“Izaho hanasitrana azy ireo,” Liahona, Feb. 2025.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona febroary 2025
“Izaho hanasitrana azy ireo”
Ny fanasitranana nataon’ny Mpamonjy ho fanompoana dia santatra sy fampanantenana avy amin’ Andriamanitra momba ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po maharitra izay ho tonga amintsika tsirairay amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Mbola tsaroako mazava tsara ny sasany tamin’ireo sidina lava nataoko nandritra ny fiainana arak’asako fony aho kapitenin’ny zotram-piaramanidina iray.
Tamin’ny iray tamin’izy ireo dia niainga tao Alemana tamin’ny 11 antoandro aho ary tafidina tao Californie tamin’ny 1 ora tolakandro io andro io ihany. Raha ampitahaina ireo ora fiaingana sy fahatongavana dia toy ny hoe adiny roa monja ny sidina namakivaky ny Ranomasimbe Atlantika nankany amin’ny kaontinanta Amerika Avaratra. Nandeha haingana ny Boeing 747 saingy tsy tena nandeha haingana loatra! Raha ny marina dia naharitra adiny 11 teo ho eo ilay sidina hiampitana ny 9000 km, arakaraka ny rivotra.
Satria nisidina niankandrefana izahay dia tsy nilentika mihitsy ny masondro nandritra ny sidina nataonay. Nankafy ny hain’andro nibaliaka nandritra ny dia avy tany Alemana ka hatrany Californie izahay.
Tantara hafa mihitsy indray nefa ny fiverenana nankany Alemana. Na dia niainga tamin’ny fiantombohan’ny tolakandro aza izahay, rehefa nisidina niatsinanana izahay dia tonga haingana kokoa noho ny mahazatra ny filentehan’ny masoandro, tsy tsikaritray akory dia efa nirotsaka taminay ny alina.
Nandritra ireny sidina lava ireny dia matetika ny fanahiko no heniky ny fahatalanjonana rehefa nandinika ny hakanton’ity tany ity sy ny lamin’ny faharian’ Andriamanitra. Na dia nisidina nandritra ny alina tao anatin’ny haizi-mikitroka tanteraka aza dia nahafantatra tamim-pahatokiana aho fa hiposaka indray ny masoandro, fa ilay fahazavana mamiratra dia hiverina sy hitondra hafanana ary aina ho an’ny andro vaovao mialoha ny hifaranan’ny dianay. Ny toe-javatra niainako tamin’ny sidina nataoko dia mety nahatonga ny masoandro ho toy ny hoe nilentika miadana kokoa na haingana kokoa, saingy fantatro fa ny masoandro dia nijanona tsy miovaova sy mifahatra tsara ary azo antoka eny amin’ny lanitra.
Toy izany koa no tsapako momba an’ Andriamanitra. Satria manana fahatokiana lalina momba ny fahendren’ Andriamanitra sy ny tanjon’ny zavaboariny rehetra aho, dia afaka mahatsapa fanantenana feno fifaliana sy fiadanana maharitra aho rehefa mieritreritra ny fisiantsika eto an-tany. Zanak’ Andriamanitra isika. Tia antsika Izy. Fantany ny toe-javatra iainantsika. Vonona Izy hanampy. Tsy miova ireo fahamarinana ireo, na dia toa miovaova sy tsy azo ampoizina aza ny zavatra hafa manodidina antsika.
Isika rehetra dia miaina fotoan’ny haizina, ny alahelo ary ny tsy fahazoana antoka izay manohintohina ny fiadanantsika. Tena feno fankasitrahana aho noho ilay loharanon’ny fahamarinana sy ny fahazavana azo antoka sy marina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–11). I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao. Noho Izy sy ny Sorompanavotany dia manana fanantenana isika ho an’ny hoavy, afaka mahazo fahazavana hanazava ireo andro maizina eo amin’ny diantsika, ary ilay fampanantenana momba ny fandresena faratampony ny fahotana sy fahafatesana.
“Tiany izao tontolo izao”
I Jesoa Kristy no hany olona tonga lafatra nandia teto an-tany. Tsy manan-trosa amin’ny fahamarinana Izy noho ny fiainany tonga lafatra. Noho ny fitiavany antsika dia nomeny ny ainy ho antsika tsirairay sy ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra mitambatra mba hanokafana ny varavaran’ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay.
