Sekoly Alahady
Andraikitra


Lehilahy mampianatra ao an-dakilasy

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ahy ao amin’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Sekoly Alahady

Ny Sekoly Alahady dia manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 13.1).

Mpitantsoratry ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka, ny andraikitry ny mpitantsoratra dia ahitana ny fanomanana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana, ny fandraisana an-tsoratra sy ny fanaraha-maso ireo asa nampandraiketina mandritra ny fivorian’ny fiadidiana, ny fitanana ireo rakitsoratra hafa, ny fanomanana ireo tatitra araka izay angatahan’ny fiadidiana, ary ny fanampiana amin’ny fanomanana ny tetibola fanao isan-taona (jereo ny 6.7.3).

Fivoriana sy filankevitra

Mifampaka hevitra tsy tapaka ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitantsoratra (jereo ny 29.3.4).

Torolalana sy fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.