Hifandray ireo teboka
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora
2 febroary 2025
Ry rahalahy sy anabavy malalako, ry namako malala, mitondra ny fitiavana sy ny tsodrano avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aminareo aho.
Fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo ary tena feno fankasitrahana tokoa aho noho ny fahafahantsika nandre ny vadiko.
I Harriet no masoandro mamiratry ny fiainako. Ireo rehetra izay mahafantatra azy dia tia azy. Manao izay hahatsaratsara kokoa sy hahafalifaly kokoa ny manodidina azy izy. Izany tokoa no fitaomana nentiny teo amiko.
Vanim-potoana fahazoana valiny eo no ho eo
Araka ny efa renareo avy tamin’ny Rahavavy Uchtdorf dia nivady izahay raha mbola tanora vao herotrerony. Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia feno fankasitrahana aho noho ireo fotoana rehetra niainako niaraka tamin’i Harriet.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra aho fa izahay zokiolona dia manana maro amin’ireo fanontaniana momba ny fiainana mitovy amin’ny anareo, fa izahay fotsiny no efa nametraka azy ireo ela kokoa. Toy ny hoe:
Eo amin’ilay lalana tokony ho izy ve aho?
Mahafantatra ahy marina ve Andriamanitra? Miraharaha ahy ve Izy?
Nahoana aho indraindray no mahatsiaro ho tsy misy dikany, na resy, na tsy raharahiana, na irery?
Nahoana Andriamanitra no tsy nanome ilay fahagagana nilaiko maika dia maika?
Nahoana Izy no mamela ahy hiaina izao alahelo na aretina na loza izao?
Fanontaniana sarotra ho an’ny olona amin’ny taona rehetra ireo.
Mety hahasorena tokoa ny fanontaniana toy izany rehefa tsy mahazo valiny eo no ho eo isika. Amin’izao androntsika izao dia afaka manontany saika ny zavatra rehetra ao amin’ny Google isika ary mahazo valiny ao anatin’ny segondra vitsy.
Kanefa tsy tonga haingana foana ny valin’ireo fanontaniantsika manokana sy tena manan-danja, ary lalina indrindra. Matetika dia manandratra ny fontsika any an-danitra isika ary ny zavatra izay toa azontsika dia korisa mihodikodina mampiandry.
Tsy tia miandry isika, sa tsy izany?
Rehefa voatery miandry segondra vitsivitsy isika mba hivalian’ilay fikarohana dia mieritreritra isika fa tapaka na misy olana ny tambajotra. Ao anatin’ny fahasorenantsika dia mety hohajanontsika mihitsy aza ilay fikarohana. Saingy rehefa mahakasika ireo fanontaniana iankinan’ny mandrakizay, momba ny fanahy, dia tsy maintsy maharitra bebe kokoa isika.
Tsy mitovy ny lanjan’ireo valiny rehetra mety ho azontsika rehetra. Ireo valim-panontaniana izay avy amin’ny fahendren’izao tontolo izao na avy amin’ny fihevitry ny besinimaro dia misy foana, saingy vetivety ihany dia very ny lanjan’izy ireny rehefa mipoitra ny firehana na fironana vaovao. Ny valim-panontaniana avy any an-danitra, izany hoe mandrakizay, dia tsy voavidim-bola. Ny fahazoana ireo valim-panontaniana ireo dia mitaky fahafoizantena sy asa ary famerimberenana.
Kanefa manome toky anareo aho fa tsy hanenenana ny fiandrasana ireo valiny ireo.
Raha manana fanontaniana tsy voavaly ianareo, dia mijoro ho vavolombelona marina aminareo aho fa maheno anareo ny Rainareo any An-danitra, mahafantatra anareo Izy, ary tsy hilavo lefona aminareo na oviana na oviana Izy. Noho izany, aza milavo lefona. Miezaha hatrany hanaraka ny lalany dia “hitarika anao” Izy mba hahitana valiny miaraka amin’ny fitarihana ampy mba handrosoana hatrany eo amin’ilay lalana marina—ka tsy mametra ny fitomboanao na ny fahafahanao mampihatra finoana na ny fahafahanao misafidy ny tsara sy ny ratsy.
