“10–16 febroary:-Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
tahadika mitovy tanteraka amin’ilay dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana tena izy
10–16 febroary: “Mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10–11
Rehefa nandroso ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nipoitra ho azy ny fanontaniana iray: Inona no tokony hataon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mikasika ireo pejy nisy dikanteny izay very? Ny lojika dia ny miverina amin’izany ampahany izany ka mamerina mandika izany, kanefa nahita zavatra izay tsy hitan’izy ireo ny Tompo: nitsikombakomba hanova ireo teny teo amin’ireo pejy ireo ny olon-dratsy mba hisian’ny ahiahy teo amin’ny asa nentanim-panahy nataon’i Joseph. Nanana drafitra hialana amin’io olana io Andriamanitra ary hampandroso ny asa. An’arivo taona talohan’izay dia nanome tsindrimandry an’i Nefia Andriamanitra mba hanoratra rakitsoratra faharoa izay niresaka fe-potoana mitovy amin’izany noho ny “fikasana hendry ao Aminy” (1 Nefia 9:5).
“Ny fahendreko,” hoy ny Tompo tamin’i Joseph, “dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43). Izany dia hafatra mifono toky amin’ny fotoana iray toy ny antsika: rehefa mihamafy ny ezaka mitohy ataon’ny fahavalo mba hampihena ny finoana. Isika koa dia afaka ny ho “mahatoky” ary mitozo amin’ny asa izay niantsoan’ Andriamanitra antsika, tahaka an’i Joseph (andininy 3). Dia ho hitantsika amin’izay fa efa nanome lalana antsika Izy ka “ny vavahadin’ny helo tsy haharesy” antsika (andininy 69).
Jereo ny Olomasina, 1:51–61.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–33
Andriamanitra dia “tsy [hamela] ny hanatontosan’i Satana ny fikasan-dratsiny amin’ity zavatra ity.”
Tian’i Satana ny hanadinoantsika fa misy izy—na farafaharatsiny ny tsy hahatsapantsika ireo ezaka ataony mba hitaomana antsika (jereo 2 Nefia 28:22–23). Saingy ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 dia manamarina fa tena misy i Satana—ary manohitra amim-pahavitrihana ny asan’ny Tompo izy. Ao amin’ny andininy 1–33, ny zavatra fantatr’ Andriamanitra momba ny ezaka nataon’i Satana (jereo koa ny andininy 62–63). Azonao atao ny mangataka ny Tompo hanampy anao hahita ny fomba mety hakan’i Satana fanahy anao. Rehefa mamaky ny fizarana 10, ianao dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hanohitra ny ezaka ataon’i Satana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:34–52
“Lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly [ny fahendren’ny]” Tompo.
Tsy fantatr’i Nefia hoe nahoana izy no nentanim-panahy hanao rakitsoratra roa momba ny olony. Ary tsy fantatr’i Môrmôna hoe nahoana izy no nahazo fitaomam-panahy hampiditra ny andiany faharoa miaraka amin’ireo takela-bolamena. Natoky anefa ireo mpaminany roa ireo fa nanana “fikasana feno fahendrena” Andriamanitra (1 Nefia 9:5; Tenin’i Môrmôna 1:7). Amin’izao fotoana izao isika dia mahafantatra farafahakeliny ampahany amin’izany tanjona izany: ny hanolo ireo pejy 116 very ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo hianaranao avy amin’izany rehetra izany? Saintsaino io fanontaniana io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:34–52. Azonao atao ihany koa ny manao lisitra ireo fahamarinana nianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fifandraisanao Aminy? Inona no manaitra anao momba ny fahendren’ny Tompo sy ny fahiratan-tsainy amin’ny fiomanana amin’ny fahaverezan’ireo pejy 116?
Mety hahatsapa fitaomam-panahy ihany koa ianao mba hitady ny porofon’ny fahendreny sy ny fahitany mialoha eo amin’ny fiainanao. Vakio ireo tantara ao amin’ny hafatry ny Loholona Ronald A. Rasband “Amin’ny alalan’ny drafitra masina”—mety hitondra ohatra ao an-tsainao izany (Liahona, nôv. 2017, 55–57). Soraty izany rehefa tonga eo aminao izy ireo. Ahoana no fiasan’ny Tompo teo amin’ny fiainanao? Ohatra, inona avy ireo “fifanandrifian-javatra” nomaniny? Inona avy ireo fototra napetrany ho an’ny fitahiana anananao? Oviana Izy no nitarika anao hanompo olona sahirana?
Jereo ihany koa ny Romana 8:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; Lahatsoratra Lohahevitra sy Fanontaniana, “Drafitry ny famonjena,” Médiathèque de l’évangile.
Ampahan-tsary avy amin’ny Mormon Abridging the Plates [I Môrmôna mamintina ireo takelaka], nataon’i Tom Lovell
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11
“Apetraho amin’ilay Fanahin’[ny Tompo] ny fitokianao.”
