“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97
Topimaso ankapobeny
Tamin’ny faramparan’ny volana desambra 1832, dia nandidy ny Olomasina hanorina tempoly tao Kirtland, Ohio, ny Tompo. Tamin’ny jona 1833, dia mbola tsy nanomboka ny fanorenana izy ireo. Nanafay ny olony ny Tompo ary nanamafy ny didiny mba hanangana ny tranony. Rehefa nangataka torolalana tamin’i Joseph Smith ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Missouri dia nandidy azy ireo koa ny Tompo mba hanorina tempoly.
Mametraha fanontaniana mamporisika ny fifanakalozan-kevitra: Misy fifanakalozan-kevitra mahasoa ao an-dakilasy rehefa mifandray amin’ny mpampianatra sy amin’izy samy izy ny mpianatra. Mametraha fanontaniana manan-danja izay manome fahafahana mpianatra maro hamaly. Azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana izay manasa ny mpianatra hamaly ny fanehoan-kevitry ny mpiara-mianatra. Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa momba ny fomba nanasan’ny Mpamonjy ny hafa ho lasa mpianatra mavitrika dia jereo ny fizarana “Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fampiasana fanontaniana mba hanampiana ireo mpianatra handray anjara mavitrika ianao ao anatin’ny lesona amin’ity herinandro ity izay mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diariny mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny fahalalana ananany momba ny tempoly. Hanomana azy ireo hizara traikefa amin’ny iray kilasy izany.
-
Taratasy zaraina: “Fahafoizan-tena natao mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra ho madio am-po.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny valiny homen’izy ireo amin’ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny tovana amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([bokikely, 2022], 36–37). Afaka manampy azy ireo hiomana hianatra momba ny fahadiovana izany.
-
Zavatra hampiasaina: Vera na tavoahangy misy rano madio sy boky vita pirinty na fidirana ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 7
Tanjon’ny lesona: Hanome fahafahana an’ireo mpianatra hizatra hifehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianarana ampianariny, ary hianatra sy hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tiany hotadidina. Amporisiho izy ireo hanokana fotoana kely hitadidiana ilay andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ny application maîtrise de la doctrine na loharano hafa.
-
Zavatra hampiasaina: Taratasy kely na karatra mba hamoronana karatra fitadidiana