Na eo aza izay irian’i Satana inoantsika dia tsy misy amintsika lavitra loatra ny fahafahan’ny Mpamonjy manavotra antsika. Tsy misy amintsika izay tsy mendrika ny fahasoavan’ny famelan-keloka. Tsy misy amintsika lavitra loatra ka tsy “hosakambininy mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavany” (2 Nefia 1:15).
Tonga amin’ny alalan’ny hery manafaka sy manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy io fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra io. Noho ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy tao Golgota dia hainy ny fomba hanavotana antsika sy hanampiana anao amin’izay rofy rehetra na inona na inona mety ho lalovantsika (jereo ny Almà 7:12).
“Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy” (2 Nefia 26:24).
I Jesoa Kristy no tanjatsika!
Manolo-tanana Izy.
Mamerina amin’ny laoniny Izy.
Manavotra Izy.
“Rehefa [nanolotra ny sorompanavotany] ho an’ny olona rehetra ny Mpamonjy dia nanokatra ny lalana Izy mba hahafahan’ireo izay manaraka Azy mahazo ilay heriny manasitrana sy mampahery ary manavotra,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson.
Eo foana izany hery izany, tahaka ny masoandro. Tsy miovaova na oviana na oviana izany. Ny safidy hanaraka ireo dian’ny Mpamonjy dia toy ny miala ao amin’ny aloka ka mankeo amin’ny taramasoandro izay ahafahantsika mandray ireo fitahian’ny fahazavana, hafanana ary fitiavan’ Andriamanitra. Fantatro fa indray andro dia hanao jery todika isika ka ho heniky ny fankasitrahana fa nanao fanapahan-kevitra manan-danja mandrakizay hitoky amin’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany masina mba hankahery sy hampatanjaka antsika.
“Miverena Amiko”
Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ny fomba niainan’ny vahoaka iray tanaty haizim-pito lalina nandritra ny telo andro taorian’ny fanomboana ny Mpamonjy. Mety ho tandindon’ny haizina ara-panahy izay iainantsika noho ny fahotana ilay haizina ara-batana nanodidina azy ireo. Nandre ny feon’i Kristy izy ireo avy eo, izay nanasa azy ireo hivoaka avy tao amin’ny haizina ary hanatona ny hazavany:
“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?” (3 Nefia 9:13).
“Haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina” (3 Nefia 9:20).
“[Mibebaha] ianareo ary [miverena] amiko amin’ny fo feno finiavana” (3 Nefia 10:6).
Ireo fanasana ireo ihany no alefan’ny Mpamonjy amintsika rehefa hitantsika hoe very ao anaty haizina isika. Tsy misy hafa amin’ny masoandro miposaka isa-maraina izay manamarika fiandohan’ny andro iray vaovao, isaky ny mibebaka isika dia mahazo ainga vao, fiantombohana vaovao mamirapiratra.
Tsy midika hoe mora akory izany. Ny fibebahana dia midika fiovana, ary ny fiovana dia tsy tonga haingana. Na dia mahafaly aza, ny fibebahana dia ahitana “alahelo araka an’ Andriamanitra” (2 Korintiana 7:10). Mitaky ny hanekentsika sy hibabohantsika ny fahadisoantsika izany, sady mangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra sy amin’ireo izay mety ho nampijaliantsika. Indrindra indrindra dia mitaky ny hikatsahantsika “ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha” mba hiainantsika “fiovana mahery vaika … [ao am-pontsika], ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môzià 5:2).
Dia lavitra izany karazana fiovana izany, saingy raha vao manao ny dingana voalohany ianao dia manomboka ny “andron’ny famonjena anao” ary “avy hatrany dia hotanterahina aminao ny drafitra lehiben’ny fanavotana” (Almà 34:31).
Amin’ny alalan’ny fibebahantsika amin-kitsimpo dia mampanantena Andriamanitra fa hamela sy tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony. Rehefa sarotra amintsika ny manadino ny fahotantsika dia aoka isika hiezaka ny hatoky ny fampanantenan’ny Tompo hamela heloka sy hianatra hamela ny hafa sy ny tenantsika.