Mampifandray ireo teboka
Hoy i Steve Jobs, iray amin’ireo namorona ny Apple: “Tsy afaka mampifandray ireo teboka isika raha ny hoavy no jerena. Rehefa manao jery todika ihany ianao vao afaka mampifandray azy ireo, ka noho izany dia mila matoky ianao fa hifandray ihany ireo teboka any aoriana any.”
Inona no tiany nolazaina tamin’izany? Mety efa nahita sary hosodoko natao tamin’ny alalan’ny teboka miloko tena bitika angamba ianao. Rehefa jerena akaiky dia toa tsy mifandray ary napetapetaka fahatany teny fotsiny ireo teboka. Saingy rehefa jerenao ny sary manontolo dia mahita ianao fa ireo teboka dia lasa loko ary ireo loko dia hanome endrika amin’ny farany ka haneho zavatra kanto iray. Ny zavatra izay toa napetapetaka teny fotsiny na nikorontana mihitsy aza dia lasa manomboka misy dikany.
Indraindray ny fiainantsika dia mitovy amin’ireo sary hosodoko ireo. Misy fotoana ireo teboka mandrafitra ny zavatra iainantsika eo amin’ny fiainana dia mety ho toa tsy mifandray sy mikorontana. Tsy hitantsika ny fisian’ny lamina ao amin’izany. Tsy eritreretintsika mihitsy hoe misy tanjona ao ambadik’izy ireo.
Rehefa mijery ny fiainanao amin’ny fomba fijery mandrakizain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy anefa ianao dia manomboka mahita ny fomba ifandraisan’ireo teboka amin’ilay drafitra lehibe novolavolain’ Andriamanitra ho anao.
Ary rehefa milofo ianao hatoky an’ Andriamanitra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy Zananilahy, dia hahafantatra ianao fa ilay Mpanakanto Lehibe dia nanana hatrany drafitra ho an’ireo teboka mitsitokotoko ireo. Ho hitanao fa Izy dia nanomana anao ho amina fahafahana sy fahafahana be voninahitra lavitra mihoatra izay azontsika eritreretina na tratrarina irery. Efa nahita izany teo amin’ny fiainako aho.
Ilay dia mahafinaritry ny fiainako an-tany
Ny sasany aminareo dia mety mahafantatra fa tamin’izaho mbola kely dia efa indroa lasa mpitsoa-ponenana ny fianakaviako. Tamin’ireo fotoana roa ireo dia tena hita fa noraisin’ireo olona tany amin’ny toerana vaovao nalehanay ho “ambany” noho izy ireo izahay. Raha teo anivon’ireo ankizy nitovy taona tamiko dia nanilika ahy ho tsy isan’izy ireo ny fomba fiteniko, ary izany dia nahatonga azy ireo hanaraby sy hananihany ahy.
Sarotra tamin’ny ray aman-dreniko ny namelona ny fianakavianay. Noho izany dia nanomboka niasa ho mpanasa lamba ny reniko, nanampy azy daholo izahay rehetra, ary izaho, miaraka amin’ny bisikiletako sy ny saretiko, dia niasa ho “manampahaizana amin’ny fanaterana entana” tamin’izany orinasa izany taorian’ny fotoan-tsekoly.
Ny raritsaina sy fahaketrahana nateraky ny fiovaovanay toeram-ponenana dia nahatonga ahy ho tara taty aoriana tamin’ny fianarako, ary very taom-pianarana iray feno iray aho.
Tany Alemana Atsinanana dia nianatra fiteny Rosiana aho mba ho fiteny faharoa. Sarotra ilay izy saingy vitako. Ary tany Alemana Andrefana indray dia notakina ny hianarako ny fiteny Anglisy.
Toa tsy ho vitako izany! Nieritreritra aho fa tsy natao ho an’ny fiteny Anglisy tsotra izao ny lelako.
