Boky torolalana sy antso
Famintinana ireo fanavaozana farany


“Famintinana ireo fanavaozana farany”, Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2026).

“Famintinana ireo fanavaozana farany,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Famintinana ireo fanavaozana farany

Martsa 2026

Toko 1: Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

  • Nasiam-panovana sy naverina nalamina ny toko 1 mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana.

  • 1.1. Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana (nafindra ao amin’ny 1.2 ny fehezanteny farany)

  • 1.2. Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (nafindra ao amin’ny fizarana vaovao 1.4, izay fizarana nasiam-panitsiana, ny lahatsoratra sasany)

  • 1.2.1. Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (fizarana nofoanana, nafindra any amin’ny 1.4.1; nafindra any amin’ny 1.4 ary novana laharana ihany koa ireo fizarana mifanarakaraka tao amin’ny 1.2)

  • 1.3. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana (fizarana vaovao, misy lahatsoratra nafindra avy ao amin’ny 1.3.2 ary nasiam-panitsiana)

  • 1.3.1. Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana (fizarana nofoanana; nafindra ao amin’ny 1.5.1)

  • 1.3.2. Fanekempihavanana sy ôrdônansy (fizarana nofoanana, nafindra any amin’ny 1.3 ary nasiam-panitsiana ny lahatsoratra sasany; nafindra any amin’ny 1.5 ary novana laharana ireo fizarana mifanarakaraka tao amin’ny 1.3)

  • 1.4. Ny anjara toeranao eo amin’ny asan’ Andriamanitra (fizarana nofoanana; nafindra any amin’ny 1.6)

  • 1.4. Ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra ao anatin’ny asany (fizarana vaovao, misy lahatsoratra nafindra avy ao amin’ny 1.2 ary nasiam-panitsiana)

  • 1.4.1. Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (misy laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.2.1; nafindra any amin’ny 1.4 ary novana laharana ihany koa ireo fizarana mifanarakaraka tao amin’ny 1.2)

  • 1.5. Ny tanjon’ny Fiangonana (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3 ary nasiam-panitsiana)

  • 1.5.1. Fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra ao ao amin’ny 1.3.1)

  • 1.5.2. Ny fitarihan’ny mpaminany (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3.3)

  • 1.5.3. Soratra masina (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3.4)

  • 1.5.4. Fanampiana hianatra sy hampianatra ny filazantsara (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3.5)

  • 1.5.5. Fahafahana hanompo sy hitarika (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3.6)

  • 1.5.6. Fiarahamonin’ny Olomasina (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.3.7)

  • 1.6. Ny anjara toeranao eo amin’ny asan’ Andriamanitra (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 1.4)

Toko 3: Ireo fitsipiky ny fisoronana

  • Nasiam-panovana sy naverina nalamina ny toko 3 mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana.

  • 3.5. Ôrdônansy sy fanekempihavanana (fizarana vaovao)

  • 3.5.1. Ôrdônansy (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 3.5.2 ary nasiam-panitsiana; nafindra ao amin’ny 3.5.3 ny votoatin-javatra sasany)

  • 3.5.2. Fanekempihavanana (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 3.5.1 ary nasiam-panitsiana)

  • 3.5.3. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana (fizarana vaovao, nafindra ato avy tao amin’ny fizarana 3.5.2 teo aloha ny votoatin-javatra sasany)

  • 3.5.3.1. Ny batisa (fizarana vaovao)

  • 3.5.3.2. Ny fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina (fizarana vaovao)

  • 3.5.3.3. Ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (fizarana vaovao)

  • 3.5.3.4. Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly (fizarana vaovao)

  • 3.5.3.5. Ny famehezana any amin’ny tempoly (fizarana vaovao)

  • 3.5.4. Ny fanasan’ny Tompo (fizarana vaovao)

  • 3.6. Ny herin’ny fisoronana (laharana fizarana vaovao miseho; nafindra avy ao amin’ny 3.5; nomena laharana vaovao ireo fizarana mifanarakaraka)

Toko 6: Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

  • 6.3. Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahefana ananan’ny filohan’ny distrika sy ny an’ny filohan’ny tsatòka (manazava hoe iza no miahy mandritra ireo fihaonamben’ny distrika sy ny an’ny sampana)

  • 6.6.6. Ireo patriarika izay voantso ho amin’ny andraikitra hafa ato amin’ny Fiangonana (nanavao ny teny hoe “mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly” ho “mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly”)

Toko 10: Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

  • 10.2.1.3. Asa fanompoana sy fiaraha-mientana (nampidirina ny tari-dalana mikasika ny faharetan’ny lasy ataon’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna)

Toko 11: Ny Zatovovavy

  • 11.2.1.3. Asa fanompoana sy fiaraha-mientana (nampidirina ny tari-dalana mikasika ny faharetan’ny lasy ataon’ny Zatovovavy)

Toko 12: Ny Kilonga

  • 12.2.1.2. Fianarana ny filazantsara (nampidirina ny fahafahana misafidy ny hanaovan’ny ankizy iray fijoroana ho vavolombelona mandritra ny fotoam-panokafana ny fivorian’ny Kilonga)

  • 12.2.1.3. Asa fanompoana sy fiaraha-mientana (nanavao ny teny hoe “lasy amin’ny antoandro” ho “fiaraha-mientana lehibe” ary nampidirina ny tari-dalana mikasika ny zavatra mety ho hita ao anatin’ny fiaraha-mientana lehibe)

  • 12.3.4. Mpampianatra hira sy mpitendry pianô (nanaisotra ny firesahana mikasika ny application Musique sacrée, izay efa natambatra tamin’ny application Médiathèque de l’Évangile)

Toko 13: Sekoly Alahady

  • Nohavaozina ny toko 13 mba hanehoana ny taratasy iray avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izay milaza fa azo antsoina ho filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy ny vehivavy iray na ny lehilahy iray.

