“Ny fahamarinana momba ny tanjon’ny fiainantsika”, Liahona, aog. 2025.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aogositra 2025
Ny fahamarinana momba ny tanjon’ny fiainantsika
Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia nanambara fahamarinana mikasika ny lasantsika sy ny ankehitriny ary ny hoavy, anisan’izany ny fomba handraisana ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra.
Tao ambony ny tohatra tao amin’ny efitra kely iray hipoka teo ambonin’ny tranombarotra an’i Newel K. Whitney tao Kirtland, Ohio, tamin’ny 22 janoary 1833, no nivory niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo loholon’ny Fiangonana. Tamin’ny desambra tamin’ny taona lasa teo dia nahazo fanambarana izay nitarika azy hanangana sekoly iray i Joseph mba hanomanana ireo rahalahy hanao asa fitoriana.
“Omeko anareo ny didy”, hoy ny Tompo nanambara, “mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ny fanjakana.
”Mampianara amin’ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako, mba hahazoana mampianatra anareo misimisy kokoa ny amin’ny foto-pisainana, ny amin’ny fitsipika, ny amin’ny fotopampianarana, ny amin’ny lalàn’ny filazantsara, ny amin’ny zava-drehetra izay mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra izay ilaina ho takatrareo; …
“Mba hahatonga anareo ho vonona amin’ny zava-drehetra, rehefa hirahiko indray ianareo mba hanandriana ny antso efa niantsoako anareo sy ny asa fitoriana izay efa nanendreko anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–78, 80).
Io “Sekolin’ny Mpaminany” araka ny niantsoana azy io dia nitondra firoboroboana ara-panahy tampoka izay tena tsara. Mpitarika maro tany am-piandohan’ny Fiangonana no nampianarina tao. Ankehitriny izao tontolo izao dia toerana hafa tanteraka, saingy mbola azo ampiharina hatrany ny fitarihana nomen’ny Tompo tamin’izany. Isika ihany koa dia mila mikatsaka fahalalana sy fahamarinana “ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24).
Ny fitadiavantsika ny fahamarinana
Amin’izao taona iainantsika izao isika dia misy fahalalana bebe kokoa ho antsika mihoatra noho ny teo aloha. Taloha, raha te hahafantatra zavatra ianao dia tsy maintsy mandeha any amin’ny tranomboky ary mijery izany. Ankehitriny ny internet sy ireo fitaovana an-tanana dia manome fahafahana ny hahazo fampahalalana saika tsy misy fiafarany izay saika hitantsika eo no ho eo.
Faly ny Tompo rehefa mampiasa amim-pahendrena ireo loharanom-pitaovana azontsika ampiasaina isika, saingy nanome izao torohevitra tsy misy fiafarany izao Izy: “mikatsaha fatratra ary mifampianara ny teny fahendrena; eny, katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena; katsaho ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Mamporisika antsika Izy hianatra momba ny tontolo manodidina antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:79; 93:53), saingy amin’ny fikatsahantsika ny fahamarinana, isika dia tsy maintsy miandrandra an’ Andriamanitra, izay “mahatakatra ny zava-drehetra, ary ny zava-drehetra dia eo anoloany, … ary Izy dia ambonin’ny zava-drehetra, … ary ny zava-drehetra dia amin’ny alalany sy avy Aminy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41).
Amin’ireo fahamarinana nomen’ Andriamanitra antsika, ny iray amin’ireo fototra indrindra ho an’ny fiainantsika eto an-tany dia ny hoe Raintsika any An-danitra Izy. Zanakalahiny sy zanakavaviny ara-panahy isika. Mahafantatra sy tia antsika tanteraka Izy. Ary amin’ny maha-zanany ara-panahy antsika dia manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika. Ny fahatakarana sy ny fandraisana ireo fahamarinana mandrakizay ireo dia manome antsika ny maha-izy antsika sy ny lanja ary ny tanjona izay nitahy sy nitarika antsika tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ary mbola hanohy hanao izany hatrany amin’izao fotoana izao sy mandrakizay.
Niaraka tamin’ny Ray isika tany am-piandohana
Eo am-pikatsahantsika ny fahamarinan’ny zavatra “araka ny naha-izy azy” isika dia mahita ireto teny avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ireto: “Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho dia niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana sady ny Lahimatoa”, ary “ianareo koa dia niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21, 23).
Talohan’ny fiainantsika teto an-tany dia nanatrika filankevitra tany an-danitra isika izay nanoloran’ny Raintsika any An-danitra ny drafitra lehiben’ny fahasambarany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny antony nandrisika an’ Andriamanitra hanao ny drafiny dia ny hanome antsika “tombontsoa hivoatra tahaka azy [sy] … hasandratra miaraka aminy.” Ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).
Nampiasa ny fahafahantsika misafidy isika ary nisafidy ny hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra. Voatahy isika noho ny fahaterahana eto amin’ity fiainana ity, izay toerana hanohizantsika ny fahafahana misafidy ary afaka miaina ny fiainana an-tany sy mianatra ary mivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Mandritra ny diantsika eto an-tany dia hiatrika olana sy fahasahiranana isika. Saingy tsy mila miatrika irery ny fahorian’ny fiainana isika. Nampianatra Joseph Smith fa ny Ray any An-danitra, “Ilay Ray lehiben’izao rehetra izao [dia] mijery ny fianakavian’olombelona iray manontolo amin’ny fikarakarana sy fitiavana avy amin’ny maha ray .”
