Fampaherezam-panahy 2025
Matokia an’ Andriamanitra


9:58

Matokia an’ Andriamanitra

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

2 febroary 2025

Ry anadahiko sy rahavaviko malala, ry tanora namako malala, tiako amin’ny foko ianareo any amin’ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao. Mahafinaritra ianareo. Tsara tarehy ianareo. Satriko ery ny hamihina mafy anareo tsirairay avy.

Mahafinaritra ery ny miaraka aminareo eto anio. Tiako ihany koa ny tonga eto miaraka amin’ny Apôstôly tiako indrindra. Fantatro fa tsy tokony hanana Apôstôly tiana indrindra isika, saingy amin’ny toerako dia toa tsy maninona izany. Vadiny aho.

Vao haingana izahay no nankalaza ny faha-62 taona nivadianay. Ary mbola mifankatia hatrany izahay!

Aoka fotsiny raha ireo fitahiana azonay avy amin’ny filazantsara no resahina! Rehefa maharay hafatra firariantsoa sy feno fitiavana avy amin’ireo zafikely sy zafiafinay izahay dia tsapanay fa tena sarobidy ny fitahiana avy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ho anareo tokan-tena, na nisara-bady, na miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra ao amin’ny fianakaviana, dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa mahafantatra sy tia anareo Andriamanitra, ary rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavananareo ianareo dia tsy hahena na hoe tsy ho azonareo ny fifaliana avy amin’ny fananana fianakaviana. Tsy fantatro tsara ny fomba hahatanterahan’izany, kanefa fantatro fa ampy ho antsika rehetra ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fitiavan’ny Tompo. Hotanterahiny araka ny fombany sy ny fotoanany izany.

Rehefa mijery anareo aho dia tsapako ny fahafahana mahatalanjona anananareo hizara hatsarana sy tanjaka, dia tsaroako ny fotoana miavaka izay nahalehibe ahy sy i Dieter tao amin’ny sampana iray tao Francfort, Alemana.

Fantatro fa tena tia be ahy izy, saingy tsy tena liana taminy loatra aho. Nahafinaritra izy, saingy isan’ireo namako tao am-piangonana fotsiny ihany. Niara-nianatra nandihy tany amin’ireo fiaraha-mientana natrehanay tao amin’ny Fiangonana izahay. Ny foxtrot sy ny boogie-woogie, ary ny rock and roll no nalaza tamin’izany.

Taorian’ny nidirany tao amin’ny Tafika an’habakabaka mba ho lasa mpanamory fiaramanidina mpiady dia tsy nahita azy efa ho roa taona aho. Raha ny marina dia tsy dia tsara ny zavatra tsapako tamin’ny voalohany rehefa niverina tao Francfort izy. Somary nitovitovy tamin’ireo lehilahy diso matoky tena ao amin’ilay horonan-tsary Top Gun izy.

Saingy rehefa niresaka tamiko izy dia taitra aho. Nihamatotra izy tao anatin’ireo roa taona ireo. Fantany ny fomba tiany hitondrany ny fiainany, ary natanjaka izy tamin’ny fiainana ny filazantsara. Tena tapa-kevitra tokoa izy ary nahita fomba vaovao tamin’ny ezaka nataony mba hambabo ahy. Volana vitsy tatỳ aoriana dia nivady izahay.

Ry tanora namako malala, tsy mbola nanenenako mihitsy ny nandray azy indray ho toy ny olona tena tsara hifankahafantarana kokoa, eny fa na dia teo aza ny fahatsapana tsy azo antoka nananako momba azy tamin’ny voalohany.

I Dieter no tiako indrindra eo amin’ny fiainako sy ilay ray ary raibe mahafinaritra ho an’ireo zanakay sy ireo zanaky ny zanakay.

Fa hanomboka hiresaka ny zavatra tiako hozaraina aminareo aho izao.

Fony aho 12 taona dia matin’ny homamiadana ny raiko. Taorian’ny nahafatesany dia lasa toeran’ny alahelo sy ny fijaliana ary ny hakiviana tao an-tranonay.

Toa tsy nisy zavatra na olona afaka nitondra fampiononana ho an’ny reniko na ho anay zanaka. Eny e! Tsy dia marina loatra izany! Ny Raintsika any An-danitra, noho ny fitiavany lehibe, dia tsy nanadino anay.

Valo volana taorian’ny nahafatesan’ny raiko dia nisy misiônera Amerikana roa nandondòna tao am-baravaranay, tany Francfort, Alemana. Ireo misiônera roa ireo, rehefa notarihin’ny Fanahy, dia nanome an’ny reniko ilay Bokin’i Môrmôna sarobidy. Tena tiako ny Bokin’i Môrmôna.

Nitondra valim-panontaniana avy amin’ Andriamanitra ho anay ireo misiônera ireo. Ny hafatra momba ny drafitry ny famonjena, ny drafitry ny fahasambarana, dia tena kanto sy nahery vaika. Namerina ny fanantenana sy ny fahazavana tao an-tranonay izany. Rehefa nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izahay dia sitrana ny ratram-ponay sy ny hakivianay ary ny alahelonay.

Rehefa naharay ny hafatra momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izahay, dia tsy nisy haizina intsony tao amin’ny fianakavianay, satria ny hazavana sy ny haizina dia tsy afaka miara-mitoetra amin’ny toerana iray amin’ny fotoana iray.

Tanora roa mahafinaritra ireo misiônera roa ireo. Anjely roa feno voninahitra nirahin’ Andriamanitra izy ireo ho anay.

Ry tanora namako malala, vita amin’ny akora masina tahaka azy ireo koa ianareo! Ianareo no ireo izay voafidy amin’izao androntsika izao, izay mampianatra sy miaina ny hafatry ny filazantsara na aiza na aiza misy anareo. Noho io tanjona io dia napetraka any amin’ny tanàna misy anareo, sy any amin’ny sekolinareo na ny toeram-piasanareo, ary ny fianakavianareo ianareo. Aza hadinoina fa manana fahafahana ny ho lasa anjely feno voninahitra ho an’ireo izay eo akaikinareo ianareo.

Misolo tena ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianareo, ary mpitarika matanjaka ianareo amin’ny fitoriana ny hafatry ny filazantsara amin’ny alalan’ny fiainana tsara iainanareo sy ny fijoroana ho vavolombelona ataonareo amim-kerimpo.

Ny mpitarika dia olona iray izay manampy ny hafa hijery, hahatsapa, ary hahita ny lalana marina. Ry tanora namako malala, mifanampia mba hahita ny lalana marina sy ho mafy orina tsara ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny filazantsara.

Ny teny tsotra sy mazava rehetra na ny fanaovana asa soa, ny fahamarinana, ny fiantrana, ny hatsaram-panahy, ny asa fanompoana, ny fitiavana, ary ny fangorahana dia afaka ny ho lasa asa ataonareo amin’ny maha-mpitarika anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Aza atao tsinontsinona ny fahafahanareo mitaona ho amin’ny tsara sy ny herinareo hanao ny tsara.

Mamelà ahy hiteny zavatra vitsivitsy amin’ireo rahavavy sarobidintsika. Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia angatahina ianareo hampiasa ny talenta sy ny herim-ponareo amin’ny ady misy eo amin’ny tsara sy ny ratsy.

Tamin’ny taona 1979 ny Filoha Spencer W. Kimball dia naminany hoe: “Ny ampahany manan-danja indrindra eo amin’ny fitomboana izay hitranga eo amin’ny Fiangonana amin’ny andro farany dia hitranga satria maro amin’ireo vehivavy tsaran’izao tontolo izao … no hotarihina … ho ao amin’ny Fiangonana. Izany dia hitranga ary ho tonga hatrany amin’ny hoe ireo vehivavin’ny Fiangonana dia taratry ny fahamarinana … eo amin’ny fiainan’izy ireo ary … hita fa miavaka sy samy hafa—amin’ny vehivavin’izao tontolo izao—amin’ny fomba mahafaly.”

Nampian’ny Filoha Russel M. Nelson an’izao izany tamin’ny 2015: “[Ranabavy isany,] mila ny tanjakareo, ny fiovamponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay. Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo.”

Ranadahy sy rahavaviko malala, manolotra loharanom-pitaovana mahery vaika ho anareo mba hanatanterahana ireo ho tanjonareo eo amin’ny fiainana ny Fiangonana sy ny Tompo.

Vakio ny soratra masina, ekeo ny hanaraka ny fampianarana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy sy ny fandaharam-pianarana institiota, miresaha amin’ny nahim-po amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavakareo, mankanesa any am-piangonana, ary ampiharo eo amin’ny fiainanareo isan’andro ny fahamarinana sy ny fampianarana ao amin’ny filazantsara. Manaova fanekempihavanana ary tandremo izany. Ampiharo ny fibebahana mba handraisana famelan-keloka. Matokia ny Ray any An-danitra. Matokia an’i Jesoa Kristy. Hitarika anareo Izy Ireo. Tia anareo Izy Ireo. Ary eo Izy Ireo.

Ry tanora namako malala, fantaro fa tiako sy ankasitrahako ny tsirairay avy aminareo. Mivavaka sy mitsodrano anareo aho. Mpandray anjara manan-danja amin’ny asa mahatalanjona sy masin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ianareo. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball (2006), 222–23.

  2. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona,, nôv. 2015, 96.