“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Testamenta Taloha 2026 (2026)
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ho an’iza ity loharanom-pitaovana ity?
Ny Avia, Hanaraka Ahy dia natao ho an’izay maniry ny hianatra manokana na miaraka amin’ny fianakaviana na ao amin’ireo kilasy ao amin’ny Fiangonana zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity loharanom-pitaovana ity.
Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao an-tokantrano
Ny toerana tsara indrindra ianarana ny filazantsara dia ao an-tokantrano. Ireo mpampianatra ao am-piangonana dia afaka manohana anao, ary afaka mahazo fankaherezana avy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy misy anao ianao. Saingy mba hahafahana ho tafavoaka velona ara-panahy, ianao sy ny fianakavianao dia mila famahanana isan’andro amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4; jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 6–8).
Ampiasao amin’izay fomba mety hanampy anao ity loharanom-pitaovana ity. Ireo rindran-damina dia manasongadina fahamarinana mandrakizay izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Manolotra hevitra sy asa atao koa izy ireo mba hanampiana anao handalina manokana ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakavianao na miaraka amin’ny namana. Eo am-pandalinanao dia manaraha ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana fahamarinana mandrakizay izay hanan-danja aminao. Tadiavo ny hafatr’ Andriamanitra ho anao, ary araho ireo bitsika azonao.
Ireo mpampianatra sy mpianatra ao am-piangonana
Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana no fandaharam-pampianarana ho an’ireo kilasy isaky ny alahady ao amin’ny Kilonga, ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo sy ny olon-dehibe, ny kilasin’ny Zatovovavy, ary ireo fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Raha mampianatra ao anatin’ny iray amin’ireo rafitra ireo ianao dia amporisihina hampiasa ireo rindran-damina ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ho an’ny fandalinanao manokana sy rehefa miomana hampianatra ianao. Atombohy amin’ny alalan’ny fiainanao zavatra manokana avy ao amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mikaroka ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao. Mikaroha fahamarinana mandrakizay izay manampy anao ho lasa kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana sasany ireo sy hahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina.
Ataovy ao an-tsaina hatrany fa ny fianarana ny filazantsara, raha ny tena mety indrindra, dia mifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andraikitrao voalohany indrindra dia ny manohana ny olona izay ampianarinao amin’ny ezaka ataony mba hianatra sy hiaina ny filazantsara ao an-tokantrano. Aza manahy raha votoatin-javatra tokana ihany no azonao omena azy ireo ao an-dakilasy. Omeo fahafahana kosa izy ireo hizara ny zavatra iainany, ny eritreriny, ary hametraka fanontaniana momba ireo andinin-tsoratra masina novakiny tany an-trano. Asao izy ireo hizara ireo fahamarinana mandrakizay izay hitany. Manan-danja kokoa noho ny hoe mamita ampahany voafaritra tsara amin’ny lesona izany.
Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo sy ho ny an’ny olon-dehibe
Antony iray lehibe hivoriantsika ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny mba hifanohana sy hifankahery eo am-piezahantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy. Fomba tsotra iray hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina anao tamin’iny herinandro iny rehefa nandalina ny soratra masina ianao?” Ny valin’izany fanontaniana izany dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra manan-danja izay hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Avy eo ianao dia afaka manao izay hisian’ny fifanakalozan-kevitra miainga amin’ireo sosokevitra enti-mandalina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ohatra, ny hevitra hoenti-mandalina dia mety hanolotra sosokevitra mba hanao fikarohana ao amin’ny Isaia 53, ka hitady ireo teny izay mamariparitra ny asa nanirahana ny Mpamonjy. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara izay eritreritra na fahatsapana nentin’ireo teny ireo ho azy ireo. Na azonao atao ny manokana fotoana kely hitadiavana ireo teny ireo miaraka amin’ny iray kilasy.
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny zatovovavy
Rehefa mivory mandritra ny alahady ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy dia somary tsy mitovy amin’ny tanjon’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny tanjon’izy ireo. Ankoatra ny fifanampiana amin’ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ireo vondrona ireo dia mivory koa mba hanaovana filankevitra mikasika ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 1.2). Manao izany eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny kilasy sy kôlejy izy ireo.
Noho izany antony izany, ny kôlejy sy kilasy tsirairay avy dia tokony hanomboka amin’ny fitarihan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy fifanakalozan-kevitra momba ireo ezaka atao, ohatra hoe mikasika ny fiainana ny filazantsara, na ny fanompoana ny olona sahirana, na ny fizarana ny filazantsara, na ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.
Aorian’izany fotoana fanaovana filankevitra miaraka izany, ny mpampianatra iray dia mitarika ny kilasy na kôlejy mba hiaraka hianatra ny filazantsara. Azo ampandraiketina hampianatra ny olon-dehibe mpitarika na ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy. Ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, rehefa avy nifandinika tamin’ny olon-dehibe mpitarika, no manome ireo andraikitra ireo.
Ireo olona omena andraikitra hampianatra dia tokony hiomana amin’ny alalan’ny fampiasana ny sosokevitra enti-mampianatra ao amin’ny rindra-damina isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ao amin’ny rindran-damina tsirairay avy, ity sary famantarana ity dia manondro fa misy sahanasa izay manan-danja manokana ho an’ny zatovo. Izay mety ho sosokevitra rehetra ao amin’ny rindran-damina anefa dia azo ampiasaina ho sahanasa fianarana ho an’ny zatovo.
Mba hahitana santionany amin’ny fandaharam-potoanan’ny fivorian’ny kôlejy sy kilasy dia jereo ny Tovana E.
Kilonga
Ny fiomananao hampianatra ny Kilonga dia manomboka rehefa mandalina manokana sy miaraka amin’ny fianakavianao ny soratra masina ianao. Rehefa manao izany ianao dia manàna fahavononana handray ireo fahatsapana sy hevi-baovao ara-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao. Aoka ianao hivavaka lalandava, ary ny Fanahy dia ho afaka ny hanolotra hevitra anao mba hanampiana azy ireo hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomam-panahy fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fitrandrahana ireo torohevitra enti-mampianatra ato anatin’ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana. Ny rindran-damina tsirairay ato amin’ity loharanom-pitaovana ity dia misy fizarana iray izay mitondra ny lohateny hoe “Hevitra enti-mampianatra ny ankizy.” Raiso ho toy ny sosokevitra mba hahazoanao fitaomam-panahy ireo hevitra ireo. Fantatrao ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatr’ Andriamanitra koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.
Mety ho efa nanao ny sahanasa sasany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy niaraka tamin’ny fianakaviany ny ankizy ao amin’ny kilasinao. Tsy maninona izany. Tsara ny famerimberenana. Azonao atao ny manasa ny ankizy hifampizara ny zavatra nianarany tany an-trano, nefa tokony hanomana fomba mba handraisan’ny ankizy anjara ianao na dia tsy mianatra any an-tokantranony aza izy ireo. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny sahanasa isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny sahanasa enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao koa ny mamerina sahanasa iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.
Ao anatin’ireo volana ahitana alahady miisa dimy dia azon’ny mpampianatra ny Kilonga atao ny mamporisika ny hanoloana ny lesona Avia, hanaraka Ahy efa voalahatra fa hatao ny alahady fahadimy amin’ny iray na ny maromaro amin’ireo sahanasa fianarana ao amin’ny “Tovana B: Ho an’ny Kilonga—Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”