Nandritra ny naha-zatovo ahy dia tara tamin’ny vehivavy iray izay mahafinaritra aho, ny masony dia tena tsara sady somary ngezangeza miloko volon-tany. Indrisy anefa fa tsy niraika tamiko akory i Harriet na dia kely aza. Na inona na inona nandramako dia toa tsy nety nandaitra mihitsy. Eny, renareo teo ny fitantarany azy.
Koa dia toy izany aho tamin’izany, zatovolahy tsy dia nanana ny lanjany sy sahirana, izay niaina tao Alemana taorian’ny ady, izay toa tsy ho afaka ny hahazo fahombiazana loatra eo amin’ny fiainana.
Na izany aza, dia nisy zavatra vitsivitsy izay nandeha tsara.
Fantatro fa tia ahy ny fianakaviako. Tany an-tsekoly sy tao am-piangonana dia nisy mpampianatra namporisika ahy mba hametraka tanjona ambony ary tsy hilavo lefona. Mbola tadidiko foana, nisy misiônera Amerikana tanora izay nampianatra hoe: “Raha momba [anao] Andriamanitra, iza no afaka hanohitra [anao]?”Ary “hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra.”
Nisy zavatra tena nahery vaika tao amin’ireo soratra masina ireo. Ary raha izany no izy, hoy aho, dia nahoana aho no tokony hatahotra?
Koa dia nino aho. Dia natoky an’ Andriamanitra aho.
Nisy fotoana aho tafiditra tao anatina fandaharam-pianarana iray. Nanome fanamby ahy ny mpampianatro iray mba hanatrika fampianarana amin’ny alina hianarana ingénierie mécanique. Nahatonga ahy hitia fiaramanidina izany!
Ary nandòna mafy ahy ny nahafantarako fa mba hahafahako ho lasa mpanamory fiaramanidina dia nila nahay ny fiteny Anglisy aho. Tena naniry ny ho lasa mpanamory fiaramanidina anefa aho, ary tamin’ny fomba mahagaga tokoa dia toa lasa niova ny lelako, ary tsy lasa fiteny tsy hay hianarana intsony ny fiteny Anglisy.
Mazava ho azy fa tsy nidika izany hoe nandeha ho azy foana ny zava-drehetra.
Tamin’ny faha-19 taonako dia nandeha tany San Antonio, Texas aho, hanomboka ny fiofanako ho lasa mpanamory fiaramanidina ao amin’ny Air Force. Teny ambony fiaramanidina dia nipetraka teo akaikin’ny lehilahy iray izay niroky araka ny fiteny ao Texas aho. Nihovitrovitra ery aho rehefa nahita fa ilay fiteny Anglisy nianarako mafy dia tsy mitovy amin’ny fiteny Anglisy ampiasaina ao Texas!
Tany amin’ny sekoly mpampiofana ho mpanamory fiaramanidina dia nisy zavatra sarotra ihany koa. Ilay fandaharam-pianarana dia nisy fifaninanana be, ka ny olona tsirairay avy tamin’izany dia nikendry ny toerana avo indrindra teo amin’ny filaharana. Tonga dia fantatro avy hatrany fa nanana tombony kokoa ireo mpiray kilasy tamiko izay ny fiteny Anglisy no fitenin-drazany.
Nampitandrina ahy momba ny zavatra iray hafa izay mety hahavariana ahy ireo mpampianatra fanamoriana fiaramanidina, dia ny fandaniako fotoana betsaka loatra any am-piangonana izany. Ireo mpikambana tao an-toerana dia nandray ahy tsara tao amin’ny sampan’izy ireo sy tany an-tranon’izy ireo, ary niaraka nanorina trano fivoriana mihitsy aza izahay nandritra ny fotoana ny fotoana nipetrahako tao Big Spring, Texas. Sahiran-tsaina ireo mpampianatro fa izany karazana zavatra atao izany dia hanakana ny fahafahako hahazo toerana tsara eo amin’ny filaharana. Tsy niombon-kevitra tamin’izy ireo anefa aho. Noho izany dia natoky an’ Andriamanitra aho ary nanao izay tsara indrindra azoko natao.
