“Manorina fizakan-tena: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Manorina fizakan-tena,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Manorina fizakan-tena
Manorina fizakan-tena
Topimaso ankapobeny
Ny Mpamonjy dia nanambara hoe: “Ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko. … Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–16). Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia manasa Azy mba hanampy antsika hizaka tena kokoa amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Manampy ny Olomasiny i Jesoa Kristy hanorina fizakan-tena mba hahafahan’izy ireo mamelona ny tenany sy mianatra mitahy ny hafa tahaka izay ataony.
Soso-kevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Mety hahomby kokoa ny fampianarana ireo lesona ireo araka ny filaharan’izy ireo ato amin’ity tahirin-kevitra ity. Ny lesona roa voalohany dia mampahafantatra ny mpianatra ny fitsipiky ny fizakan-tena ary hanampy azy ireo hahatakatra kokoa ireo lesona roa farany. Ny fampianarana ireo lesona roa voalohany “Hanorina fizakan-tena” amin’ny fiandohan’ny taona dia afaka manampy ihany koa hanomana ireo mpianatra hahatakatra ireo fitsipika izay hohalalin’izy ireo ao amin’ny lesona “Fianarana sy asa” sy ny lesona “Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo.”
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny antony ilana manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hamaritana ny teny hoe fizakan-tena sy hieritreritra ireo fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hanorina fizakan-tena eo amin’ny fiainany.
-
Sary haseho: Trondro; fitaovana fanjonoana; i Jesoa niasa tamin’ny fahazatovony
-
Taratasy zaraina: “Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo”
Finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorenana fizakan-tena
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hanorina fizakan-tena.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanolotra vavaka ho an’ny tena manokana mangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo hamantatra sehatra iray eo amin’ny fiainany izay ahafahan’izy ireo mizaka tena kokoa.
-
Horonan-tsary: “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy” (16:22; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana faha-5:24 hatramin’ny 6:08)
-
Fitaovana haseho: Teny nambaran’ny Eveka W. Christopher Waddell
Fitantanana amim-pahendrena ny loharano ara-bola
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampiharana finoana an’ Andriamanitra rehefa manorina fizakan-tena ara-bola izy ireo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanoratra zavatra manan-danja izay antenain’izy ireo hotanterahana any aoriana any izay mitaky loharanom-bola. Asao izy ireo hisaintsaina ny drafiny mba ho vonona ara-bola amin’ireo zavatra ireo na amin’ireo fanontaniana izay mety hananany mikasika ny fiomanany ara-bola.
-
Fampahalalana ho an’ny mpianatra: Fandaniana mahazatra amin’ny fanaovana asa fitoriana sy handrantoana fianarana any amin’ny oniversite ary koa ny fandaniana eo amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny faritra misy anao
-
Fitaovana: Tahadikan’ny kisary maneho ny fitsipika hitsinjarana ny fampiasana vola
-
Horonan-tsary: “Ny fitenin’ny filazantsara” (12:27; manomboka amin’ny minitra faha-6:10 hatramin’ny 7:40); “Le voyage de Sedrick” (2:32)
Ny fizakan-tena dia mamela antsika hikarakara tsara kokoa ny hafa
Tanjon’ny lesona: Hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fizakan-tena manampy azy ireo hanaraka tsara kokoa ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fanampiana ny hafa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fomba ahafahan’ity teny nambara manaraka ity ho marina na ho an’ny ara-batana izany na ho an’ny ara-panahy: “Tsy afaka mampahery olona iray hafa ianao raha tsy efa matanjaka kokoa noho izy” (Harold B. Lee, “Stand Ye in Holy Places,” Ensign, jolay 1973, 123).
-
Fitaovana: Tahadikan’ny teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho an’ny vondrona kely maromaro mba hifanakalozan-kevitra
-
Taratasy zaraina: “Ohatra amin’ny fizakan-tena avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana”