Sekoly Alahady
Andraikitra


Lehilahy mampianatra ao an-dakilasy

Ny antsoko amin’ny maha filohan’ny Sekoly Alahady ahy eo anivon’ny tsatòka ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo eo anivon’ny Fiangonany. Hita etsy ambany ny famintinana an’ireo andraikitra momba ny antsonao.

Tanjon’ny Sekoly Alahady

Ny Sekoly Alahady dia manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 13.1).

Ny filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Anisan’ny andraikitry ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka ny fanaovana asa mba hanorenana finoana sy hanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo anivon’ny tsatòka, ny fanofanana ireo fiadidian’ny Sekoly Alahady vao nantsoina eo anivon’ny paroasy ary ny fanolorana fanohanana sy torolalana tsy tapaka (jereo ny 6.7.1). Ireo mpanolotsaina ihany koa dia manohana ny filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka amin’ireo asa nampiandraiketina azy fanampiny.

Fivoriana sy filankevitra

Miaraka mikaon-doha tsy tapaka ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka. Manomana sy mitarika ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka izy ireo mba hampianarana ireo mpitarika ao amin’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy ny andraikiny, manampy azy ireo ho lasa mpitarika sy mpampianatra tsara kokoa ary manamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy (jereo ny 29.3.4).

Torolalana sy fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.