Nahay ny fiteny Anglisy ihany aho ny farany (na dia mbola miezaka amin’izany foana aza aho ankehitriny). Tena nahavita soa aman-tsara ny fiofanako ho mpanamory aho. Lasa mpanamory fiaramanidina mpiady aho ary lasa kapiteny an’habakabaka taty aoriana. Ary ilay vehivavy tsara tarehy manana maso somary ngezangeza miloko volon-tany izay nonofisako? Io izy io miaraka amiko io.
Mazoto manatanteraka na dia ny zavatra bitika indrindra aza
Mandrapahitana ilay sary iray manontolo, dia aza mety hovesaran’ireo asa goavana sy sarotra maro eo amin’ny fiainana. Tsarovy fa ny zavatra lehibe dia namboarina tamina zava-madinika maro. Raha toa ianao manolo tena hanao “ireo zava-madinika sy tsotra” izay asain’ Andriamanitra ataonao, ary dia ataonao am-pahazotoana araka ny vitanao izany, dia hanaraka ho azy ny zavatra goavana.
Ny sasany amin’ireo “zava-madinika sy tsotra” ireo dia ahitana ny vavaka avy amin’ny nahim-po isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy sy ny Ho zatovo mahery! ho isan’ny fahazarana tsy tapaka, ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena, ny fandehanana any am-piangonana, ny fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra ary ny fakana antoka fa manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ianao.
Ataovy ireo zavatra ireo na dia amin’ny fotoana tsy tianao hanaovana izany aza, eny fa na dia mitaky fahafoizantena aza izy ireo. Ny fahafoizantena no mahatonga azy ireo ho masina, ary “ny fahasoavana hirotsaka tokoa, vokatry ny fahafoizan-tena.”
Azo lazaina fa ny fahafoizantena “madinika sy tsotra” ataonao dia ireo teboky ny fiainana andavanandro izay mandrafitra ilay sangan’asa tena kanton’ny fiainanao. Mety tsy hitanao ny fomba ifandraisan’ireo teboka amin’izao, ary mbola tsy ilainao izany. Manàna finoana ampy fotsiny amin’izao fotoana iainanao izao. Matokisa an’ Andriamanitra, dia “avy amin’ny zavatra madinika [no hivoahan’] izay lehibe.”
Matokia an’ Andriamanitra
Fony aho nitovy taona taminareo dia tsy haiko mihitsy izay hitranga amiko amin’ny fiainana. Tena tsy hitako mihitsy izay mety ho teboka hifandray any aoriana any.
Saingy natoky an’ Andriamanitra aho. Nino fa raha toa aho nanao izay tsara indrindra vitako tamin’izany fotoana izany dia hokarakarain’ Andriamanitra ilay tena sary lehibe.
Ary dia nataony tokoa izany.
Fantany hatrany am-boalohany ny fiafarana fa izaho kosa tsy nahalala izany.
Tsy afaka nahita ny hoavy aho, fa Izy dia nahita.
Na nandritra ireo fotoan-tsarotra izay nieritreretako ny tenako ho nohadinoina aza dia niaraka tamiko Izy, hitako izany ankehitriny.
Ao amin’ny Ohabolana isika dia mahita izao fampanantenana izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra; fa aza miankina amin’ny fahalalanao. “Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”
Mamporisika anareo aho mba hino fa ho tsara lavitra kokoa ny fiainanareo raha toa ka ankininareo amin’ Andriamanitra ny fitarihana ny lalanareo. Mahafantatra zavatra maro izay tsy fantatrao Izy, ary efa nanomana hoavy ho anao izay tsy azonao sary an-tsaina akory Izy. Nijoro ho vavolombelona ny Apôstôly Paoly hoe: “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”
Koa anontanio ny tenanao hoe: “Afaka manangona finoana ampy ve aho hinoana an’ Andriamanitra? Vonona ny hatoky ve aho fa Izy dia tia ahy sy maniry ny handamina ny lalako?”