Toko 14: Ireo mpikambana tokan-tena

  • 14.4.2. Alatsinainy hariva (tari-dalana nohavaozina mba hanomezana lalana ny tanora tokan-tena sy ireo olon-dehibe tokan-tena hanao fiaraha-mientan’ny Fiangonana rehefa alatsinainy hariva, na dia any amin’ny toerana tsy misy paroasy ho an’ny tanora tokan-tena na an’ny olon-dehibe tokan-tena aza)

Toko 15: Institiota

  • 15.2. Institiota (misy teny nohazavaina mahakasika ny mpianatra ao amin’ny BYU–Pathway Worldwide)

Toko 18: Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana

  • Manerana ny toko 18, ilay andian-teny hoe “ôrdônansy sy tsodrano” dia novaina ho “ôrdônansy” mba hanazavana fa ôrdônansy ny tsodrano.

  • 18. Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana, tafiditra ao anatin’izany ireo tsodrano (lohateny nasiam-panitsiana)

  • 18.1. Ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (nampiditra fampifandraisana amin’ny 3.5.3)

  • 18.17.2. Fahazoana ny tsodranon’ny patriarika (lohateny nasiam-panitsiana; tari-dalana nohavaozina momba ny fahazoana ireo tsodranon’ny patriarika ho an’ny tena manokana, tafiditra ao anatin’izany ny application Médiathèque de l’Évangile)

Toko 19: Hira

  • Manerana ny toko 19, ny filazana ny hoe application Musique sacrée dia nesorina. Efa natambatra tamin’ny application Médiathèque de l’Évangile io application io.

Toko 20: Fiaraha-mientana

  • 20.1. Tanjona (lisitra nohavaozina mba hampidirana ireo fiaraha-mientana mifantoka amin’ny fikarakarana ny tontolo iainana)

  • 20.2.3. Ireo fenitra (fenitra nohavaozina ho an’ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana mba hampidirana ny famerana ny habetsaky ny fako sy ny fampiasana ireo loharano voajanahary amim-pahendrena)

  • 20.5.3. Alatsinainy hariva (tari-dalana nohavaozina momba ny fanaovana fiaraha-mientana ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana rehefa alatsinainy hariva, izay ahitana tranga maningana nahazoana lalana ho an’ireo tanora tokan-tena sy olon-dehibe tokan-tena, fianakaviana ary paroasy sy sampana ny alin’ny faran’ny taona)

Toko 24: Fandefasana ny fangatahana hirotsaka ho misiônera sy ny mombamomba ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno

  • Manerana ny toko 24, ny taona ambany indrindra ho an’ny vehivavy tanora tokan-tena mba ho lasa misiônera dia nohavaozina ho 18 taona raha 19 taona izany teo aloha. Ny teny hoe “mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly” dia nohavaozina ihany koa ho lasa “mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly”.

Toko 25: “Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka”

  • 25.5. Fanolorana sy fiantsoana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly (lahatsoratra nafindra ato amin’ity fizarana ity avy ao amin’ny 25.5.2 ary nasiam-panitsiana)

  • 25.5.1. Fanolorana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly (nohazavaina fa antsoina ireo mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly fa tsy tendrena)

  • 25.5.2. Fepetra takina ho an’ireo mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly (nafindra any amin’ny 25.5 ny fehezanteny voalohany)

Toko 28: Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty

  • 28.2.1. Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty (nohavaozina ny lisitra voatanisa ahitana ireo asa atao momba ny batisa)

Toko 35: Fikarakarana sy fampiasana ny trano fiangonana

  • 35.4.4. Fitsitsiana angovo sy rano (nampiditra lahatsoratra mba hilazana ny voka-tsoa ara-tontolo iainana avy amin’ny ezaka atao amin’ny fitsitsiana)

  • 35.5.3. Fampiasan’ny mpikambana ny trano fiangonana—Ho an’ny tena manokana sy ho an’ny fianakaviana (nampiditra fampifandraisana amin’ny 20.5.3)

Toko 38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana

  • Fizarana 38.2: Fitsipika mikasika ireo ôrdônansy sy tsodrano

    • 38.2.6.6. Tsy mifanaraka amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy voajanahary azy tany am-pahaterahana ny ôrdônansin’ny tempoly noraisiny (fizarana vaovao)

  • Fizarana 38.4: Ireo fitsipika momba ny famehezana

    • 38.4.1.8. Famehezana ireo olona efa maty (nanazava momba ny fotoana ilàna ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany alohan’ny hamehezana mpivady efa maty izay tsy manana taratasy manamarina ny fanambadiany)

  • Fizarana 38.5: Akanjo fitafy ao amin’ny tempoly sy garmentan’ny tempoly

    • 38.5.1. Fitafiana fanao any amin’ny tempoly (tari-dalana nohazavaina momba ny fitafiana fanao any amin’ny tempoly)

    • 38.5.9. Fanariana ireo garmenta sy akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansy ao amin’ny tempoly (lahatsoratra nohazavaina)

  • Fizarana 38.8: Fitsipika mifehy ny fitantanana

    • 38.8.6. Fikolokoloana ny tany (fizarana vaovao)

    • 38.8.18. Ireo vahiny mpandaha-teny na mpampianatra (tari-dalana nohazavaina mikasika ny fanasana vahiny mpandaha-teny sy mpampianatra)