitrabe ianao, dia asao ny ankizy hampifandray ny andinin-tsoratra masina tsirairay amin’ny hira iray na andininy iray avy amin’ny hira iray.
Fenoy ny banga. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andininy iray amin’ilay hira ka manesora teny manan-danja vitsivitsy. Avy eo dia asao ireo ankizy hihira ilay hira, sady hihaino ireo teny izay mameno ireo banga. Eo am-pamenoan’izy ireo ny banga tsirairay dia mifanakaloza hevitra momba ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaranareo avy amin’ireo teny tsy ampy.
Mizarà fijoroana ho vavolombelona. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohifohy amin’ny ankizy mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ireo hiran’ny Kilonga. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fihirana dia fomba iray ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona sy mahatsapa ny Fanahy.
Mijoroa ho vavolombelona. Asao ireo ankizy hifandimby hijoro ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny hira izay hirainy na ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira. Anontanio azy ireo ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mihira ilay hira ary ampio izy ireo hahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Mampiasà sary. Angataho ireo mpianatra hanampy anao hitady na hanao sary izay mifandray amin’ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ilay hira. Asao izy ireo hizara ny fomba ifandraisan’ilay sary amin’ilay hira sy ny zavatra ampianarin’ilay hira. Ohatra, raha mampianatra ilay hira hoe: “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47) ianao, dia afaka manisy sary manerana ny efitrano izay maneho ireo teny manan-danja avy ao amin’ilay hira (toy ny anjely, feon’antsiva, ary ny kintana,). Asao ireo ankizy hanangona ireo sary ary hihazona izany araka ny filaharan’izany marina rehefa miaraka mihira ilay hira ianareo.
Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Afaka mampiasa zavatra azo tsapain-tanana ianao mba hitarihana fifanakalozan-kevitra mombana hira iray. Ohatra, rehefa mihira ilay hira hoe: “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17), dia azonao aseho ny ankizy ny sarin’ireo zavatra toy ny vorona, ny orana na ny voninkazo. Mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahantsika mahita famantarana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra manodidina antsika izany.
Entano ny fizarana zavatra niainana manokana. Ampio ireo ankizy hampifandray ireo fitsipika ampianarina ao amin’ilay hira amin’ireo zavatra niainan’izy ireo momba ireo fitsipika ireo. Ohatra, mialoha ny hihirana ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), dia azonao asaina manangana ny tanany ireo ankizy raha toa ka efa nahita tempoly izy ireo. Asao izy ireo eo am-pihirana mba hieritreritra ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mahita tempoly.
Mametraha fanontaniana. Maro ireo fanontaniana azonao apetraka rehefa mihira ianareo. Ohatra, azonao anontaniana ireo ankizy hoe inona no zavatra nianarany avy amin’ny andininy tsirairay amin’ilay hira. Azonao angatahina ihany koa izy ireo hieritreritra ireo fanontaniana izay voavalin’ilay hira. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra iray momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira izany.
Mampiasà fihetsika tsotra atao amin’ny tanana. Asao ireo ankizy hieritreritra fihetsika tsotra atao amin’ny tanana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny tononkira sy ny hafatra ampitain’ny hira iray. Ohatra, rehefa manao ilay hira hoe “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66) ianareo dia afaka manasa ny ankizy ianao mba hanondro ny masony rehefa mihira momba ny fandalinana soratra masina izy ireo, hanondro ny lohany rehefa mihira momba ny fisaintsainana izy ireo, ary mampifamatotra ny sandriny rehefa mihira momba ny fivavahana izy ireo.