“15–21 desambra: -Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary-: Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
15–21:“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary”
Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao
Na dia talohan’ny nahaterahantsika aza dia tao anatina fianakaviana iray isika, dia ny fianakavian’ny aman-drenintsika any an-danitra. Mitohy eto an-tany izany lamina izany. Ireo fianakaviana eto an-tany dia natao hanao izay tsara indrindra vitany mba hanaraka ilay lamina lavorary any an-danitra.
Mazava ho azy fa tsy misy antoka hoe ho tonga lafatra ireo fianakaviana ety an-tany na hoe handeha tsara. Saingy araka ny nampianarin’ny Filoha Henry B. Eyring, ny fianakaviana “dia manome tombontsoa tena tsara ho an’ny zanak’ Andriamanitra … mba hotsenaina eto amin’izao tontolo izao miaraka amin’ilay hany fitiavana eto an-tany izay manakaiky ilay tsapantsika tany an-danitra, dia ny fitiavan’ny ray aman-dreny izany” (“Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20). Noho ny fahafantarany fa tsy tonga lafatra ny fianakaviana ary mety hiharan’ny fanafihan’ny fahavalo, dia nandefa ny Zanany Malalany Andriamanitra mba hanavotra antsika sy hanasitrana ny fianakaviantsika. Ary nandefa mpaminanin’ny andro farany omban’ny fanambarana izy mba hiarovana sy hampatanjahana ny fianakaviana. Raha manaraka ny mpaminany isika ary mametraka ny finoantsika amin’ny Mpamonjy, na dia tsy mahatratra ilay tanjona masina faratampony aza ny fianakaviana eto an-tany, dia misy fanantenana ho an’ny fianakaviana, na eto an-tany na any an-danitra.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
“Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary.”
Mazava tsara fa “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mahakasika ny fianakaviana. Fa mahakasika tsara ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra ihany koa izy io. Fomba iray handalinana ilay fanambarana ny manoratra ireo andian-teny hoe fiainana talohan’ny nahaterahana, fiainana an-tany, ary fiainana aorian’ny fiainana an-tany amina taratasy iray ary manao lisitra ny zavatra ampianarin’ilay fanambarana momba ireo lohahevitra tsirairay avy ireo. Inona no ianaranao rehefa mandalina ilay fanambarana amin’izany fomba izany ianao? Ahoana no anampian’izany anao hahatakatra ny antony maha-manan-danja ny fianakaviana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ao amin’ilay fanambarana eo amin’ireo safidy ataonao?
Maro ny olona, noho ny antony isan-karazany, no mety hatahotra fanambadiana na fitaizana zanaka. Raha niteny taminao ny namana iray hoe “Tsy te hanambady izany mihitsy aho na hanana fianakaviana,” dia inona no holazainao? Azonao atao angamba ny manao fikarohana ao amin’ilay fanambarana mba hitady zavatra izay hanampy ilay namanao hanana fanantenana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.
Fanontaniana iray hafa mety hapetraka aminao, na mety hapetrakao amin’ny tenanao, ny iray tahaka ity: “Dia ahoana raha tsy mitovy amin’izay voafaritra ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ny toe-javatra iainan’ny fianakaviako?” Ireto misy toerana roa azonao hitadiavana torohevitra avy amin’ny mpaminany: ny fizarana hoe “Fiovana mahery vaika” ao amin’ny hafatry ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe “I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny” (Liahona, mey 2023, 55–59) ary ireo andiam-pehezan-teny efatra farany ao amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?” (Liahona, mey 2015, 52).
Mahatsapa ho taomim-panahy hanao inona ianao noho ny zavatra nianaranao?
Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra sy ilay fanambarana,” Liahona, nôv. 2017, 28–31.
“[Ny olona] tsirairay avy dia … zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”
Matetika isika no mieritreritra fa tari-dalana ho an’ny fiainam-pianakaviana ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Fa mampianatra ihany koa fahamarinana momba ny fianakaviantsika any an-danitra sy ny maha-izy antsika mandrakizay izany. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa ao anatin’izany fianakaviana izany daholo isika rehetra? Inona no fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny safidy ataonao?
Jereo koa ny “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 2.
“Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”
Raiso ho toy ny lamina hahazoana “fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana” ireo andiam-pehezan-teny faha-6 sy faha-7 ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Rehefa mamaky ireo andiam-pehezan-teny ireo ianao dia mitadiava fitsipika momba ny “fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby.” Afaka mieritreritra ohatra amin’ireo fitsipika ireo izay hitanao tao amin’ny fianakavianao na tao amin’ny fianakaviana hafa ianao. Ahoana no hanampian’ireo fitsipika ireo amin’ny fanaovana an’i Jesoa Kristy ho fototry ny fiainam-pianakaviana?
Afaka mieritreritra fifandraisan’ny fianakaviana izay tianao hatanjahana ianao avy eo. Manaova drafitra, omban’ny fanampian’ny Mpamonjy, mba hanatanterahana ireo fahatsapana voarainao.