Ny Raintsika any An-danitra, “ny Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, dia hitahy antsika sy hampitraka antsika ary hampionona antsika “amin’ny fahorian[tsika] rehetra mba hahaizan[tsika] mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra [antsika]” (2 Korintiana 1:3–4). Amin’ny maha-ampahany manan-danja antsika ao amin’ny drafiny dia nanome lalana ho antsika ny Ray any An-danitra mba hiverenantsika any Aminy.
Ny lalana mankany amin’ny Raintsika
Ny fahamarinan’ny “zavatra araka ny tena toetrany” (Jakôba 4:13) dia mazava: tsy afaka ny hahatratra ny fahafenoantsika hivoatra amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika irery isika. Nanao fanekempihavanana ny ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahimatoan’ny Ray ara-panahy.
Jesoa Kristy, “nyLahitokan’ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, … izay tonga sy nonina tao amin’ny nofo ary nitoetra teo anivontsika” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11). Tonga Izy mba hampiseho antsika ny lalana hahitana fahasambarana sy misy dikany ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.
“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3:16–17).
Zava-dehibe ny zavatra niainan’ny Mpamonjy teto an-tany. ”Tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana Izy fa nandray fahasoavana niampy fahasoavana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12). Nitombo Izy mandra-pandraisany ny “fahafenoan’ny voninahitry ny Ray” sy “ny hery rehetra […] na any an-danitra na ety an-tany ary ny voninahitry ny Ray dia nomba Azy, satria nitoetra tao Aminy Izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:16–17). Nampianatra ny Mpamonjy hoe:
”Omeko anareo ireo teny ireo hahazoanareo mahatakatra sy mahafantatra ny fomba ivavahanareo sy izay ivavahanareo, mba hahazoanareo manatona ny Ray amin’ny anarako ary mandray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany.
“Fa raha mitandrina ny didiko ianareo dia handray amin’ny fahafenoany ary hankalazaina ao Amiko, tahaka Ahy ao amin’ny Ray; koa lazaiko aminareo, handray fahasoavana miampy fahasoavana ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20).
Nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao tao amin’ny Saha Getsemane sy teo ambony hazofijaliana i Jesoa Kristy, ary niaritra ny fijaliana rehetra sy “ny fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” (Almà 7:11). Izany dia “nahatonga [Azy], …Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18). Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ihany no ahafahana manatanteraka ny famonjena sy ny fisandratana.
Afaka mitombo isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany mandra-pandraisantsika ny fahafenoana ary afaka ny ho tanteraka indray andro any. Raha manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy mankatò ny didiny isika dia hitarika sy hanoro antsika eo amin’ny lalantsika hiverina ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra be voninahitra Izy.
Christ on the Road to Jerusalem [I Kristy teny an-dalana nankany Jerosalema], nataon’i Michael Coleman, tsy azo adika
Handray ny fanomezam-pahasoavana avy Aminy ve ianao?
Ao anatin’ireo fahamarinana “ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany” (Jakôba 4:13), dia mianatra isika fa ny zavatra iainantsika any amin’ny mandrakizay dia ho voafaritra amin’ny alalan’ny safidintsika hanaraka an’i Jesoa Kristy sy handray ireo fanomezam-pahasoavana atolony. Mampianatra ny soratra masina fa isika dia “hanana anjara amin’izay tian[tsika] horaisina.” Indrisy anefa fa ny sasany dia tsy “te hanana anjara amin’izay mety ho noraisiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:32).
Ny filohan’ny misiônako, ny Loholona Marion D. Hanks (1921–2011), izay Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia nampianatra ireo misiônerany fa ny fangatahana ny zavatra tiantsika ho azo sy hananana dia fomba iray ahafahantsika mitsara ny toerana misy antsika eo amin’ny diantsika ara-panahy. ”Fa inona no soa azon’ny olona raha atolotra azy ny fanomezana kanefa tsy mandray izany izy?” Rehefa mandray ny fanomezam-pahasoavan’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fikatsahana sy fanarahana Azy amin-kafanam-po dia hifaly amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ao amin’ “ilay mpanome [izany] fanomezana [izany]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33). Io fanomezana nomena am-ptiavana io no “fanomezana lehibe indrindra avy amin’ny fanomezan’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).
Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra. Fantany sy tiany isika. Rehefa mitodika any Aminy isika mandritra ny fitadiavantsika ny fahamarinana dia afaka mifikitra amin’ny faharanitan-tsaina, mandray fahendrena, mandray fahamarinana, mitia ny hatsaran-toetra, ary mifikitra amin’ny fahazavana izay avy Aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40). Avy eo isika dia manohy izany mandritra ny fiainantsika mandra-pahatongan’ny “andro izay hahazoan[tsika] na dia Andriamanitra aza, rehefa velomina ao Aminy sy amin’ny alalany [isika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:49).
Ho andro feno voninahitra sy mahafaly indrindra izany.
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, aogositra 2025. Malagasy. 19613 654