Liahona
Ny lalana mahafalin’ny fanekempihavanana
Liahona, Febroary 2026


“Ny lalana mahafalin’ny fanekempihavanana”, Liahona, feb. 2026.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona Febroary 2026

Ny lalana mahafalin’ny Fanekempihavanana

Ny fahagagana sy ny halehiben’ny olona ao amin’ny fianakaviana voafatotra miaraka eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka, dia mitondra fahatalanjonana sy fifaliana lehibe ho an’ny fanahiko ary mameno ahy amin’ny fanahin’ny fankasitrahana.

Loholona Patrick Kearon sy i Jennifer vadiny

Loholona Patrick Kearon sy i Jennifer vadiny

Rehefa nandao an’i Nauvoo, Illinois i Israel sy i Elizabeth Haven Barlow, ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny 1848, dia namela zazalahy kely iray izay nalevina tao amin’ny toeram-pandevenana kely iray tao Nauvoo izy ireo. Nodimandry fotoana fohy taorian’ny nahaterahany tamin’ny mey 1841 i James Nathaniel Barlow kely, zanak’izy ireo voalohany.

Rehefa niainga ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake i Israel sy i Elizabeth dia tsy nanantena velively ny hibanjina indray ny fasan’ny zanany lahy. Saingy rehefa nantsoina hanao asa fitoriana tany Angletera i Israel taona vitsy taty aoriana, dia nandalo tao Nauvoo izy, rehefa nandeha niatsinanana. Araka ny fangatahan’i Elizabeth dia nijanona izy mba hijery ny toerana misy ny fasan’ny zanakalahin’izy ireo, ary hamindra ny sisa tavela tao amin’ilay fasana lehibe eny atsinanan’ny tanàna.

Taorian’ny androm-pikarohana iray tsy nisy vokany dia nitady fanampiana tamin’ny mpikarakara teo an-toerana i Israel. Ny ampitson’io dia hitan’izy ireo ilay fasana, izay teo akaikin’i Mary havan’i James. Nampalahelo fa rava sy tapaka ireo vatam-paty. Nanoratra i Israel tao anatin’ny taratasy iray ho an’ny vadiny hoe: “Koa nihodina aho ary nanapa-kevitra fa hamela azy ireo ao mandra-paha”.

Tsy mbola lasa lavitra ny fasana izy no injay nahare feo. Rehefa nitantara ilay zavatra niainany izy dia nanoratra hoe: “Tsy azon’ny sofina renesina izany, saingy niavaka tao amin’ny saiko ka tsy afaka nolaviko: -Dada a, aza avela eto aho-”. Niverina tany amin’ny fasana i Israel, tapa-kevitra ny hamindra ny zananilahy kely nony farany. “Nahatsapa fitoniana sy fiadanan-tsaina miavaka izay tsy mbola tsapako hatrizay aho. … Izay holazaiko dia ny hoe: tsy mbola hary tonga saina kokoa tamin’ny adidy rehetra natao teo amin’ny fiainako toy izany aho”.

Tamin’ny 2 septambra 1853 dia namindra ny vatan’i James sy i Mary tany amin’ny fasana lehiben’i Nauvoo i Israel Barlow sy ilay mpikarakara, ary nanisy marika ilay toerana tamin’ny “vato teo an-doha sy teo an-tongotr’ireo fasana”.

Nilaza tamin’i Elizabeth i Israel fa rehefa nitomany teo amin’ny sisim-pasana izy, dia “nahatsapa faniriana ny hanokana ny tenako sy izay rehetra ananako ho eo an-tanan’ny Tompo aho mba ho azo isaina ho mendrika ny hivoaka miaraka amin’i [James] amin’ny marainan’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany”.

Ny fanolorantenan’i Israel ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, miaraka amin’ny fanajana ireo fanekempihavanana masina, dia mamela an’i Kristy hanatanteraka ny fiainana mandrakizay—ilay lehibe indrindra amin’ireo fitahiana rehetra—izay azony sy ireo razambeny ary ny taranany sitrahina.

Marina ihany koa izany ho antsika tsirairay.

lovian’ny Fanasan’ny Tompo

Sary nalain’i Jerry Garns, azo adika raha ampiasaina eo anivon’ny Fiangonana irery ihany

Fampanantenana masina

Tia antsika tsirairay mihoatra ny zavatra rehetra azontsika eritreretina ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Tsy hita na aiza na aiza mihoatra noho ny amin’ny alalan’ireo fitahiana nampanantenaina mifandray amin’ireo fanekempihavanana natolotra ho antsika tamin’ny batisa sy ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fitiavan’ Izy Ireo.

