Ny antsoko amin’ny maha mpampianatra ahy ao amin’ny Sekoly Alahady
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.
Tanjon’ny Sekoly Alahady
Manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana ny Sekoly Alahady. Amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no anaovany izany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 13.1).
Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady
Miezaka mamantatra ireo mpikambana ao amin’ny kilasy ny filohan’ny Sekoly Alahady, anisan’izany ireo izay tsy manatrika kilasy. Manohana ny mpikambana amin’ny ezaka ataony hianarana sy hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo mpampianatra (Jereo ny 13.2.3). Tarihin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahadin’ny paroasy ireo mpampianatra ary manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra fanao isan-telovolana (jereo ny 17.4).
Kilasin’ny Sekoly Alahady
Ny Sekoly Alahady dia tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Miovaova arakaraka ny filan’ny paroasy tsirairay ny haben’ny kilasy. Mba hiomanana hampianatra, ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia mampiasa ny soratra masina sy ireo lesona voarindra ao amin’ny Avia hanaraka Ahy (jereo 13.3).
Fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy
Ny mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia fahatokisana sy andraikitra masina. Rehefa mampianatra ny filazantsara dia manaraha ny ohatry ny Mpamonjy, ilay Mpampianatra Lehibe. Ny mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko faha 17 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (jereo ny 17.1).
Fianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano
Ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fianarana ny filazantsara ho an’ny tenany manokana mba lasa hiova fo ho an’i Jesoa Kristy Tompo. Ireo mpitarika sy mpampianatra dia mankahery ireo mpikambana hikatsaka fitaomam-panahy ho azy manokana mikasika ny fomba handalinana sy hampianarana ny filazantsara (jereo 17.2).