Zatovovavy
Andraikitra


zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Zatovovavy

Manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ireo zatovovavy ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina izy ireo ary mampiorim-paka ny fiovam-pony. Manompo ny hafa, manatontosa andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasy sy ny fivorian’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)

Filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia manomana ny “tafiky ny tanora” an’ny Tompo mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny ezaka atao mba hanorenana finoana sy hanamafisana orina ny isam-batan’olona (jereo ny Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile). Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka sy ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka izy (jereo ny 6.7.1.2).

Fivoriana

Ny filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia mampianatra ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy mandritra ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka fanao isan-taona (jereo ny 29.3.4), manatrika ireo fivorian’ny fiadidiana sy ireo fivorian’ny filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4), ary manao lahateny ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ny sehatra hafa rehefa asain’ny fiadidian’ny tsatòka.

Fiaraha-mientana

Eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka, ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ihany koa dia hanomana sy handrindra ireo fiaraha-mientana sy lasin’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.7.1.2). Ho an’ireo hetsika hitambaran’ireo tsatòka, dia miara-mikaon-doha ireo fiadidiana mba handrosoana any amin’ny fiadidian’ny tsatòka fiaraha-mientana hitambarana (jereo ny 20.3.1).

Torolalana sy fitsipika

Ny torolalana sy fitsipika fanampiny dia hita ao amin’ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.