Raha afaka mahita finoana na dia mitovy amin’ny haben’ny voan-tsinapy iray aza ianareo ao am-ponareo—eny fa na dia faniriana ny hino fotsiny ihany aza—dia atombohy hatreo.
Hain’ Andriamanitra ny manova ny voa kely ho hazo lehibe. Ataovy ny zavatra madinika sy tsotra, dia “hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nampanantenainy aminareo Andriamanitra!”
Hifanazava amin’ Andriamanitra isika
Tsy mila mandeha lavitra akory ianareo ao amin’ny kolontsaina ankehitriny dia maheno feo fanoherana izay manakivy na manaraby mihitsy ny finoana an’ Andriamanitra amin’ny ankapobeny ary ny fivavahantsika indrindra indrindra.
Manamafy ny feo toy izany ny tambajotran-tserasera.
Saingy tsy ny taranaka misy anareo ihany no taranaka niatrika olana sy fanabirabiana teo amin’ny finoany an’ Andriamanitra. Toa ampahany amin’ny fitsapana ety an-tany ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra izany.
“Raha naman’izao tontolo izao ianareo,” hoy Jesoa tamin’ny mpianany, “dia ho tia ny azy izao tontolo izao: fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo… , dia halan’izao tontolo izao ianareo.”
Mety hanaiky ihany koa ianao fa raha vantany vao manolo-tena ny hanaraka ny Mpamonjy ianao dia tsy hanaiky izany, amin’ny fomba hentitra mihitsy aza indraindray, ireo izay mipetraka ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka. Mety hiezaka ny hanery sy hanao izay hahamenatra anao mihitsy aza izy ireo.
Saingy tsarovy fa tsy hifanazava amin’izy ireo ianao. Hifanazava amin’ Andriamanitra ianao. Indray andro any ianao dia hitsangana eo anoloany ka hanao tatitra ny fiainanao.
Hanontany Izy raha toa ianao ka nanaraka ny Mpamonjy, raha toa ianao ka nitia ny mpiara-belona taminao, raha toa ianao ka tena niezaka tamim-pahazotoana nijanona teo amin’ny lalan’ny maha-pianatry ny Tompo.
Ry tanora malalako isany, izao no fotoana hanolorana tena ho an’i Kristy ary hanarahana ny lalany.
Indray andro any dia handohalika ny zanak’ Andriamanitra rehetra ary hiaiky fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpanavotra, ilay Mpamonjin’izao tontolo izao. Ho fantatr’izy ireo fa maty ho azy ireo Izy.
Amin’izany andro izany dia ho fantatra fa ny Azy no ilay hany feo izay tena nanan-danja.
Tsy ahoako
Rehefa miresaka momba ny hoe mamela an’ Andriamanitra mitarika ny fiainantsika isika dia tiako ny hampazava ny zavatra iray. Mety tsy ho tianareo ny zavatra holazaiko aminareo izao. Rehefa mangataka fitarihana amin’ Andriamanitra momba ana fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainanao ianao, tafiditra amin’izany ireo fanapahan-kevitra manan-danja, dia mety tsy hanome anao valiny amin’ny antsipiriany Izy.
Ny marina dia hoe indraindray tsy mampaninona an’ny Tompo izay safidy raisinao rehefa mijanona ao anatin’ireo fanakempihavanana sy fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny izany.
Misy fotoana Andriamanitra manana lalana manokana izay tiany harahinao. Misy ihany koa fotoana izay hampitandremany anao amin’ny safidy sasany noho ny loza izay tsy ho hitanao mialoha. Saingy misy fotoana koa ahitana valiny “marina” maromaron’ny fanontaniana iray, ary afaka mahita fifaliana amin’ny iray amin’ireo ianao raha mbola miaina araka ny fahamarinana mandrakizain’ Andriamanitra.
