“18–24 aogositra: -Fitsipika omban’ny fampanantenana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
18–24 aogositra: “Fitsipika omban’ny fampanantenana”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89–92
Tao amin’ny Sekolin’ireo Mpaminany dia nampianatra an’ireo loholon’i Isiraely ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Nifanakalo hevitra izy ireo momba ireo fahamarinana ara-panahy, niara-nivavaka, nifady hanina, ary niomana hitory ny filazantsara. Saingy nisy zavatra tao amin’ilay tontolo izay mety ho hafahafa amintsika ankehitriny, ary toa tsy nety tamin’ny sain’i Emma Smith koa. Nandritra ireo fivoriana dia nifoka sigara ireo rahalahy ary nihinam-paraky, izay mahazatra tamin’izany fotoana izany, saingy lasa nisy loto maintimainty ilay gorodona hazo ary namela fofona mahery izany. Nozarain’i Emma tamin’i Joseph ny ahiahiny ary dia nanontany ny Tompo i Joseph. Ny valinteny nomeny dia fanambarana miresaka zavatra nihoatra lavitra ny setroka sigara sy ny loto avy amin’ny paraky. Izany dia nanome ho an’ireo taranaka maro ho avy, “fitsipika iray omban’ny fampanantenana”, fampanantenana fahasalamana ara-batana, “fahendrena,” ary “rakitsoa lehiben’ny fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3, 19).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89
Nomen’ny Tompo ny Tenin’ny Fahendrena aho mba hanampiana ahy ho salama vatana sy fanahy.
Raha vao sambany nandre an’i Joseph Smith namaky ny Tenin’ny Fahendrena ireo loholona tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany dia “narian’izy ireo [avy hatrany] tao anaty afo ny pipan’izy ireo sy ny bolongam-paraky tsakoina fampiasan’izy ireo” (Saints,1:168). Te haneho ny fahavononany hankatò ny Tompo izy ireo. Angamba ianareo mety efa “nanary” hiala amin’ny fiainanareo ireo zavatra ampitandreman’ny Tenin’ny Fahendrena, saingy inona koa no ianarantsika ao amin’io fanambarana io? Diniho ireto hevitra ireto:
-
Raiso ho toy ny “fitsipika omban’ny fampanantenana” io fanambarana io (andininy 3), fahamarinana maharitra izay mitari-dalana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Inona avy ireo fitsipika izay hitanao fa afaka manampy anao eo amin’ny fandraisanao fanapahan-kevitra? Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo? (Jereo ny andininy 18–21). Ahoana no nanatanterahany ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainanao?
-
Inona avy ireo ohatra hitanao maneho “ny sain-dratsy sy ny fikasana … ao am-pon’ny mpiaramioko” mifandray amin’ny Tenin’ny Fahendrena? (andininy 4). Ankoatra io fanambarana io, dia inona no nomen’ny Tompo mba hanampiana anao hisoroka na handresy ireo sain-dratsy ireo?
-
Inona no ampianarin’io fanambarana io anao mikasika ny Tompo? Inona no ifandraisan’ny Tenin’ny Fahendrena amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35?
-
Inona no tsapanao fa asain’ny Fanahy ataonao mba hikarakarana tsara kokoa ny vatanao?
Mety efa nanana fahafahana ianao hanazava tamin’ny hafa ny antony iainanao ny Tenin’ny Fahendrena, ary mety mbola hanana fahafahana kokoa ianao amin’ny ho avy. Eritrereto ny fomba azonao ampiasana ireo fahafahana ireo mba hijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, ny fahamasinan’ny vatantsika, ary ireo fahamarinana ara-panahy hafa. Mba hahitana hevitra dia jereo ny “Masina ny vatanao,” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 22–29.
Jereo koa ny 1 Korintiana 6:19–20; Thomas S. Monson, “Fitsipika sy fampanantenana,” Liahona, nôv. 2016, 78–79; Lohahevitra sy fanontaniana, “Tenin’ny Fahendrena”, Médiathèque de l’Evangile; “La Parole de Sagesse,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 183–91; “Fiankinan-doha”, “Fahasalamana ara-batana”, Fanampiana amin’ny fiainana, Médiathèque de l’Evangile.
Fitsipika sy Fampanantenana
Mianara sy mampianara amin’ny alalan’ireo fitsipika. Ho solon’ny fanaovana lisitra ireo zavatra tokony hatao sy tsy tokony hatao, dia afaka miaina araka ireo fitsipika isika mba hampihatra ny fahafahantsika misafidy sy ny finoana an’i Kristy. Ohatra, mieritrereta fanontaniana mifototra amina fitsipika tahaka ireto mahakasika ny tenin’ny Fahendrena: Inona ireo fitsipika afaka manome fampaherezana ho an’olona iray manana fahasahiranana amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena? Inona ireo fitsipika izay afaka mankahery ahy rehefa manana olana ara-pahasalamana aho na dia efa miaina ny Tenin’ny Fahendrena aza?
Tian’ny Ray any An-danitra ny hikarakarantsika ny vatantsika.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:1–17
Ny Fiadidiana Voalohany no mihazona ireo “fanalahidin’ny fanjakana.”
Ao amin’ny fizarana 90 ny Tompo dia manome toromarika mikasika ny “asa fanompoana sy fiadidiana” (andininy 12) an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams, izay mpikambana ao amin’ilay antsointsika ankehitriny hoe Fiadidiana Voalohany. Inona no ianaranao momba ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny andininy 1–17? Avereno jerena ireo hafatra vao haingana avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Inona no ataon’izy ireo mba “handamina ny raharaha rehetra an’ny fiangonana sy ny fanjakana”? (andininy 16). Ahoana no fomba ahafahanao mampiseho fa tsy “zava-maivana” aminao ireo zavatra ireo? (andininy 5).
