Ny antsoko amin’ny maha Filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy ahy
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.
Tanjon’ny Zatovovavy
Manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ireo zatovovavy ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina ary mampiorim-paka ny fiovam-pony izy ireo. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy sy ny fivorian’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)
Filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy
Ireo filohan’ny kilasy dia mitarika ny ezaka ataon’ny kilasy mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, mamantatra sy manompo ny zatovovavy tsirairay, manao drafitra sy mitarika ireo fivorian’ny kilasy isaky ny Alahady sy ireo fiaraha-mientana hafa, mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara, ary mandray anjara amin’ireo ezaka atao momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 11.3.4.2). Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.
Fivorian’ny fiadidiana
Ireo fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy dia mivory tsy tapaka ary miaraka amin’ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy izay voatendry hanohana azy ireo. Mifampaka hevitra izy ireo ary mikatsaka ny hahazo fanambarana momba ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny kilasin’izy ireo. Ireo fivoriana ireo dia mety ahitana fifanakalozan-kevitra momba ny fanompoana ny olona ao amin’ny kilasy, fifantohana manokana amin’ny fanohanana ireo mpikambana vaovao sy ny fanoloran-tanana ireo mpikambana malaindaina, ary ny fanomanana ireo fivorian’ny kilasy, ny asa fanompoana ary ireo fiaraha-mientana. (Jereo ny 11.3.4.3.)
Filankevitry ny zatovon’ny paroasy
Ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia mifampidinika mikasika ireo fomba hanampiana ny hafa hanorina fijoroana ho vavolombelona, handray ireo ôrdônansin’ny famonjena, hitandrina ireo fanekempihavanana, ary ho tonga mpanaradia mahafatra-po an’i Jesoa Kristy. Miara-mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra ilain’ireo zatovovavy sy zatovolahy ao amin’ny paroasy. Afaka miresaka fiaraha-mientana ahafahana manatanteraka ireo zavatra ilaina ireo izy ireo. (Jereo ny 11.3.4.4.)
Torolalana sy fitsipika
Mba hahitana torolalana sy fitsipika fanampiny dia jereo ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.