“Iray amin’ireo fitsipika manan-danja indrindra mampiavaka ny fivavahana marina dia ny fitsipiky ny fanekempihavanana masina”, hoy ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson (1924–2025). “Raha amin’ny fiteny fampiasa amin’ny lalàna, ny hoe fanekempihavanana na fifanekena dia fifanarahana eo amin’ny ankolafy roa na maromaro. Fa raha resaka fivavahana kosa, ny hoe fanekempihavanana dia misy hevitra lalina kokoa noho izany. Fampanantenana masina avy amin’Andriamanitra izany”.

Ny fampanantenana masina rehetra ataontsika sy hazonintsika dia mitondra fitahiana ho antsika. Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika hanakaiky Azy Ireo kokoa isika. Te hanampy antsika hianatra sy hivoatra amin’ny fiNoàna sy fahatakarana Izy Ireo. Te hanafy antsika amin’ny herin’ny lanitra Izy Ireo. Tian’Izy Ireo isika hahita fanasitranana sy fiadanana ao anatin’ny tontolo iray izay sarotra hahitana ny fitahiana toa izany. Tian’Izy Ireo isika hiaina fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Vokatr’io fitiavana tonga lafatra io, Izy Ireo dia manome antsika fahafahana hiditra ao anatin’ny fifamatorana ara-panekempihavanana amin’Izy Ireo. Voatahy amin’ny fanavaozana fanoloran-tena indray amin’ireo fanekempihavanana ireo isan-kerinandro isika mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Mandray ny fanasan’ny Tompo ao anatin’ny fanahin’ny fankasitrahana isika satria mandray ilay fitahiana feno fifaliana avy amin’ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, ny fahatsiarovana Azy sy ny fitiavany antsika izay naseho tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Sorompanavotany—fa nijaly sy nivoa-dra ary maty ho antsika Izy. Ny fanasan’ny Tompo ihany koa dia mitahy antsika amin’ny fahafahana isan-kerinandro haneho ny fahavononantsika hitandrina ny didiny, hanavao ny fanekempihavanantsika, ary hanao fanekempihavanana vaovao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

“Matetika aho no maheno ny fitenenana hoe isika dia mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavaozana ireo fanekempihavanana izay natao tamin’ny batisa. Na dia marina aza izany, dia mbola mihoatra lavitra noho izany ilay izy”, hoy ny Filoha Nelson. “Nanao fanekempihavanana vaovao aho. Nanao fanekempihavanana vaovao ianao. … Ankehitriny dia ho setrin’izany no hanaovan’ny [Tompo] ny fanambarana fa hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika isika. Tena fitahiana izany!”

Rehefa mibebaka sy mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo madio isika dia mandray ny Fanahy Masina ary “voadio amin’ny fahotana toy ireny hoe natao batisa indray ireny. Izany no fanantenana sy famindram-po atolotr’i Jesoa antsika tsirairay avy”.

Tena fifaliana ny mibebaka sy voavela heloka amin’ny alalan’ny fitiavana manavotr’i Kristy!

Tempolin’i Nauvoo Illinois

Sarin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nalain’i Jennifer Rose Maddy

Ny tranon’ny fifaliany

Taorian’ny nahalasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy, dia niresaka matetika momba ny lalan’ny fanekempihavanana ny Filoha Nelson, nanomboka tamin’ny hafatra ampahibemaso voalohany avy taminy tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy. Miditra ao amin’izany lalana izany isika amin’ny alalan’ny “fibebahana sy batisa amin’ny rano” (2 Nefia 31:17), hoy izy nisy fotoana taty aoriana, ary “dia miditra feno kokoa ao amin’izany isika any amin’ny tempoly.”.

Tahaka ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo izay mampahatsiahy antsika ireo fanekempihavanantsika sy ireo fitahiana avy amin’izy ireo, dia toy izany koa ny fanaovana asa isoloana tena any amin’ny tempoly. Rehefa manatanteraka ôrdônansy amin’ny alalan’ny fisoloana tena ho an’ireo izay efa nodimandry isika, dia mahatsiaro ireo fampanantenana masina izay nataontsika sy ireo fitahiana nampanantenaina izay horaisintsika.

