Zatovovavy
Andraikitra


zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Voalaza etsy ambany ny mombamomba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Zatovovavy

Manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany indray ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ireo zatovovavy ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany, rehefa manao sy mitandrina ny fanekempihavanana masina izy ireo ka mampiorim-paka ny fiovam-pony. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy sy fivoriana misy azy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)

Mpanolotsaina ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy

Ny filohan’ny kilasy sy ireo mpanolotsainy dia mitarika ny ezaka ataon’ny kilasy mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, miezaka mahafantatra sy manompo ny zatovovavy tsirairay, mandrafitra sy mitarika ny fivorian’ny kilasy isaky ny Alahady sy ny fiaraha-mientana samihafa, mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny paroasy mba hizara ny filazantsara, ary mandray anjara amin’ny ezaka atao momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 11.3.4.2).

Fivorian’ny fiadidiana

Mivory tsy tapaka ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy, ka manatrika izany ihany koa ny mpitarika ny Zatovovavy efa lehibe izay voatendry hanohana azy ireo. Mifampidinika miaraka izy ireo mandritra ny fivoriana ary mikatsaka ny hahazo fanambarana momba ny sitrapon’ny Tompo mahakasika ny kilasy misy azy avy. Mety hisy fifanakalozan-kevitra mandritra ny fivoriana momba ny fomba hanompoana ny olona ao amin’ny kilasy, ny fifantohana manokana amin’ny fomba hanohanana ny mpikambana vaovao, sy ny fanoloran-tanana ny mpikambana malaindaina, ary ny fanomanana ny fivorian’ny kilasy, ny asa fanompoana ary ny fiaraha-mientana. (Jereo ny 11.3.4.3.)

Torolalana sy fitsipika

Mba hahitana torolalana sy fitsipika fanampiny dia jereo ny fizarana 11.6 ao anaty Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.