“Maratra ny fanahintsika rehefa manao fahadisoana sy manota isika,” hoy ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) nampianatra. Saingy rehefa vita ny dingan’ny fibebahana dia tsy mba misy holatra tavela, toy ny amin’ny vatantsika, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Healing the Blind Man (Manasitrana ilay lehilahy jamba), nataon’i Carl Heinrich Bloch
“Ento aty ireo”
Ny Mpamonjy no ilay Mpanasitrana Lehibe. Hita ao amin’ny fanompoany manokana tany Amerika fahiny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny iray amin’ireo fampisehoana ny heriny manasitrana tsara indrindra:
“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo?” Hoy Izy nanontany. “Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po. …
“Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany Izy, dia niara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandroso niaraka tamin’ny marariny sy ny oriny ary ny maleminy, ary niaraka tamin’ny jambany, ary niaraka tamin’ny mareniny sy tamin’ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany” (3 Nefia 17:7–9).
Isaky ny nanasitrana olona “nijaly na manao ahoana na manao ahoana” ny Mpamonjy na taloha na taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny heriny faratampony hanasitrana ny fanahintsika Izy. Ny fanasitranana mahagaga tsirairay dia tsy inona fa santatra sy fampanantenana momba ny fanasitranana ara-batana sy ara-pihetseham-po maharitra izay ho tonga amintsika tsirairay amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, izay “asa tanteraka nataon’ny Tompo ho fanasitranana.”
Marina fa mety tsy novaliana foana araka izay nantenaintsika ny vavaka ho fanasitranana nangatahintsika, kanefa tsy misy hodian-tsy hita velively izy ireny. Ho avy ny fotoam-panasitranana, tahaka ny hanomezan’ny haizin’ny alina toerana—amin’ny fotoana mety—ny taramasoandro be voninahitra.
Araka ny nijoroan’ny Filoha Nelson ho vavolombelona hoe: “Tsy mba tsy ankasitrahana mihitsy ny finoana ananantsika. Fantatro fa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra iray feno fahendrena dia mivelatra lavitra noho ny antsika. Mahafantatra ny olantsika sy ny fanaintainantsika eto an-tany isika, fa fantany kosa ny fivoarantsika sy ny hery anaty ananantsika izay tsy mety maty. Raha mivavaka mba hahafantatra ny sitrapony isika ary manaiky izany amin’ny faharetana sy ny herim-po, dia hitranga amin’ny fombany sy ny fotoanany manokana ny fanasitranana avy any an-danitra.
Vao haingana izaho sy i Harriet vadiko no nampiditra fanantenana sy fitalahoana manokana tao anatin’ny vavakay ho an’ny olona akaikin’ny fonay sasany. Nivavaka izahay mba homena fahaizana manokana hanasitrana ny aretin’izy ireo ny ekipan’ny fahasalamana niandraikitra azy ireo. Notaomim-panahy izahay hanampy fa na dia tsy hisy fanasitranana na fahasitranana eo no ho eo aza dia mety hitondra fampiononana sy fiadanana ho azy ireo ny hery manasitranan’ny Mpamonjy. Ny vokatra manasitrana avy amin’ny hery manavotry ny Mpamonjy dia mety hisy fiantraikany lehibe kokoa eo amin’ny fahasalamantsika ara-pihetseham-po, ara-panahy, ary ara-batana mihitsy aza, mihoatra noho ny fanasitranana eto an-tany izay mety ho raisintsika. I Jesoa Kristy no Ilay Mpanasitrana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.
Ry rahalahy sy anabaviko, ry namana malala, mijoro ho vavolombelona aho fa ny famindram-pon’ny Mpamonjy dia ampy hanasitranana ny ratranareo, hanadio anareo amin’ny fahotana, hampatanjaka anareo amin’ny fitsapana ho avy, ary hitahy anareo amin’ny fanantenana sy ny fahendrena ary ny fiadanany. Eo foana ny heriny—tsy miova sy azo ianteherana—na dia mahatsapa ho lavitry ny fitiavany sy ny fahazavany ary ny hafanany aza isika mandritra ny fotoana fohy.
Mivavaka aho mba tsy ho very mihitsy ny fahatsapana fahatalanjonana sy fankasitrahana lalina noho izay rehetra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Aoka ho fantatrao fa tiana tanteraka ianao, ary tsarovy izay nampanantenaina anao mandrakizay.
“Enga anie ka hotovin’ Andriamanitra aminareo ny hanamaivanana ny enta-mavesatrareo, amin’ny alalan’ny fifalian’ny Zanany,” dia i Jesoa Kristy (Almà 33:23).
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Liahona Message, February 2025. Malagasy. 19609 654