Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ ny fankatoavana
Nametraka ny lamina harahintsika rehetra ny ohatra nasehony.
Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana tamin’ ny volana aprily 2014 hoe: “Amin’ireo lesona rehetra ianarantsika avy amin’ ny fiainan’ny Mpamonjy dia tsy misy mazava sy mahery kokoa noho ny lesona momba ny fankatoavana.” Tsy ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny Ray ihany no ampianarin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika fa ny fomba ahafahantsika mankatò ihany koa. Rehefa mandalina ireto ohatra manaraka ireto ianao izay notsongaina tamin’ ny asa fanompoany dia eritrereto ny fomba mety hanoritan’izany ny lalana tokony harahinao eo amin’ ny fiainanao.
1. Na dia tsy nanota aza i Jesoa dia nekeny ny hatao batisa, “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:13–17; jereo ihany koa ny 2 Nefia 31:4–7; Jaona 3:5).
2. Tamin’i Jesoa feno 12 taona, rehefa hitan’i Josefa sy i Maria nampianatra teo an-kianjan’ny Tempoly Izy, dia “nanoa azy ireo” Izy ka niara-nody tamin’izy ireo tamim-pankatoavana (jereo ny Lioka 2:42–51).
3. Na dia nangataka ny hanesorana ilay kapoaka Taminy aza Izy, dia naleony ihany niaritra ny fanaintainana tao amin’ ny Sahan’i Getsemane (jereo ny Matio 26:36–44; Lioka 22:39–54).
4. Nanaja ny andro Sabata Izy ary nanatrika ireo fotoana rehetra tao amin’ ny synagoga (jereo ny Lioka 4:16–44).
5. Nanaiky ny hotsarain’olombelona i Jesoa mba hahatanteraka ny asa sy ny voninahitry ny Ray (jereo ny Isaia 53:7; Matio 26:53; Mosesy 1:39).
6. Tontosany ny asany tamin’ ny namelany ireo olon-dratsy hanombo Azy teo amin’ ny hazo fijaliana (jereo ny Matio 27:35; Jaona 10:17–18; Galatiana 1:3–5).
7. Noho ny fankatoavany hatrany ny Rainy, dia nandeha tany amin’ ny tontolon’ny fanahy i Jesoa ka nandrindra ny asa fitoriana tany (jereo ny 1 Petera 3:18–20; 4:6).
8. Nalain’i Satana fanahy Izy kanefa tsy nilefitra tamin’izany (jereo ny Matio 4:1–11; F&F 20:22).
9. Manohy manao ny sitrapon’ny Rainy Izy sady mitarika ny Fiangonana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17; F&F 19:2, 24)