2025
Manara-dia an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fiarahana Aminy mba hanao ny asany
Jona 2025


“Manara-dia an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fiarahana Aminy mba hanao ny asany,” Liahona, jona 2025.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona jona 2025

Manara-dia an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fiarahana Aminy mba hanao ny asany

Mandray anjara amin’ny asan’ny Mpamonjy isika rehefa mifantoka amin’ny tanjony sy mitandrina ny didiny ary mifankatia.

I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler [I Kristy sy ilay tanora mpanapaka mpanan-karena], nataon’i Heinrich Hofmann

Rehefa atao batisa isika dia manomboka ny dingana amin’ny fitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny ampahany amin’io dingana io dia midika fa miaraka amin’ny Mpamonjy manao ny asany isika. Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanoratra hoe: “Isan’ireo hevitra lehibe indrindra fonosin’ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Kristy ny hoe fahavononana sy fanolorantena hitondra eo amintsika ny asan’ny Mpamonjy sy ny fanjakany.”

Ny asan’ny Mpamonjy dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny tsy fahafatesana dia fanomezana tsy misy fepetra izay efa nomen’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny fiainana mandrakizay kosa dia tsy mitovy amin’ny tsy fahafatesana. Ny fiainana mandrakizay no fanomezana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra omena ny zanak’olombelona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Izany dia ny miaina mandrakizay eo anatrehany anatina fianakaviana. Mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky isika. Midika izany fa mandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika amin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanan’ny tempoly ary ny faharetana hatramin’ny farany. Tafiditra ao anatin’ny faharetana hatramin’ny farany ny fiarahana amin’ny Mpamonjy mba hanao ny asany.

Mazoto mirotsaka

Mandray anjara amin’ny asan’ny Mpamonjy isika rehefa manampy ireo zanak’ Andriamanitra ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky ihany koa. Tafiditra ao anatin’izany ny fizarana ny filazantsarany, izay hanangonana an’i Isiraely niely patrana, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ny fiezahana ho tonga tahaka Azy. “Tsy miankina amin’izay fomba safidin’ny hafa mba hamaliana [antsika], na ireo fanasana atao[ntsika], na ireo fihetsika feno hatsaram-panahy amin-kitsim-po aseho[ntsika] ny fahombiaza[ntsika].” Ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona eo amin’ny lafy roan’ny voaly ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao.”

Mba hahatonga ny asan’ny Mpamonjy ho asantsika dia mifantoka amin’ny tanjony sy mitandrina ny didiny ary mifankatia isika. Eo am-panaovantsika ny asany amin’ny fombany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:2), dia misy zavatra sasantsasany izay isika ihany no avela hamantatra azy. Nilaza tamin’ireo Olomasina izay niangona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny Mpamonjy hoe:

“Fa indro, tsy mety ny hibaikoako amin’ny zava-drehetra; fa izay terena amin’ny zava-drehetra dia mpanompo kamo sady tsy hendry; koa tsy mandray valisoa izy.

“Lazaiko marina tokoa, fa ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra;

“Fa ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ny tenany. Ary raha manao soa ny olona, dia tsy hamery mihitsy ny valisoany izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28).

Rehefa manaraka ny Mpamonjy isika, sy miaraka Aminy manao ny asany, ary manampy ny hafa ho tonga mpianany mahatoky, dia mampianatra izay ho nampianariny isika izay. Noho isika tsy mahazo lalana hampianatra zavatra hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9, 36), dia mifantoka tsy tapaka amin’ny fotopampianarany isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25). Ankoatra izany dia mifantoka manokana amin’ireo mahantra sy sahirana ary marefo isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:40). Ireo fanantitranterana ireo dia nohazavaina rehefa nindrana ny tenin’i Isaia tao amin’ny synagoga tao Nazareta ny Mpamonjy:

“Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; [efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy]; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina,

“Hitory ny taona ankasitrahan’ny Tompo” (Lioka4:18–19; jereo koa ny Isaia 61:1–2).

Ny taona ankasitrahan’ny Tompo dia entina ilazana ny fotoana izay hanomezana be dia be ireo fitahiana rehetra avy amin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Manaraka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanasana ny hafa handray ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny fikarakarana ireo mahantra na koa sahirana.

Ny fiarahana amin’i Jesoa Kristy mba hanao ny asany dia mahafaly tokoa satria ny asany sy ny fikasany ary ny tanjony dia “tsy azo sakanana ary tsy azo foanana.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1). Ho an’ireo izay mahatsapa ho kivy, dia nanoro hevitra ny Tompo hoe: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33). Avelantsika ho an’ny Tompo ny fiandraiketana ny fijinjana, dia manao ny anjarantsika fotsiny isika.

Ny fo sy ny saina marisika

Tsotra noho izay mety hoeritreretintsika ny fanaovana ny anjarantsika satria tsy mila mitondra talenta na fahaiza-manao mahatalanjona eo amin’ny asan’ny Tompo isika. Fanoloran-tena sy ny fahavononana fotsiny no zavatra takiny. Hoy ny Tompo tamin’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio: “Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34). Afaka manampy ny olona manana fahavononana ho afaka hanao zavatra ny Tompo, fa Izy kosa dia tsy afaka ary tsy hanery ny olona afaka manao zavatra hanana fahavononana. Izany hoe raha manolo-tena sy vonona isika dia afaka mampiasa antsika Izy. Saingy na manan-talenta toy ny ahoana aza isika dia tsy hampiasa antsika Izy raha tsy manolo-tena amin’ny asany sy vonona ny hanampy Azy isika.

