“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123: Topimaso ankapobeny,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123
Topimaso ankapobeny
Taorian’ny namadihana sy nisamborana azy ireo noho ny fiampangana diso dia nogadraina tao Liberty, Missouri, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Nandritra ny ririnina 1838–1839 dia nijaly izaitsizy ireo Olomasina tao Missouri. Tao anatin’izany fijaliana izany dia nampionona azy ireo tamin’ny alalan’ny torohevitra feno fangorahana ny Tompo ary nampianatra azy ireo hisitraka ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny fahamarinana.
Ampio ny mpianatra hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainan’izy ireo: Rehefa ampifandraisan’ny mpianatra amin’ny soratra masina ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana dia ho hitan’izy ireo kokoa ny fomba anomezan’ireo soratra masina valiny sy fitarihana mba hitarihana azy ireo ao anatin’ny toe-javatra tena misy. Afaka mampitombo ny fahazotoan’izy ireo hianatra sy hampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara izany. Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny fizarana “Nanampy ny olona hahita ny lanjan’ny fotopampianarany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny Mpamonjy” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mahita ohatra iray momba ny fomba hanaovana izany koa ianao ao amin’ny lesona ho an’ity herinandro ity mitondra ny lohateny hoe “Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123.”
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireo fitsapana atrehantsika.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanontany olona iray akaiky azy ireo izay niaritra fitsapana mafy iray tamim-pahatokiana mba hizara ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy tamin’ny zavatra niainany.
-
Sary haseho: Sarin’ny Fonjan’i Liberty
-
Horonan-tsary: “Lessons from Liberty Jail,” (44:25; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 3:00 ka hatramin’ny 8:49 ary manomboka amin’ny kaodim-potoana 14:30 ka hatramin’ny 15:22)
-
Fitaovana: Tahadikan’ireo famintinana ara-tantara ary taratasy tsy mbola misy soratra ho an’ny mpianatra tsirairay
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hisitraka feno kokoa ny herin’ny lanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fiezahana ho tahaka an’i Kristy kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra mombana fitaovana iray ampiasain’izy ireo izay ilàna herinaratra. Amporisiho izy ireo hisafidy fitaovana iray, hisaintsaina ny fomba iankinan’ny fahombiazan’izany amin’ilay hery (avy amin’ny aratra), ary hizara amin’ny olona iray lesona ara-pilazantsara izay nianaran’izy ireo mikasika ny hery.
-
Sary haseho: Sarin’i Jesoa Kristy sy ny Fonjan’ny Liberty
-
Horonan-tsary: “Manovo ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” (14:50; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 12:25 ka hatramin’ny 13:55) “Go and Sin No More” (3:18)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa noho i Jesoa Kristy, na ireo zavatra iainana sarotra aza dia afaka manampy antsika hivoatra sy ho lasa tahaka Azy kokoa.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ohatra iray azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy momba ny namadihan’ Andriamanitra fitsapana iray nozakain’izy ireo na ny olona akaiky azy ireo ho lasa fitahiana.
-
Fitaovana: Vato marokoroko sy voatefy (na sary raha toa ka tsy misy vato)
-
Horonan-tsary: “Faith Murray’s Story: Overcoming Adversity through Service” (4:52)
-
Taratasy zaraina: “Mahatsiaro an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo fijaliana lalovantsika”