Lasa mpandova ireo fitahiana rehetra nampanantenaina an’i Abrahama, Isaka, Jakoba ary ny taranany isika amin’ny alalan’ny lalan’ny fanekempihavanana. Na dia teo aza ireo fitahiana nampanantenaina, i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba dia tsy niaina fiainana mora, ary tsy miaina izany koa isika. Tahaka azy ireo, isika koa dia miatrika fahoriana, famaizana ary famoizana rehefa “nosedraina tamin’ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:31; jereo koa ny 101:4–5). Saingy tahaka ireo mpaminany sy Olomasina marina fahiny dia fantatsika hoe iza no azontsika itokiana (jereo ny 2 Nefia 4:19).

Ny fiainantsika eto an-tany dia fotoana fohy eo amin’ny fisiantsika, saingy izany fotoana izany, izay tena sarotra indraindray, dia manan-danja mandrakizay. Eny, tian’ny Raintsika any An-danitra isika hianatra sy hivoatra. Ary eny, izany fivoarana izany indraindray dia misarika fahadisoam-panantenana sy fijaliana. Saingy tiany ho kanto sy feno fanantenana ny fiainantsika. Ho amin’izany tanjona izany, ary mba hanamorana ny diantsika miverina any Aminy dia nanome Mpamonjy Iray Izy, izay “mpiantoka” ny fanekempihavanantsika amin’ny Rainy. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hanatanterahan’ny Ray ireo fampanantenana natao tamin’ireo zanany tao amin’ny tempoly.

Tamin’ny alalan’ny fitiavany sy ny sorona fanavotana nataony dia niatrika sy nanasitrana ny zava-drehetra izay ho tojo antsika eo amin’ny fiainana ny Mpamonjy antsika. Ary noho ny tranony masina, izay tranon’ny fifaliany, dia hilamina ny rehetra na dia eo aza ny fahoriana. Ny balsaman’ny fitandremana fanekempihavanana dia mamafa ny alahelo, ny fanaintainana, ny fahoriana, ary ny fahadisoam-panantenana. Tsy mila manahy na matahotra isika. Fa afaka mifaly kosa isika fa efa voaloa ny saran’ny fanavotana antsika (jereo ny 1 Korintiana 6:20) ary voapetraka ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny lalan’ny fanekempihavanana dia lalan’ny fitiavana manavotra tokoa. Rehefa manaja ireo fanekempihavanana ataontsika any amin’ny tempoly isika dia mandray fitahiana avy amin’ny hery lehibe kokoa, fitiavana lehibe kokoa, famindram-po lehibe kokoa, fahatakarana lalina kokoa, ary fanantenana lehibe kokoa. Ny fahagagana sy ny halehiben’ny famehezana any amin’ny tempoly, ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mifamatotra amim-pitiavana ho amin’ny mandrakizay, dia mitondra fahatalanjonana sy fifaliana lehibe ho an’ny fanahiko ary mameno ahy amin’ny fanahin’ny fankasitrahana.

“Na oviana na oviana misy korontana mitranga eo amin’ny fiainanareo, ny toerana hahatsapan-tena ho voaaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly!” Hoy ny torohevitry ny Filoha Nelson. Fantatro, avy amin’ny hamaminy ary indrindraindrindra ny ngidin’ny fiainana eto an-tany izay niainako, ny fahamarinan’ireo teny ireo.

fanehoana an-tsary mpivady mihazona zazakely

I James Nataniel Barlow, zanaka voalohan’i Israel sy i Elizabeth Barlow, dia nodimandry fotoana fohy taorian’ny nahaterahany tamin’ny mey 1841. Taona maro taty aoriana dia nofehezina tamin’ny alalan’ny fisoloana tena tamin’ny ray aman-dreniny tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah izy.

Sary nataon’i Allen Garns

Manangona azy ireo hody

Taorian’ny nanaovan’i Israel Barlow fanaovam-beloma farany an’ilay zananilahy kely dia nanoratra tamin’ny vadiny izy hoe: “Ny fieritreretana ny tenako hanalavitra, sy tsy hiverina intsony any amin’ny fasan’i [James] eo amin’ny fiainana, , dia nanapaka ny rohim-pihetseham-po farany nananako, ary tapaka an-dranomaso teo amin’ny fasany izany”.

Azoko sary an-tsaina izany ranomaso be izany—ranomasom-pifaliana tamin’ity indray mitoraka ity—izay latsaka tamin’ny 4 desambra 1889. Tamin’io andro io dia nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah i James Nathaniel Barlow kely. Tamin’izay fotoana izay dia efa maty i Israel, ka olona hafa no nijoro nisolo tena azy sy i James.

