Zatovovavy
Andraikitra


zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ahy ao amin’ny Zatovovavy

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Zatovovavy

Manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ireo zatovovavy ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina ary mampiorim-paka ny fiovam-pony izy ireo. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy sy ny fivorian’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)

Mpitantsoratry ny Kilasin’ny Zatovovavy

Ny mpitantsoratry ny kilasin’ny Zatovovavy dia manohana ny fiadidian’ny kilasy sy ireo mpitarika ao amin’ny Zatovovavy mba hanompo na hanao asa fanompoana ho an’ireo olona ao amin’ny kilasy. Manomana ny fandaharam-potoanan’ireo fivorian’ny fiadidiana izy, mandray an-tsoratra, ary manara-maso ireo asa nampiandraiketina sy ny fanatrehana ireo fivoriana alahady (11.3.4.2).

Fivorian’ny fiadidiana

Ireo fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy dia mivory tsy tapaka ary miaraka amin’ny mpitantsoratry ny kilasy sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy izay voatendry hanohana azy ireo. Miara-mifampidinika izy ireo ary mikatsaka ny hahazo fanambarana momba ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny kilasin’izy ireo. Ireo fivoriana ireo dia mety ahitana fifanakalozan-kevitra ny amin’ny fanompoana ny olona ao amin’ny kilasy, ka mifantoka manokana amin’ny fanohanana ireo mpikambana vaovao sy ny fanoloran-tanana an’ireo mpikambana malaindaina, ary ny fandaminana ireo fivoriana, ny asa fanompoana ary ireo fiaraha-mientan’ny kilasy. (Jereo ny 11.3.4.3.)

Torolalana sy fitsipika

Ho an’ny torolalana sy fitsipika fanampiny dia jereo ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.