Vehivavy lehibe, zanakavavin’ Andriamanitra. Indraindray dia ampiasaina ho mari-panajana ny teny hoe vehivavy ao amin’ny soratra masina (Jao. 19:26 ; Almà 19:10 ).
Andriamanitra nahary ny lehilahy sy ny vehivavy, Gen. 1:27 (Mos. 2:27 ; 6:9 ; Abr. 4:27 ).
Ny tomban’ny vehivavy tsara dia mihoatra lavitra noho ny voahangy, Ohab. 31:10–31 .
Ny vehivavy no voninahitry ny lehilahy, 1 Kor. 11:7 .
Tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy ao amin’ny Tompo, 1 Kor. 11:11 .
Ny vehivavy dia tokony hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika, 1 Tim. 2:9–10 .
Voavela ny helokao, ary ianao dia vehivavy nofinidy, F&F 25:3 .
Ny vehivavy dia manana zo hahazo fanohanana avy amin’ny vadiny, F&F 83:2 .