Zatovovavy
Andraikitra


zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo eo anivon’ny Fiangonany. Voalaza etsy ambany ny mombamomba ireo andraikitra mikasika ny antsonao.

Ny tanjon’ny Zatovovavy

Manampy ny zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany indray ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ny zatovovavy hitoetra ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany izany, rehefa manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana masina izy ireo ary mampiorim-paka ny fiovam-pony. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra mahakasika ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ny zatovovavy ao amin’ny kilasy misy azy ireo sy ny fivoriana atrehan’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1.1.)

Mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka

Ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia manomana ny “tafiky ny zatovo” an’ny Tompo mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny ezaka hanorenana finoana sy hanamafisana orina ny isam-batan’olona (jereo ny Russell M. Nelson and Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], Médiathèque de l’Évangile). Manampy amin’ny fampahafantarana tsara ireo fiadidiana eo anivon’ny paroasy izy, sy manolotra fanohanana tsy tapaka, ary manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.9).

Fivoriana

Ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia mampianatra ny fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy mandritra ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny tsatòka fanao isan-taona (jereo ny 29.3.4), manatrika ny fivorian’ny fiadidiana sy ny fivorian’ny filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4), ary mandray fitenenana mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy any amin’ireo sehatra hafa rehefa asain’ny fiadidian’ny tsatòka.

Fiaraha-mientana

Manomana sy mandrindra ny fiaraha-mientana sy ny lasin’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka ihany koa ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.7.1.2), ka eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka izany. Raha ho an’ny tsatòka maromaro, dia miara-mikaon-doha ireo fiadidiana mba handrosoana fiaraha-mientana itambarana any amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 20.3.1).

Torolalana sy fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.