Jereo koa ny L. Whitney Clayton, “Ny tokantrano soa indrindra,” Liahona, mey 2020, 107–9.
Tokony hanabe ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ireo ray aman-dreny.
“Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny … izahay mba … [hiaro sy hanamafy] orina ny fianakaviana.”
Ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia ahitana antso hanao asa. Eo am-pandinihanao ny fomba hamalianao izany antso izany, dia mety hanampy ny fandalinana ny lohatenin’ilay fanambarana. Ohatra hoe, inona no atao hoe fanambarana? Inona no hevitra tian’izany teny izany hambara aminao mikasika ny hafatra raketin’io tahirin-kevitra io? Nahoana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo no mahafeno fepetra hamoaka fanambarana ho an’izao tontolo izao momba ny fianakaviana? Azonao atao koa ny manao lisitra ny zavatra izay heverinao fa hafatra fototra ao amin’ilay fanambarana. Ahoana no ahafahanao manome toerana ambony ireo hafatra ireo eo amin’ny fiainanao, ao an-tokantranonao, ary eo amin’ny fiaraha-monina misy anao?
Jereo koa ny Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay Fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 14–17.
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_DefendersOfTheFaith_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianakaviana.
-
Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay tena manan-danja amin’izy ireo ka tiany hotantaraina amin’ny olona rehetra. Asehoy ny ankizy ny tahadika irain’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ary hazavao fa ireo mpaminany sy apôstôly no nanoratra izany mba hilazana amintsika rehetra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana amin’ny Ray any An-danitra. Nahoana ny fianakaviana no manan-danja fatratra Aminy?ChurchofJesusChrist.org.
1:19What Is the Purpose of Family?
-
Zarao amin’ny ankizy ny zavatra iray avy amin’ilay fanambarana izay tsapanao fa ilain’ny rehetra ho fantatra. Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ireo fahamarinana ireo. Ho nanao ahoana ny fiainantsika raha toa ka tsy nahafantatra ireo zavatra ireo isika? Afaka miara-mihira hira iray izay mifandray amin’ireo fahamarinana hita ao amin’ilay fanambarana ianareo, toy ny: “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 86–87).
-
Ny Filoha Dallin H. Oaks dia mamariparitra, ao amin’ny fizarana IV amin’ilay hafany hoe “Ilay drafitra sy ilay fanambarana” (Liahona, nôv. 2017, 30), ny fomba nanoratana ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Azonao sy ny ankizy atao tsara ny miara-mamaky ny famaritana nataony ary miresaka mikasika ny antony maha-velom-pankasitrahana anareo fa nanome fitaomam-panahy ireo mpanompony ny Tompo mba hampianatra antsika ireo fahamarinana momba ny fianakaviana ireo.
-
Azonao atao koa ny mampiseho sary amin’ireo ankizy (na asao izy ireo hanao sary vitsivitsy) izay maneho ireo fahamarinana hita ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Mety ho sarina tempoly, na fianakaviana mivavaka na miara-milalao, na olon-droa manatanteraka fanambadiana izany. Avy eo dia afaka mitady fehezan-teny mifandray amin’ireo sary ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ny ankizy. Inona no ampianarin’ny Tompo antsika momba ireo zavatra ireo ao amin’ilay fanambarana?
Tian’ny Ray any An-danitra ho sambatra ny fianakaviana.
Aoka ianao hahatakatra ny toe-javatra iainan’ny ankizy. Rehefa mampianatra ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana ianao, dia fantaro fa maro ny ankizy no miaina ao anatina fianakaviana izay tsy manana fiainana mitovy amin’ireo tanjona lafatra kendrena izay voafariparitra ao amin’ilay fanambarana. Diniho ny fomba ahafahanao mamporisika sy mankahery azy ireo.
Izaho dia “fanahy izay zanakalahy [na] zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”
-
Rehefa miara-mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3) ianareo dia afaka manipy baolina iray eny amin’ny ankizy iray ianao eo am-pitenenanao hoe: “Mahafantatra zanak’ Andriamanitra iray antsoina hoe [anaran’ilay ankizy] aho.” Avy eo dia afaka manipy ilay zavatra eny amin’ny olona hafa ilay ankizy, sady miteny toy ilay nolazainao ka ampiany ny anaran’izany olona izany. Ampio ny ankizy hitady ny andian-teny hoe “fanahy izay zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana, dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io fahamarinana io.
Faran’izay sambatra ny fianakaviana rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy.
-
Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fampatanjahana ny fianakavianareo, dia afaka miresaka momba ny zavatra ataontsika mba hampamafy ireo zavatra hafa ianao sy ny ankizy, toy ny nifintsika, ny vatantsika, na ny trano iray. Azonao atao avy eo ny mampitaha izany amin’ny fanorenana fianakaviana matanjaka. Ampio ny ankizy hitady ireo fitsipika tahaka ny an’i Kristy izay mitarika mankany amin’ny fahasambarana ao anatin’ny fiainam-pianakaviana, izay hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny faha-7 ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana (jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity).
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.