“Hevitra hanatsarana ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2026 (2026)
Hevitra hanatsarana ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Rehefa mandalina ny filazantsaran’ny Mpamonjy ao an-tokantrano sy ao am-piangonana ianao dia diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafahanao manasa ny Fanahy hitondra anjara biriky amin’ny fandalinanao?
-
Ahoana no ahafahanao mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny fandalinanao?
-
Ahoana no ahafahanao manararaotra ny fotoana hianarana andavanandro?
-
Ahoana no ahafahanao mamporisika ny fianakaviana sy ny mpianatra mba handalina samirery ny soratra masina sy hizara ny zavatra nianarany?
Ireto misy fomba tsotra hanatsarana ny fandalinanao ny tenin’ Andriamanitra.
Mivavaha mba hahazoana fitaomam-panahy
Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra ka noho izany dia mangataha fanampiana Aminy mba hahatakarana izany.
Mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy
Ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63), ka noho izany dia raiso an-tsoratra na asio marika ireo andininy izay mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, ary ampianaro ny fomba hanarahana Azy. Indraindray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny dia sintonina amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Manontania tena hoe, “Inona no fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? Inona no ampianarin’ireto fahamarinana ireto ahy momba ny Mpamonjy?”
Henoy ny Fanahy
Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao na dia tsy misy ifandraisany amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho ny zavatra tian’ny Rainao any An-danitra hianaranao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Misy fomba maro azo hiraketana ireo fahatsapana tonga mandritra ny fandalinanao. Ohatra, mety ho hitanao fa manan-danja lehibe aminao ny teny sy andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny manisy marika azy ireo ary mirakitra ny eritreritrao ho toy ny fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Afaka mampiasa diary koa ianao hiraketana ireo hevi-baovao sy fahatsapana ary eritreritra tonga ao aminao.
Zarao amin’ny hafa ny zavatra nianaranao
Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo hevi-baovao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia fomba tsara hampianarana ny hafa ary manampy amin’ny fanamafisana orina ny fahatakaranao ny zavatra novakinao koa izany. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny namanao ny zavatra nianaranao (mivantana na tamin’ny endrika nomerika), ary asao izy ireo hanao toy izany koa.
Ampifandraiso amin’ny fiainanao ny soratra masina
Eritrereto ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana vakinao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, azonao atao ny manontany tena hoe, “Inona no zavatra niainako izay mitovy amin’ny zavatra novakiko?”
Mametraha fanontaniana rehefa mandalina ianao
Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Ireo fanontaniana ireo dia mety hisy ifandraisany amin’ny zavatra vakinao na amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny. Saintsaino ireo fanontaniana ireo ary mitadiava valiny rehefa manohy mandalina ny soratra masina ianao.
Ampiasao ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina
Mba hahazoana hevitra fanampiny amin’ireo andininy izay vakinao dia ampiasao ireo fanovozan-kevitra eny farany ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ary ireo fanampiana hafa ho an’ny fandalinana.
Diniho ny sahan-kevitry ny soratra masina
Afaka mahita hevi-baovao manan-danja momba ny soratra masina iray ianao raha jerenao ny sahan-kevitr’izany, ka tafiditra ao anatin’izany ireo toe-javatra sy toerana nitrangan’ilay soratra masina. Ohatra, afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra tian’ireo tenin’ Andriamanitra hambara ny foto-piaviana sy ny finoan’ireo olona niresahan’ Andriamanitra.
Halalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany
Vakio ireo zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany mikasika ireo fitsipika hitanao ao amin’ny soratra masina.
Iaino izay ianaranao
Ny fandalinana soratra masina dia tsy tokony hanentana ny fanahintsika fotsiny fa hitarika antsika hanova ny fomba fiainantsika koa. Henoy ny zavatra asain’ny Fanahy hataonao rehefa mamaky ianao, ary avy eo dia mandraisa andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika ireo.
Mampiasà hira
Ireo hira ao amin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy aroso dia hita aoao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Mampiasà hira masina mba hanasana ny Fanahy sy hampitomboana ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.
Ataovy tsianjery ny soratra masina
Misafidiana soratra masina iray izay manan-danja aminao, na ny fianakavianao, na ny kilasinao, dia ataovy tsianjery izany amin’ny alalan’ny famerenana izany isan’andro na ny fanaovana kilalao fitadidiana.
Mizarà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana
Mitadiava zavatra mifandray amin’ireo toko sy andininy izay vakinao. Diniho ny fomba ifandraisan’ny zavatra tsirairay amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.
Manaova sary, na mitadiava sary, na makà sary
Mamakia andininy vitsivitsy, ary avy eo dia manaova sary mifandray amin’ny zavatra novakinao. Na azonao atao ny mitady sary ao amin’nyBoky mirakitra sary momba ny filazantsara na any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao koa ny maka sary mampiseho ny zavatra nianaranao.
Lalaovy an-tsehatra ny tantara
Rehefa avy mamaky tantara iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny mpianatra hilalao izany an-tsehatra. Aorian’izany dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba ifandraisan’ilay tantara amin’ny zavatra iainanao.
Mahaiza mandanjalanja ao an-trano
Raha misy olona ao amin’ny fianakavianao izay tsy vonona ny handray anjara amin’ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina dia mitadiava fomba hafa hifandraisana amin’izy ireo. Ohatra, afaka miresaka ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy ao anatin’ny resaka ifanaovanareo ve ianao na mizara soratra masina manan-danja manokana amin’ny fomba izay tsy toy ny mitory teny be loatra na atao amin’ny feo feno fahefana? Tsy voatery hitovy ny fandalinana ny soratra masina any amin’ny fianakaviana rehetra. Ny ankizy sasany dia mety ho tia kokoa ny fandalinana ny soratra masina raha mandalina izany mitokana. Mivavaha matetika ary araho ny fitarihan’ny Fanahy.
Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny. Raha mila fanampiana fanampiny ianao amin’ny ezaka ataonao amin’ny fampianarana ny zanakao dia fantaro raha manao fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ny ray aman-dreny ny paroasy misy anao (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 17.5). Ireo fivoriana ireo dia fotoana ahafahan’ny ray aman-dreny mifanoro hevitra sy mianatra momba ny fomba hanatsarana ny fampianarany. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, sy ireo hevitra ao amin’ireo pejy ireo mba hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, ary ireo sosokevitra momba ny fianarana sy fampianarana hita manerana ny Avia, hanaraka Ahy.