Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny Zatovovavy ahy eo anivon’ny tsatòka
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo eo anivon’ny Fiangonany. Voalaza etsy ambany ny mombamomba ireo andraikitra mikasika ny antsonao.
Ny tanjon’ny Zatovovavy
Manampy ny zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany indray ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ny zatovovavy hitoetra ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany, rehefa manao sy mitandrina ny fanekempihavanana masina izy ireo ka mampiorim-paka ny fiovam-pony. Manompo ny hafa, manatontosa ny andraikitra mikasika ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ny zatovovavy ao amin’ny kilasy sy ny fivoriana misy azy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)
Mpitantsoratry ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka
Ny mpitantsoratry ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia manomana ny “tafiky ny zatovo” an’ny Tompo, mba hanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny ezaka atao hanorenana finoana sy hanamafisana orina ny isam-batan’olona (jereo ny Russell M. Nelson and Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile). Manompo ao kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka izy (jereo ny 6.7.1.2) sy manomana ny fandaharam-potoana sy ny tatitra ary mandray an-tsoratra (jereo ny 6.7.3).
Fivoriana
Ny mpitantsoratry ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia mampianatra ny fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy mandritra ny fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka fanao isan-taona (jereo ny 29.3.4), manatrika ny fivorian’ny fiadidiana sy ny fivorian’ny filankevim-pandrindrana rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondrom-paritra (jereo ny 29.4), ary miteny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ny sehatra hafa rehefa asain’ny fiadidian’ny tsatòka.
Fiaraha-mientana
Eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka, ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia manomana sy mandrindra ny fiaraha-mientana sy ny lasin’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ihany koa (jereo ny 6.7.1.2). Ho an’ireo hetsika itambaran’ny tsatòka maromaro, ireo fiadidiana dia miara-mikaon-doha mba handrosoana fiaraha-mientana itambarana any amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 20.3.1).
Torolalana sy fitsipika
Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.