Manana fahatsapana manokana sy fangorahana lehibe ho an’i Israel sy i Elizabeth izaho sy Rahavavy Kearon. Ny zanakay voalohany, izay zazalahy nantsoina hoe Sean, dia nodimandry nandritra ny fandidiana fo fony izy telo herinandro monja. Fandaozana izay nahatonga anay nieritreritra fa rava ny tontolonay izany. Tamin’izany fotoana izany dia nanontany tena izahay raha mbola afaka ny ho velona. Nalevinay tao amin’ny fasana kely iray mampalahelo tany Angletera izy. Dimy ambin’ny folo taona taty aoriana dia nasaina nandao ny tranonay tao Angletera ny fianakavianay mba hanompo amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana, ary dia nandao izany fasana kely izany izahay.

Tsy namoy ny zanakay kely tamin’ny dia niankandrefana izahay, ary tsy niaritra ireo zava-tsarotra tsy takatry ny saina nihatra tamin’ny fianakaviana Barlow izahay, saingy manana ny fiantombohan’ny fahatakarana ny zavatra izay niainan’izy ireo kosa izahay. Tena lavitra be ny fasan’ny zanakay lahy, kanefa tahaka ny fianakaviana Barlow, dia manana fiNoàna mitoetra ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny toetra mandrakizain’ny fianakavianay izahay amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny famehezana masina.

Isika rehetra dia samy manana razambe sy olona akaikin’ny fo hafa efa nodimandry izay milaza amintsika hoe: “Aza avela eto aho” Noho ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia tsy mila misy olona avela izany. Ny antsontsika dia ny hitia azy ireo sy hanompo azy ireo ary hanampy amin’ny fanangonana azy ireo hody.

Tia antsika, izaho sy ianao, ny Raintsika any An-danitra. Nomeny tempoly isika ka “na inona na inona fehezin[tsika] ety an-tany dia hofehezin[tsika] any an-danitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8; jereo koa ny Matio 18:18). Nandefa ny Zanany Izy mba hanapaka ny famatoran’ny fahafatesana, hanorotoro ny lalana ho an’ny fifamatorana maharitra mandrakizay sy ny fampihaonana ny fianakaviana ho mandrakizay.

Izany no antony anatanterahantsika ordonansy. Izany no antony anaovantsika fanekempihavanana. Izany no antony anorenantsika tempoly. Izany no antony anokanantsika tena ho amin’ny asa sy ny voninahitr’ Andriamanitra (jereo ny Mosesy 1:39). Ary izany no antony nandatsahantsika ranomasom-pifaliana, noho ny fahafantarana fa ny fihaonana mandrakizay dia miandry antsika sy ireo olona akaikin’ny fontsika eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka.

Enga anie isika hahita fifaliana sy fiadanana eo am-pitandremantsika ny fanekempihavanantsika sy hiara-hiasa amin’ny Tompo amin’ny asam-pamonjeny feno voninahitra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Ora H. Barlow, The Israel Barlow Story and Mormon Mores (1968), 306–8; tsipelina sy mari-piatoana natao manaraka ny toetrandro; jereo koa ny Brent A. Barlow, “Daddy, Do Not Leave Me Here,” Ensign, July 2009, 34–36.

  2. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana”, Liahona, nôv. 2011, 86.

  3. Jereo ny “Endrey mahagaga”, Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

  4. Russell M. Nelson, ao amin’ny Dale G. Renlund, “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy”, Liahona, nôv. 2019, 25, note 18.

  5. Jésus-Christ nous a demandé de prendre la Sainte-Cène,” Liahona, Mars 2021, 7.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka”, Liahona, apr. 2018, 7.

  7. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, Liahona, ôct. 2022, 6.

  8. Mba hahitana ny lisitr’ireo fitahiana nampanantenaina, dia jereo ny Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana”, Liahona, nôv. 2011, 87.

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, 10.

  10. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, 7.

  11. Russell M. Nelson, “Ny Tempoly sy ny fototra ara-panahinao”, Liahona, nôv. 2021, 96.

  12. Israel Barlow, ao amin’ny Ora H. Barlow, The Israel Barlow Story, 308; tsipelina sy mari-piatoana natao manaraka ny toetrandro.

  13. Datin’ny famehezana nomen’ny Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana.