2025
Jesoa Kristy: Ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska
Aprily 2025


“Jesoa Kristy: Ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska,” Liahona, apr. 2025.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona aprily 2025

Jesoa Kristy: Ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska

Amin’ny alalan’ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska no hamenoan’i Jesoa Kristy ireo fanirian’ny fontsika sy hamaliany ireo fanontaniana apetraky nyfanahintsika.

ratsan-kazo tsy misy ravina

Sary nataon’i Michael Dunford

Manokana fotoana sy toerana mangina ho an’ny zavatra ara-panahy rehefa mamaky ity hafatra ity ianao.

Matetika loatra no feno tabataba ny tontolo misy antsika , feno fihatsarambelatsihy sy avonavona mivangongo. Saingy rehefa misokatra sy marin-toetra ary mahay mihaino ny tenantsika sy an’Andriamanitra isika, dia lasa tena misy ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy. Amin’ny fotoana toy izany dia miangavy isika hoe:

“Ahoana no ahafahako mahita ny olona ao amin’ny fianakaviako, ny namako, ary ny olon-tiako indray?”

“Ao anatin’ny tontolo iray izay matetika mihelina ny fifandraisana manome lanja ny hoe -misafidy ny tenako aho-, aiza no ahitako sy ahatsapako fiadanana, fanantenana, ary fiombonana amin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:19), sy ireo manodidina ahy, ary ny tenako?”

“Moa ve misy olona azoko tiavina—ary iza no tena hitia ahy? Afaka mitombo sy maharitra ve ny fifandraisana misy fanekempihavanana, ka tsy ho toy ny angano angano, fa misy fifamatorana mafy orina kokoa noho ny fatotry ny fahafatesana, tena feno fahasambarana sy mandrakizay?”

“Rehefa maro loatra ny fanaintainana, ny fijaliana, ary ny tsy rariny, ahoana no ahafahako mandray anjara mba hisian’ny fiadanana sy firindrana ary fahatakarana ao amian’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny ary ny Fiangonany?”

Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampanantenany ary ny fanantenany aho.

Ny fampanantenana entin’ny Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana sy ny tanjony

Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay any An-danitra; sy i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Malalany; ary ny Fanahy Masina dia akaiky antsika manokana . Ny fahazavan’Izy ireo tsy manam-petra sy mandrakizay, ny famindram-pony ary ny fitiavany manavotra dia mifamatotra amin’ny tanjon’ny fahariana sy ny fototry ny fisiantsika (jereo ny Almà 30:44; Mosesy 6:62–63).

Nandritra ny Filankevitra tany an-danitra talohan’ny nahaterahana dia “niara-nihira ireo kintana maraina, ary nihoby avokoa ny zanakalahy [sy ny zanakavavin’ Andriamanitra] rehetra” (Joba 38:7). Nisafidy ny hanao safidy isika. Ankehitriny isika dia mandeha amin’ny alalan’ny finoana. Amin’ny alalan’ny zavatra iainantsika manokana dia hitantsika eo anivon’ireo fisalasalana sy ny fahakiviana ary ny fanamby entin’ny fiainana an-tany ny hatsarana, ny fahazavana, ny fifaliana, ary ny tanjony nampanantenain’ Andriamanitra .

Tsy natao hirenireny irery isika ao anatin’ny fisalasalana momba ny antom-pisiantsika. Afaka miombona amin’ny lanitra isika, manorina finoana sy fiombonana ao amin’ny fianakaviana sy ny tokantrano ary anatin’ny fiarahamonin’ny Olomasina, ka mampivoaka ilay tena maha-izy antsika, olona tena afaka, tena marina, ary faly indrindra amin’ny alalan’ny fankatoavana an-tsitrapo sy amim-pifaliana ireo didin’ Andriamanitra. Ny Sorompanavotana—ho iray—ao Aminy sy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitondra io fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana io.

sampan-kazo misy vonim-boninkazo

Ny fanantenana entin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy

Isan’andro, ny fanantenana sy ny fampanantenana entin’ny Paska dia ahitana ireo fitahiana sy fampianarana nozarain’i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany tonga lafatra teto an-tany. Natokana mialoha tany am-piandohana, i Jesoa Kristy dia teraka ho ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra (jereo ny Jakôba 4:5; Almà 12:33–34; Mosesy 5:7, 9). Nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona Izy (Lioka 2:52). Koa satria tsy mikatsaka afatsy ny hanao ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa Kristy, dia namela heloka Izy, nanasitrana rofy, nanangana ny maty, ary nankahery ny marary sy ny manirery.

Indray mandeha, rehefa avy nifady hanina nandritra ny 40 andro Izy, dia nijoro ho vavolombelona hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; efa naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy, naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina” (Lioka 4:18; jereo ihany koa ny Isaia 61:1).

Isika tsirairay izany.

Tamin’ny Fanasana Farany dia nanasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 13:4–8). Tao amin’ireo Tontolo Taloha sy Vaovao, Izy izay ny “rano velona” sy ny “mofon’aina” mihitsy no nanorina ny fanasan’ny Tompo. Ao amin’ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo, dia miantso ny Ray isika ary manao fanekempihavanana ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny, mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika (jereo ny Lioka 22:19–20; 3 Nefia 18:7, 10–11).

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, dia nijaly mihoatra noho ny fijaliana mety ho zakan’ny olona ny miharitra azy i Jesoa, mba hiaritra sy hanonitra ny fahotantsika. Nivoa-dra ny masonkoditra rehetra . Niaritra ireo fanaintainana ireo ho an’ny rehetra Izy mba tsy hijaliantsika raha mibebaka isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11; 19:16).

Nivadihana sy nampangaina tsy ara-drariny, norabirabiana sy nokapohina i Jesoa Kristy, ary natsatoka teo amin’ny lohany manetry tena ny sakotra tsilo (jereo ny Matio 27:26, 29; Marka 15:15, 17, 20, 31; Lioka 22:63; Jaona 19:1–2). “Notorotoroina noho ny helotsika … ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:5). “Nasandratra teo amin’ny hazofijaliana” Izy mba hisintonana antsika hanatona Azy (jereo ny 3 Nefia 27:14–15). Na dia teo amin’ny hazofijaliana aza i Jesoa Kristy dia mbola namela heloka Izy (jereo ny Lioka 23:34). Nangataka an’ i Jaona mba hikarakara ny reniny Izy (jereo ny Jaona 19:25–27). Nahatsapa ho nafoy Izy (jereo ny Matio 27:46; Marka 15:34). Mba hahatanterahana ny Soratra Masina, dia nilaza Izy fa nangetaheta (jereo ny Jaona 19:28). Rehefa tontosa avokoa ny zava-drehetra dia “afaka ny ainy” (Lioka 23:46; jereo koa ny Jaona 10:17–18).

Fantatr’i Jesoa Kristy ny fomba hanampiana antsika ao anatin’ny aretintsika, ny rofintsika, ny fanirery, ny fitolokoana ary ny fahasarotana (jereo ny Almà 7:12). Matetika ny fahoriana toy izany dia vokatry ny safidy nataon’ny hafa. Fantany ihany koa ny fomba hifaliana miaraka amintsika ao anatin’ny fahafinaretantsika sy ny fankasitrahantsika, ny fomba hiaraha-mitomany amintsika rehefa feno ny fifaliantsika. Amim-pitiavana no iantsoany antsika amin’ny anarany, amin’ny alalan’ny feony, ho isan’ny ondriny. Miantso ny olon-drehetra na aiza na aiza Izy. Manasa antsika Izy mba hahita sy hahatakatra ny fiainana an-tany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Rehefa mandeha araka ny hitsiny sy mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mampanantena Izy fa ny zava-drehetra dia afaka miara-miasa avokoa hahasoa antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; Romana 8:28).