Rehefa nitranga tamin’i Joseph Smith sy ireo namany izany dia nanome andian-teny mahaliana iray ny Tompo raha nikatsaka ny fitarihany izy ireo. Hoy izy: “tsy ahoako.”
Dia nampiany hoe: “Aoka ho mahatoky fotsiny ihany.”
Mety hahakivy angamba ny fahenoana fa tsy hanome anao toromarika amin’ny antsipiriany be momba ilay dianao ety an-tany Andriamanitra. Saingy moa ve tena mila fitarihana amin’ny zavatra tsirairay ataonao eo amin’ny fiainanao ianao?
Tena mila ny paika rehetra ilaina amin’ny fiainana ve ianao mialoha ny hanananao fahafahana hijery ny zavatra mitranga ao ho an’ny tenako manokana? Ho karazana dia manao ahoana izany? Moa ve tsy hanaisotra ny fahatsapanao ho nahavita zavatra tsara izany? Ahoana no hivoaranao sy hampitomboanao ny fahatokianao ny Tompo sy ny tenanao?
Araka ny tenin’ny Tompo tamin’i Oliver Cowdery hoe: “Tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany.”
Nanome anao ny drafiny, lalany, ny Ray any An-danitra. Asehony anao ilay drafitra sy ny zavatra izay tiany hataonao. Ary nomeny atidoha sy fo ianao. Raha matoky Azy ianao, dia hanampy anao Izy hampiasa azy roa amin’ny tokony ho izy rehefa mandray fanapahan-kevitra. Matoky Izy fa handray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra ianao amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.
Amin’ny ankapobeny dia mety tsy dia hanan-danja loatra ny safidy izay ataonao mihoatra ny zavatra ataonao aorian’ny nanaovanao an’ilay safidy.
Ohatra, mety hisafidy ny hivady ny olona mpifankatia anankiroa na dia eo aza ny fiheveran’ny olona sasany ao amin’ny fianakavian’ny roa tonta fa tsy mifanentana izy ireo. Saingy manana fanantenana lehibe aho ny amin’izany mpivady izany raha toa, aorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo, dia mijanona ho mifanolo-tena tanteraka amin’ny tsirairay amin’izy ireo sy amin’ny Tompo amin’ny fo sy saina manontolo izy ireo. Amin’ny alalan’ny fandraisana ilay iray hafa amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy, amin’ny fifantohana amin’ireo zavatra izay ilain’ilay hafa ara-pihetsehampo, ara-panahy, sy ara-nofo, ary amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra “kely” matetika tsy tapaka, dia lasa ilay olona tena mety ho an’ilay iray hafa izy ireo.
Mifanohitra amin’izay kosa, eritrereto ny mpivady izay heverin’ny olon-drehetra fa nahazo ilay olona “tena mety” aminy saingy mihevitra fa tapitra hatreo ny zava-tsarotra. Raha toa izy ireo mitsahatra mifanome teny mamy, tsy mifampiresaka intsony, manao tsinontsinona ireo fanekempihavanana masina, ary tafalatsaka ao amin’ny avonavona sy ny fiainana feno fitiavan-tena, izany mpivady izany dia mandeha amin’ny lalana mety hitondra azy ireo mankany amin’ny alahelo sy ny nenina.
Marina ihany koa izany eo amin’ny lafiny ara-kasa. Manana fanantenana betsaka aho ny amin’ireo izay misafidy ny angamba handray asa tsy dia mampirehareha loatra saingy manao izay vitany ary mahita fomba hahatonga ny asany mba hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra sy hitahiana ireo zanany.
Tsy dia manana fanantenana firy kosa aho ny amin’ireo izay misafidy asa heverina ho tena ambony kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia nanadino ny toetra maha-andriamanitra azy sy ny zavatra tsara azon’izy ireo hotanterahina ihany koa amin’ny alalan’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ilay Zanany.
