Boky torolalana sy antso
1. Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana


“1. Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2026).

“1. Asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

lehilahy manangana trano

1.

Ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara toeranao eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

1.0

Teny fanolorana

Voantso ianao hanompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Misaotra anao noho ny fanompoanao. Hitahy fiainan’olona maro ianao ary hahita fifaliana eo am-panompoanao amim-pahatokiana.

Ity boky torolalana ity dia hanampy anao hianatra ireo fitsipiky ny fanompoana araka an’i Kristy sy hahatakatra ireo andraikitrao. Hahomby indrindra ianao rehefa mampifanaraka ny fanompoanao ao amin’ny Fiangonana amin’ny asan’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanany. Ity toko ity dia hanampy anao hahatakatra:

  • Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana.

  • Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Ny tanjon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

1.1

Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana

Nanolotra ny drafitry ny fahasambarana ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika mianoka ireo fitahiana rehetra avy Aminy. Ny asany sy ny voninahiny dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay manana vatana nofo efa nitsangana tamin’ny maty. Ny fiainana mandrakizay na koa fisandratana, dia ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra ary miaina eo anatrehany mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana.

I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika izay tsy misy fetra, dia nandefa ny Zanany lahy Izy hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony (jereo ny Jaona 3:16). Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy no hiantohany fa isika tsirairay izay teraka eto an-tany dia hitsangana amin’ny maty ary hahazo ny tsy fahafatesana.

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy “manat[o]na an’i Kristy” isika (Môrônia 10:32). Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no ahafahantsika ho voadio amin’ny fahotana sy hiova fo mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay sy fifaliana feno.

1.2

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Tian’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra mba ho lasa tahaka Azy sy hiverina hiara-hiaina Aminy. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakalahiny ihany no ahafahana manatanteraka izany (jereo ny Jaona 14:6). Rehefa misafidy ny hanatona an’i Kristy sy hanampy ny hafa hanatona Azy isika dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny mitarika ity asa ity dia ireo didy roa lehibe, dia ny hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika izany (jereo ny Matio 22:37–39).

Manatona an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy, ny fibebahana, ary ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana masina (jereo ny 3.5). Rehefa manao izany isika dia manorina fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra izay mamela antsika hanatona Azy kokoa sy handray ny famindram-pony, ny famelany, ary tanjaka misimisy kokoa (jereo ny Eksodosy 19:5; 3 Nefia 20:25–26). Manampy antsika ho tonga tahaka Azy sy manomana antsika hiara-hiaina Aminy mandrakizay ny fitandremana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Mitana anjara asa fototra amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fanekempihavanana.

1.3

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana

Ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manao fanekempihavanana isika rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Ireo ôrdônansy ireo dia:

  • Ny batisa.

  • Ny fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy).

  • Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly.

  • Ny famehezana any amin’ny tempoly.

Rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’ireo ôrdônansy ireo isika, dia afaka ny ho tonga kokoa tahaka an’ Andriamanitra sy handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; jereo koa ny 3.5.3 ato amin’ity boky torolalana ity).

1.4

Ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra ao anatin’ny asany

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia ahitana andraikitra efatra voatendrin’ Andriamanitra. Ny fanatanterahana ireo andraikitra ireo dia manampy antsika hitandrina ny fanekempihavana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Manohana ny hafa ihany koa isika rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina izy ireo. Fintinina etsy ambany ireo andraikitra ireo.

1.4.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana ny:

  • Fampiharana finoana an’i Kristy, ny fibebahana isan’andro, ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana isika, ary ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny 1.2; 3.5.3).

  • Fianarana sy fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantrano sy any am-piangonana.

  • Fizakan-tena eo amin’ny fitadiavana ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika, na ara-panahy na ara-batana.

rahavavy misiônera mampianatra vehivavy

1.4.2

Fikarakarana ireo izay sahirana

Ny fikarakarana ireo izay sahirana dia ahitana ny:

  • Fanompoana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina.

  • Fizarana ireo loharanom-pitaovana, anisan’izany ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana, amin’ireo sahirana.

  • Fanampiana ny hafa ho lasa mizaka tena.

1.4.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara dia ahitana ny:

  • Fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana sy ny firotsahana ho misiônera.

  • Fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy niverina mazoto indray handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

1.4.4.

Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay

Ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay dia ahitana ny:

  • Fanaovana fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tenantsika manokana any amin’ny tempoly.

  • Famantarana ireo razambentsika ary fanatanterahana ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

  • Fankanesana any amin’ny tempoly tsy tapaka, raha azo atao, hitsaohana an’ Andriamanitra sy hanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo zanany.

1.5

Ny tanjon’ny Fiangonana

Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny rehetra mahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana. Amin’ny alalan’ny Fiangonany no hanomezany fahafahana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana handray ireo fitahiana ireo sy hanampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Efesiana 4:11–13; jereo koa ny 2.2 ato amin’ity boky torolalana ity). Mba hanampiana amin’ny fanatanterahana io tanjona masina io, dia atolotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonany sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana:

  • Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana.

  • Ny fitarihan’ny mpaminany.

  • Ny soratra masina.

  • Fanampiana amin’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara.

  • Fahafahana hanompo sy hitarika.

  • Fiaraha-monin’ny Olomasina.

1.5.1

Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana

Amin’ny alalan’ny fisoronana no hanatanterahan’ Andriamanitra ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana izay ilaina mba hanomezana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary mba hitantanana ny asan’ Andriamanitra eto an-tany dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16: 112:30; jereo koa ny 3.1 ato amin’ity boky torolalana ity). Ireo fahefana sy ireo fanalahidy ireo dia hazonin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Ireo mpitarika ireo dia miantso sy manome lalana olon-kafa mba hanampy eo amin’ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, 65–67).

1.5.2

Ny fitarihan’ny mpaminany

Amin’ny alalan’ireo mpaminany nofinidiny Andriamanitra no hanambara ny fahamarinana sy hanolotra fitarihana sy fampitandremana amin’ny alalan’ny tsindrimandry (jereo ny Amosa 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4). Io fitarihana io no manampy antsika hiditra sy hitoetra eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

1.5.3

Ny soratra masina

Eo ambany fitarihan’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo no hanoloran’ny Fiangonana sy hitahirizan’ny Fiangonana ny tenin’ Andriamanitra araka ny hita ao amin’ny soratra masina. Ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy, sy mampianatra ny filazantsarany, ary manampy antsika hampihatra finoana Azy (jereo ny Jakôba 7:10–11; Helamàna 15:7).

1.5.4

Fanampiana amin’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara

Ny Fiangonana dia manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny tokony hianarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy hampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–78, 118; jereo koa ny 2.2.3 ao amin’ity boky torolalana ity).

1.5.5

Fahafahana hanompo sy hitarika

Amin’ny alalan’ny antso sy ny fanomezana andraikitra ato amin’ny Fiangonana no hanomezan’ Andriamanitra ny mpikambana fahafahana hanompo sy hitarika. Manolotra rafitra ny Fiangonana hahafahana mikarakara ireo mpikambana sahirana sy manolotra fanamaivanana avy amin’ny asa fanampiana olona ho an’ny hafa (jereo ny Môzià 18:27–29).

1.5.6

Fiaraha-monin’ny Olomasina

Amin’ny maha-fiaraha-monin’ny Olomasina an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia mivory tsy tapaka izy ireo hitsaoka an’ Andriamanitra sy hahatsiaro ny Mpamonjy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 6: 4–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Ireo mpikambana dia mifampikarakara sy mifanompo ihany koa (jereo ny Efesiana 2:19).

tempoly, Tijuana Meksika

1.6

Ny anjara toeranao eo amin’ny asan’ Andriamanitra

Amin’ny maha-mpitarika anao ato amin’ny Fiangonana, dia voantso ianao hampianatra sy hanohana ireo izay tompoinao eo am-panampian’izy ireo an’ Andriamanitra amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny fanananao fahatakarana mazava mikasika ny asan’ Andriamanitra, sy izay asainy hataonao, ary ny tanjon’ny Fiangonany dia hanampy anao hampifantoka ny ezaka ataonao amin’ny fitondrana olona hanatona an’i Kristy.

Katsaho amim-bavaka ny hahafantatra ny fomba ahafahanao manampy amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo izay tompoinao. Hotarihin’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ireo bitsiky ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 32:5). Hitondra fifaliana lehibe ho anao ny fiarahana miasa amin’ny Tompo ao amin’ny tanimboliny (jereo ny Jakôba 5:70–72).