Amin’ny fotoany sy ny fombany, dia tonga ny famerenana amin’ny laoniny , tsy hoe miverina amin’ny teo aloha fotsiny ihany fa amin’izay mety hahatongavan’izy ireo ihany koa. Tena afaka manafaka antsika marina tokoa amin’ny fanandevozana sy ny fahotana i Jesoa Kristy, amin’ny fahafatesana sy ny helo ihany koa, ka amin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana dia afaka manampy antsika Izy hahafeno ny toetra maha-andriamanitra antsika ka ho lasa mihoatra noho izay nosaintsainintsika aza isika, .

Ny fampanantenana avy amin’ny fanafahana

Noho i Jesoa Kristy dia tsy fiafarana akory ny fahafatesana. Amin’ny Paska dia manambara isika hoe:

Resy ny fahafatesana. Afaka ny olona.

Fa nandresy i Kristy.

Tamin’ny alalan’ny didy sy hery avy tamin’ny Rainy no nahafahan’i Jesoa nanolotra ny ainy ary naka izany indray (jereo ny Jaona 10:17). Raha mbola nandry tao am-pasana ny vatany, dia nanompo sy nandrindra tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy, ka nanambara “ny fanavotana azy ireo amin’ny famatoran’ny fahafatesana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:16).

Ny marainan’ny andro fahatelo dia nitsangana avy tao am-pasana Izy. Niresaka tamin’i Maria Izy. Niseho tamin’ny mpianatra roa sy ny Apôstôliny ary ny hafa Izy teny an-dalana ho any Emaosy . (Jereo ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20).

Tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona lehibe dia nanasa ireo mpianany Izy mba hanipy ny haraton’izy ireo any amin’ny lafy ilan’ny sambo; tamin’ity indray mitoraka ity, na dia feno hazandrano indray aza, dia tsy rovitra ireo harato (jereo ny Jaona 21:6–11; Lioka 5:3–7). Namahana ireo mpianatra Izy ary nitalaho in-telo tamin’i Petera mba hamahanana ny ondriny sy ny zanak’ondriny (jereo ny Jaona 21:12–17). Niakatra tany an-danitra Izy, nanambara fa ireo mpianany tamin’izany sy isika rehetra amin’izao fotoana izao dia tokony hizara ny vaovao be voninahitra entin’ny Paska sy ny filazantsarany amin’ny firenena sy ny foko ary ny mponina rehetra (jereo ny Matio 28:19–20; Marka 16:15).

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara antsika sy Zanakondrin’ Andriamanitra. Nanolotra sy nanome ny ainy Izy ho an’ny ondriny. Nitondra ny tsy zaka sy nanao sorona ho antsika Izy tao an-tsaha sy teo amin’ny hazofijaliana. Asehony antsika, ety an-tany sy any amin’ny mandrakizay, amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba “hamahan’ny fahafatesana ny lalana mankany amin’ny mandrakizay.”

Amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hatambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty ara-batana. Ho be voninahitra isika, naverina amin’ny laoniny eo amin’ny endrika sy ny vatana, ny rantsambatana rehetra. Na dia ny volon’ny lohantsika aza dia ho tafaverina amin’ny laoniny. Ho afaka amin’ny fijaliana tety an-tany, ny fahasembanana, ny loza ara-batana, ary ny tsy fahatomombanana ara-tsaina isika. Ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka mitahy antsika handresy ireo karazana fisarahana ara-panahy sy fahafatesana ara-panahy rehetra. Rehefa mibebaka isika dia afahana amin’ny fahotana sy ny alahelo rehetra ary sokafana ho amin’ny fahafenoan’ny fitiavana sy fifaliana mandrakizay. Afaka miverina miaraka amin’ny fianakaviantsika izay tena malalantsika isika ho eo amin’ny fanatrehana be voninahitra sy selestialin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy, rehefa tsy misy pentina sy madio ary afaka.