Naneho fanoloran-tena sy fahavononana i Samuel sy i Anna-Maria Koivisto. Fotoana fohy taorian’ny fanambadian’izy ireo dia nifindra avy tany Jyväskylä, Finlande nankany Göteborg Suède izy ireo mba hitady asa fivelomana. Taorian’ny nahatongavany dia nasaina hiresaka tamin’ny Filoha Leif G. Mattsson, mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòkan’i Göteborg Suède Rahalahy Koivisto. Koa satria tsy niteny soedoa i Samuel, dia natao tamin’ny teny anglisy ilay tafa sy dinika.

Taorian’ny fifampiresahana fohy dia nangataka an’i Samuel ny Filoha Mattsson mba ho mpitarika ny misiônan’ny paroasy tao amin’ny Paroasy Utby. Nanamafy ilay zavatra hita mibaribary i Samuel hoe: “Izaho anie tsy miteny Soedoa e!”

Nitanila kely teo amin’ny latabatra nisy azy ny Filoha Mattsson dia nanontany mazava tsara hoe: “Izaho angaha nanontany anao hoe mahay miteny soedoa ve ianao, sa hoe vonona ny hanompo ny Tompo ve ianao?”

Namaly i Samuel hoe: “Nanontany ianao raha toa ka vonona ny hanompo ny Tompo aho. Dia vonona aho.”

Nanaiky ilay antso i Samuel. Nanaiky antso ihany koa i Anna-Maria. Samy nanompo tamim-pahatokiana izy ireo ary nianatra niteny tsara ny fiteny soedoa rehefa nandeha ny fotoana.

Ny fanoloran-tena sy ny fahavononana hanompo ny Tompo no toetra namaritra ny fiainan’i Samuel sy i Anna-Maria. Olon-tsotra maherifo ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Nanompo tamim-pahatokiana izy ireo isak’izay nangatahana hanao izany. Nampianatra ahy izy ireo fa rehefa manompo isika dia mampiasa ireo talenta ananantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:13), ary avy eo ny Tompo dia manampy antsika hanatanteraka ireo tanjony.

Rehefa vonona ny hanompo isika dia miezaka ny tsy hitaraina na himonomonona, satria tsy tiantsika ho simba na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny asa fanompoantsika. Ny fimonomononana dia mety ho famantarana ny fanoloran-tena feno fisalasalana, na tsy araka ny tokony ho izy ny fitiavantsika ny Mpamonjy. Rehefa tsy voafehy, dia mety hitombo ho lasa fikomiana tanteraka amin’ny Tompo ny fimonomononana. Io fitomboana io dia hita teo amin’ny fiainan’i Ezra Booth, izay olona niova fo tany aloha tany ka lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Ohio izay nantsoina ho misiônera tany Missouri.

Rehefa niala tao Ohio i Ezra tamin’ny volana jona 1831 dia tezitra izy fa afaka nandeha tamin’ny sarety mitafo ny misiônera sasany kanefa izy dia tsy maintsy nandeha an-tongotra tao anatin’ny hafanana be tamin’ny fahavaratra, sady nitory teny an-dalany teny. Nimonomonona izy. Rehefa tonga tany Missouri izy dia nahatsapa ho kivy. Tsy araka izay nandrandrainy ny tao Missouri. Fa nijery ny manodidina kosa izy dia niteny hoe “toy ny manjombonjombona izany ny fahitana ny manodidina.”

Lasa nihatia nanakiana, mpanesoeso, ary mpitsikera hatrany i Ezra. Rehefa hiala tao Missouri izy, raha tokony hitory ny filazantsara, satria izay no nasaina nataony, dia niverina haingana araka izay azony natao tany Ohio izy. Ny fimonomononany tany am-boalohany dia nivoatra ho lasa fisalasalana ary farany dia lasa tsy fatokiana ny zavatra niainany ara-panahy tany aloha. Vetivety dia niala ny Fiangonana i Ezra ary “nony farany dia -niala tsy ho Kristiana intsony ka lasa tsy nanana finoana nironana intsony.-”

Mety hitranga amintsika koa izany raha tsy mitandrina isika. Raha toa ka tsy mihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika, ary mampahatsiahy ny tenantsika hoe an’iza marina ity asa ity, dia mety hitaraina sy hisalasala isika ary hamery ny finoana ananantsika amin’ny farany.

Mivavaka aho mba hahafahantsika misafidy ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiarahana Aminy mba hanao ny asany. Rehefa manao izany isika dia omena “teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” (2 Petera 1:4). Ireo fitahiana ireo dia ahitana ny famelana ny fahotana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7; 61:2, 34; 62:3; 64:3), sy ny famonjena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:13; 56:2), ary ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3–11; 59:23). Tena ampanantenaina antsika tokoa ny fanomezana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra omena—dia ny fiainana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, His Holy Name (1998), 37.

  2. Ny fanangonana an’i Isiraely dia midika hoe manasa ny rehetra ho lasa mpino marina an’i Jesoa Kristy.

  3. Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 13, Médiathèque de l’Evangile.

  4. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  5. Jereo ny Matthew McBride, “Ezra Booth et Isaac Morley,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte: Les histoires cachées derrière les sections des Doctrine et Alliances (2016), 130–36.