Naniry mafy ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo ho azy i Hyrum zokin’i Joseph, noho izany dia nangataka an’i Joseph izy mba hikatsaka fanambarana ho azy. Faly ny Mpaminany nanao izany, saingy hafatra iray farafahakeliny ao amin’io fanambarana io (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11) ny hoe afaka mikatsaka fanambarana ho an’ny tenany ihany koa i Hyrum. Ary toy izany koa “ireo rehetra izay manana faniriana tsara ary efa nandroso ny antsimbilony mba hijinja” (andininy 27). Rehefa mamaky ny fizarana 11, ianao dia inona no tsapanao fa ampianarin’ny Tompo anao momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana? Inona no ifandraisan’izany amin’ny zavatra nampianariny an’i Oliver Cowdery ao amin’ny fizarana 6–9? Hafatra hafa inona ihany koa no ananany ho anao?
Jereo koa ny “Que l’Esprit soit avec nous,” Cantiques, no. 78.
Manasa ny mpianatra hametraka fanontaniana. Matetika mitarika ho amin’ny fanambarana ny fanontaniana. Raha mampianatra ny fianakavianao na kilasy ao amin’ny Fiangonana ianao dia amporisiho izy ireo hametraka fanontaniana ary ampio izy ireo hitady valiny ao amin’ny soratra masina. Ohatra, raha manana fanontaniana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana izy ireo dia miaraha mitady valiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–26
Rehefa mikatsaka ny “hahazo ny teni[n’ Andriamanitra]” aho, dia handray ny Fanahiny sy ny heriny.
Na dia talohan’ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna aza dia naniry mafy ny hanampy amin’ny asa Famerenana amin’ny laoniny i Hyrum Smith. Rehefa mamaky ny valintenin’ny Tompo momba ny faniriany ianao dia diniho hoe midika inona aminao ny hoe “[m]ahazo ny teni[n’ Andriamanitra]” (andininy 21). Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahazoana ny tenin’ Andriamanitra anao hanompo Azy amin-kery?
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5
Rehefa mivavaka mandrakariva aho dia mahazo hery avy amin’Andriamanitra.
-
Mba hampahafantarana an’io andininy io amin’ny ankizy dia azonao atao ny manontany azy ireo momba ny zavatra ataony “foana”. Inona no lazain’ny Tompo fa tokony hataontsika mandrakariva ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5? Nahoana no tiany isika mba hanao izany?
-
Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy hahatsiaro hivavaka mandrakariva? Angamba afaka maka vato kely vitsivitsy izy ireo ary mandoko eo amin’izany ny “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5” na “Mivavaha mandrakariva.” Azon’izy ireo atao ny mametraka ny vatony amin’ny toerana samihafa izay tiany, mba hampahatsiahy azy ireo hivavaka, toy ny eo akaikin’ny fandrianany, miaraka amin’ny bokiny, na ny toerana hisakafoany. Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5, ahoana no hitahian’Andriamanitra antsika rehefa mivavaka isika? Ny ankizy dia afaka mitady valiny fanampiny ao amin’ny hira iray toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13
Mitarika ahy hanao zavatra tsara ny Fanahy Masina.
-
Afaka mianatra mamantatra ny fotoana iresahan’ny Fanahy amin’izy ireo ny ankizy. Mba hanampiana azy ireo dia azonao atao ny manafina takamoa na fanilo ary sarin’ny endrika faly any amin’ny toerana iray ao amin’ilay efitrano; Asaivo mitady an’ireo zavatra ireo ny ankizy, avy eo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13, dia ampio ny ankizy hamantatra teny mifandray amin’ireo zavatra hitany. Inona no ampianarin’ireo teny ireo momba ny fomba anampian’ny Fanahy Masina antsika?
-
Ny fizarana ny traikefanao ara-panahy dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mizara ianao dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra niainany ihany koa. Azonao atao koa ny miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13, ka mitady ny fomba ahafahantsika mahafantatra fa ny Fanahy Masina no mitarika antsika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny hitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, 26
Mila mahafantatra ny filazantsara aho mba hahafahako manampy ny hafa hahita ny fahamarinana.
-
Tahaka an’i Hyrum Smith dia mety hanana fahafahana maro hizarana ny filazantsara amin’ny hafa ny ankizy. Azonareo iaraha-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, 26 ary angataho ny zanakao mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Hyrum fa tokony hataony mba hahafahany mampianatra ny filazantsara. Inona no dikan’ny hoe “mahazo” ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no hanaovantsika izany? Ahoana no fomba “[iraketana]” ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika? Azon’ireo ankizy atao angamba ny milalao an-tsehatra ny fizarana zavatra mikasika an’i Jesoa Kristy na ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa.
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.