Ho hitantsika indray ireo olon-tiantsika. Rehefa tafaraka indray amin’ireo olon-tiantsika isika dia hifampijery amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay—amin’ny fitiavana sy fahatakarana ary hatsaram-panahy bebe kokoa. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hahatsiaro ny zavatra manan-danja sy hanadino ny tsy manan-danja. Ny fahitana ny Mpamonjy sy ny fifandraisana miorina amin’ny finoana sy fankasitrahana lehibe kokoa dia mitondra fiadanana, manaisotra enta-mavesatra, mampihavana fo, ary mampiray ny fianakaviana ety an-tany sy any amin’ny mandrakizay.

sampan-kazo misy vonim-boninkazo

Ny fanantenana harena sy fifaliana

Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia manokatra ny varavarankelin’ny lanitra , manamaro ny voam-boaloboka , ary mampahafinaritra ny tany. Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia midika ho fampiononana sy fikarakarana ny mananotena sy ny kamboty, ny noana sy ny tsy afa-manoatra, ireo izay matahotra, na iharan’ny herisetra, na tsy nanan-tsiny nefa azon-doza. Noho ny fieritreretany ny olona tsirairay, dia manasa antsika i Jesoa Kristy mba hijery sy hanompo ny hafa amim-pitiavana sy amim-pangorahana, tahaka ny ataony.

Amin’ny zavatra tsara rehetra dia namerina tamin’ny laoniny zavatra maro i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 10:10; Almà 40:20–24). Mampanantena Izy fa “feno ny tany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17). Ny famerenany amin’ny laoniny ny zava-drehetra dia ahitana ny fahafenoan’ny filazantsarany, ny fahefan’ny fisoronany sy ny heriny, ary ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina hita ao amin’ny Fiangonany, izay antsoina amin’ny anarany, eny dia Ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany izany.

Ny Paska ao amin’i Jesoa Kristy dia midika ho fahamaroan’ny trano masin’ny Tompo izay manakaiky kokoa ireo zanak’ Andriamanitra any amin’ny toerana maro, mitondra ao am-pontsika ny fotopampianaran’ny “mpamonjy eo an-tendrombohitra Ziona” (jereo ny Obadia 1:21). Ny Tompo dia manome fomba manamasina sy tsy misy fitiavan-tena ho antsika mba hanolorantsika eto an-tany an’ireo olon-tiana efa lasana ny zavatra ilainy sy iriany any amin’ny mandrakizay ka tsy azon’izy ireo ho an’ny tenany manokana.

Izany no fanantenana sy fampanantenana ary fijoroana ho vavolombelona ananako. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ Andriamanitra Raintsika; i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika; ary ny Fanahy Masina. Amin’ny Paska sy isan’andro, dia enga anie isika hahita fanantenana sy fampanantenana mandrakizay ao amin’ny drafitra masin’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana, miaraka amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny fiovana masina avy amin’ Andriamanitra avy amin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Hanaisotra ny enta-mavesatsika anie ny fahazoana antoka ny amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isan’andro, hanampy antsika hampionona ny hafa ao anatin’ny alahelon’izy ireo, ary hanafaka ny fanahintsika mba handray ny fifaliana feno atolony.

Amin’ny alalan’ny fanantenana sy ny fampanantena entin’ny Paska no hamenoan’i Jesoa Kristy ireo fanirian’ny fontsika sy hamaliany ireo fanontaniana apetraky nyfanahintsika.

Fanamarihana

  1. Jaona 4:10, 14; 6:35; 7:37; jereo koa ny Isaia 49:10.

  2. Jereo ny Matio 26:26–29; Marka 14:22–25; Lioka 22:17–20; 3 Nefia 18:1–11.

  3. Velona i Jesoa,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 199.

  4. C’est sur la croix,” Cantiques, no. 108.

  5. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2011), 473, Médiathèque de l’Evangile.