Nanomana fitahiana mandrakizay tsy takatry ny sainao Andriamanitra. Mba hanampiana anao handray izany dia nomeny anao ireo didy, ireo fanekempihavanana masina, ny torohevitr’ireo mpaminany nentanim-panahy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fahafahana misafidy. Ampy sahaza tsara izany hitarihana anareo ho amin’ny fahasambarana ety an-tany sy ny fifaliana mandrakizay. Etsy ankilan’izany dia aza kivy raha toa mandray fanapahan-kevitra izay tsy dia tsara loatra ianao. Izany no fomba ianaranao. Tafiditra ao anatin’ilay dia izany!
Tsia, tsy misy izany dia hoe mizotra tsara daholo nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izany ny zava-drehetra. Mitsimbadimbadika ny fiainana. Saingy raha mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy ianao, mandray ny sorona fanavotana nataony ho toy ny fanomezam-pitiavana ary ny fibebahana ho toy ny fomba hanekena izany, dia afaka mahazo antoka ianao fa ho tsara be ilay fiafarana.
Mety tsy ho hitanao izany raha tsy efa any aoriana be any, ka mbola hanao jery todika ianao dia hahafantatra fa tsy namela anao ho irery na oviana na oviana ny Tompo, na dia tamin’ny fotoana namelany anao handray fanapahan-kevitra be dia be irery aza. Ho hitanao fa mifandray ireo teboka.
Zavatra dimy tokony hotadidiana
Inona ary izany no zavatra izay antenaiko fa hotsaroanareo avy amin’ny fotoana niarahantsika teto androany?
Voalohany, fantaro fa mety ho elaela kely ny valiny avy amin’ Andriamanitra ny amin’ireo fanontaniana tena lalina anananao ary mety ho tonga amin’ny fomba tsy eritreretinao izany. Ny valiny avy amin’ Andriamanitra dia manana lanjany mandrakizay. Tsy hanenenana ny fiandrasana azy.
Faharoa, aza mora ketraka eo am-pandehananao eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatry ny Tompo. Ataovy fotsiny izay tena tsara vitanao amin’ireo zavatra kely, dia hilamina tsara ireo zavatra goavana.
Fahatelo, manàna finoana kely. Minoa fa manan-danja amin’ Andriamanitra ianao, fa mahita izay tsy hitanao Izy, ary hitari-dalana anao eo amin’ny lalana marina Izy. Tiany ianareo. Matokia Azy.
Fahefatra, aza avela mandresy lahatra anao hiala amin’ilay dian’ny finoana lalovanao ireo feo manakivy. Tadidio fa tsy hifanazava amin’ireo fitsikerana anao ianao. Amin’ny Rainao any An-danitra ianao ho hifanazava. Ny Azy no tena manan-danja.
Fahadimy, katsaho ny fitarihan’ny Tompo, ary rehefa miteny Izy hoe: “tsy ahoako,” dia raiso ny fanapahan-kevitra tsara indrindra azonao atao mifototra amin’ireo fahamarinana fantatrao. Ary “aoka ho mahatoky.”
Avelako aminareo ny tsodranoko amin’ny fiandohan’ity taona vaovao ity, fa rehefa miezaka mafy ny hahafantatra ilay Rainareo any An-danitra ianareo, sy manara-dia an’i Jesoa Kristy ary manaja ireo fanekempihavanany, dia hitombo ny finoanareo.
Hitombo ny fahatokian-tenanareo rehefa mikatsaka ny hanara-dia ny Mpamonjy sy ny fampianarany ianareo.
Ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany dia hahita fahasambarana sy fifaliana ary fiadanana ianareo! Ary indray andro any dia hamihina anao amin’ny fitiavana masina Izy.
Miaraka amin’ny fankasitrahana tsy hay lazaina, dia hahita ianao fa Andriamanitra mihitsy, ao anatin’ny fitiavany sy ny fahasoavany ary ny fangorahany sesehena, dia teo foana niambina anao, nitahy anao, ary nanomana toerana ho anao.
Mijoro ho vavolombelona momba izany aho ary manome anareo ny tsodranoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.