Hevero ny hihira na hamaky ny tonon’ny “Viens écouter la voix de Dieu” (Cantiques, no. 12) na hira hafa momba ny mpaminany izay mifandray amin’ireo fampianarana ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no nanampian’ny fanompoan’ny Fiadidiana Voalohany anao hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24
“Hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoa[ko].”
Diniho izay mety ho zavatra niainanao ka manamarina ilay fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24. Diniho ny hiraketana ireo zavatra niainanao ireo sy ny hizarana izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na olon-tiana iray. Mety ho olona mila fampahatoniana na fankaherezana izany. Raha mbola misy fitahiana andrasanao dia diniho izay azonao atao mba hijanonana ho mahatoky eo am-piandrasanao ny fahitana fa “hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombotsoa[nao].”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:28–31
Iza moa i Vienna Jaques?
I Vienna Jaques dia teraka tamin’ny 10 jona 1787 tany Massachusetts. Vehivavin’ny finoana izay nanam-bola i Vienna raha sambany nihaona tamin’ireo misiônera tamin’ny 1831. Rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny Fanahy izy fa marina ny hafatr’izy ireo, dia nanao dia mba hihaonana amin’ny Mpaminany tany Kirtland, Ohio, ary natao batisa.
Nankatò ny torohevitry ny Tompo ho azy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:28–31 i Vienna. Ny fanokanana nafoiny ho an’ny Tompo, tafiditra tao anatin’izany ireo fanomezana natolony teo aloha tany Kirtland, dia tonga tamin’ny fotoana tena nilan’ny Fiangonana an’izany, raha teo am-piezahana hividy tany hanorenana ny Tempolin’i Kirtland ireo mpitarika. I Vienna dia “[n]ahatoky, … ka tsy [n]idonana-poana” nandritra ny fiainany ary taty aoriana afaka “nanorim-ponenana tamim-piadanana” (andininy 31) tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake, ka tao izy no nodimandry tamin’ny faha-96 taonany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91
“Ny Fanahy no maneho ny fahamarinana?”
Isika rehetra dia samy tojo hafatra izay mirakitra “zavatra maro … izay marina” ary “zavatra maro … tsy marina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91:1–2). Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny fizarana 91 izay afaka manampy anao hanavaka fahamarinana ao amin’ireo hafatra tojo anao? Ahoana no nanampian’ny Fanahy anao hanavaka ny marina tamin’ny diso?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89
Manampy ahy mba ho salama ara-batana sy ara-panahy ny Tenin’ny Fahendrena.
-
Mba hampahafantarana ny fizarana 89, dia azonao sy ny ankizy atao angamba ny mijery sarina tempoly na mihira hira momba ny fahasalamana ara-batana, toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73), mba hampianarana fa toy ny tempoly ho an’ny fanahintsika ny vatantsika. Ampio ny ankizy hampiseho amin’ny alalan’ny fihetsika ireo fomba azon’izy ireo hikarakarana ny vatany.
-
Mba hianarana momba ny didin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:10–17, dia afaka manao sary na mijery sarina zavatra tsara azontsika ohanina na hatao ianao sy ny ankizy mba hitandremana ny vatantsika ho salama (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Inona no nampitandreman’ny Tompo fa tsy tokony hampiasaintsika? Nahoana isika no tiany hikarakara ny vatantsika?
-
Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nanoro hevitra ny tanora mba hanao drafitra mialoha momba izay hataon’izy ireo raha misy maka fanahy amin’ny toaka na zava-mahadomelina izy ireo. Nampianatra izy hoe: “Ho hitanareo fa tsy manana hery hifehezana anareo ny fakam-panahy. Ho efa nandray ny fanapahan-kevitrareo mikasika izay ho fihetsika hasetrinareo sy ny zavatra hataonareo ianareo. Tsy hila handray fanapahan-kevitra [foana] ianareo” (“Ny boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2019, 48). Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4 sy ny teny nambaran’ny Loholona Stevenson ianareo dia mifampidiniha amin’ny ankizy mikasika ny fomba azon’izy ireo hanapahana hevitra izao ny hiaina ny Tenin’ny Fahendrena mandritra ny androm-piainany sisa. Azonareo atao koa aza ny milalao an-tsehatra ny fomba azon’izy ireo hamaliana raha misy olona, na namana aza, mandroso zavatra ain’izy ireo izay mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Ahoana no hitahian’ny Tompo antsika rehefa mankatò ny Tenin’ny Fahendrena isika ? (jereo ny andininy 18–21).
Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5
Omen’ Andriamanitra mpaminany aho mba hitarika sy hiaro ahy.
-
Afaka mijery sarina mpaminany fahiny ianareo na mihira hira toy ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59). Ahoana no nitahian’ Andriamanitra ireo zanany tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny? Nahoana isika no tokony hihaino ireo mpaminanin’ Andriamanitra? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:5). Avy eo dia afaka mijery sarina mpaminany velona ianao sy ny ankizy ary mizara zavatra izay nampianarin’ny Tompo na nampitandremany antsika tamin’ny alalan’ilay mpaminany. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny mpaminany?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91
Afaka manampy ahy hahafantatra izay marina ny Fanahy.
-
Azonao atao ny mamintina ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 91 mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny antony nanomezana io fanambarana io. Azon’izy ireo atao avy eo ny mieritreritra toerana, toy ny ao amin’ny haino vaky jery, izay ahitantsika “zavatra maro … izay marina” ary “zavatra maro … tsy marina” (andininy 1–2). Inona no ampianarin’ny andininy 4–6 antsika momba ny Fanahy Masina? Ahoana no hanampian’ ny Fanahy Masina antsika hahafantatra ny tsara?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.